2 Samoela 18:1-33

18  Ary nanisa ny olona niaraka taminy i Davida, ka nanendry lehiben’ny arivo sy lehiben’ny zato hifehy an’ireo.+  Dia nalefan’i Davida ny olona, ka ny ampahatelony+ nataony teo ambany fitarihan’i Joaba,+ ny ampahatelony kosa teo ambany fitarihan’i Abisay+ zanak’i Zeroia, rahalahin’i Joaba,+ ary ny ampahatelony teo ambany fitarihan’i Itahy+ Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny olona: “Hiaraka aminareo koa aho.”  Hoy anefa izy ireo: “Aza mandeha ianao.+ Fa raha izahay no mandositra, dia tsy hiraharaha anay ry zareo.+ Ary raha ny antsasany aminay aza no maty, dia tsy hiraharaha anay ry zareo, satria ny iray alina aminay no mitovy aminao.+ Fa aleo ihany ianao manampy+ anay avy eto an-tanàna.”  Koa hoy ny mpanjaka: “Izay sitrakareo àry no hataoko.”+ Dia nijoro teo anilan’ny vavahady ny mpanjaka,+ fa ny olona rehetra kosa nivoaka nanao antokony, ka nisy zato na arivo ny antokony tsirairay.+  Ary nandidy an’i Joaba sy Abisay ary Itahy ny mpanjaka, nanao hoe: “Moramora ihany+ ianareo amin’i Absaloma zatovo, noho ny amiko.” Dia ren’ny olon-drehetra ny nandidian’ny mpanjaka ny lehibe rehetra ny amin’i Absaloma.  Ary nankany an-tsaha ny olona mba hifanandrina tamin’ny Israely. Dia raikitra ny ady, tao amin’ny alan’i Efraima.+  Farany dia resy+ teo anoloan’ny mpanompon’i Davida ny vahoakan’Israely,+ ka maro be no ripaka tamin’iny andro iny, dia lehilahy roa alina.  Niely nanerana ny faritra taza-maso ny ady. Ary ny olona matin’ny ala dia maro noho ny matin-tsabatra, tamin’iny andro iny.  Farany dia sendra ny mpanompon’i Davida i Absaloma. Nitaingina ramole i Absaloma tamin’izay. Dia nandeha teo ambanin’ny sampantsampan’ny hazo iray makadiry ilay ramole, ka nisaringotra tamin’ilay hazobe ny lohan’i Absaloma. Koa nikiraviravy teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy,+ fa lasa kosa ilay ramole nitaingenany. 10  Nisy lehilahy nahita an’izany ka nilaza tamin’i Joaba+ hoe: “Hitako mihantona arỳ amin’ny hazobe arỳ i Absaloma.” 11  Dia hoy i Joaba tamin’ilay lehilahy nilaza izany: “Hitanao izy, koa nahoana no tsy novonoinao ho faty hidaboka amin’ny tany? Dia ho nomeko farantsa volafotsy folo sy fehikibo iray ianao.”+ 12  Hoy anefa ralehilahy: “Na farantsa volafotsy arivo aza no lanjaina ka hatolotra ahy, dia tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho. Fa teo anatrehanay no nandidian’ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy, nanao hoe: ‘Samia ianareo mitandrina mba tsy hisy zavatra hanjo an’i Absaloma zatovo.’+ 13  Raha nanao izany aho, dia ho nivadika tamin’i Absaloma, nefa tsy ho azo afenina amin’ny mpanjaka ny zava-drehetra.+ Hihatakataka fotsiny anefa ianao amin’izay.” 14  Ary hoy i Joaba: “Tsy handany andro aminao eto aho.” Koa naka lefona kely telo i Joaba, ka natsatony+ tamin’ny fon’i Absaloma, raha iny izy mbola velona teo afovoan’ilay+ hazobe iny. 15  Ary nisy mpanompo folo mpitondra ny fitaovam-piadian’i Joaba, tonga nihodidina an’i Absaloma ka namely azy, mba hamono azy ho faty.+ 16  Dia notsofin’i Joaba ny anjombona,+ mba hiverenan’ny olona tsy hanenjika ny Israely intsony. Koa nosakanan’i Joaba ny olona. 17  Farany dia nalain’izy ireo i Absaloma ka natsipiny tao anaty lavaka lehibe iray tany an’ala, ary nananganany antontam-bato lehibe teo amboniny.+ Fa ny Israely rehetra kosa samy nandositra tany an-tranony avy. 18  Fahavelony, dia naka tsangambato iray i Absaloma ka natsangany ho an’ny tenany.+ Ary ao amin’ny Lemaka Ivan’ny Mpanjaka+ izany. Fa hoy izy: “Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ny anarako aho.”+ Koa nampitondrainy ny anarany ilay tsangambato,+ izay mbola antsoina hoe Tsangambaton’i Absaloma mandraka androany. 19  Ary hoy i Ahimaza+ zanak’i Zadoka: “Mba avelao re aho hihazakazaka hilaza ny vaovao amin’ny mpanjaka, fa efa nitsara azy i Jehovah mba hanafaka azy eo an-tanan’ny fahavalony.”+ 20  Hoy anefa i Joaba: “Tsy mpitondra vaovao ianao anio. Amin’ny andro hafa ianao no hitondra vaovao, fa tsy anio, satria maty ny zanaky ny mpanjaka.”+ 21  Ary hoy i Joaba tamin’ny Kosita+ iray: “Mandehana, lazao amin’ny mpanjaka izay efa hitanao.” Dia niankohoka teo anatrehan’i Joaba ilay Kosita ka lasa nihazakazaka. 22  Ary hoy indray i Ahimaza zanak’i Zadoka tamin’i Joaba: “Tsy maninona izay hitranga, fa mba avelao koa re aho hihazakazaka hanaraka an’ilay Kosita.” Hoy anefa i Joaba: “Fa nahoana ianao, anaka, no tsy maintsy hihazakazaka nefa tsisy vaovao holazainao akory?” 23  Mbola hoy ihany anefa izy: “Tsy maninona izay hitranga, fa avelao aho hihazakazaka.” Koa hoy i Joaba: “Mandehana àry!” Dia nihazakazaka nanaraka ny lalana mamakivaky ny Faritr’i Jordana+ i Ahimaza, ka voasongony ilay Kosita. 24  Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida tamin’izay.+ Ary nankeny an-tampon’ilay vavahady teo amin’ny manda ny mpitily.+ Dia nanopy ny masony izy ka nahatazana lehilahy nihazakazaka. 25  Koa niantso mafy ilay mpiambina mba hampandre ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: “Raha irery izy, dia manam-baovao holazaina.” Ary nihananatona ihany ilay lehilahy. 26  Nahatazana lehilahy hafa nihazakazaka koa ilay mpiambina. Koa nantsoiny ny mpiandry vavahady, ka nilazany hoe: “Iny koa misy lehilahy hafa mihazakazaka!” Dia hoy ny mpanjaka: “Mpitondra vaovao koa izany.” 27  Ary hoy ilay mpiambina: “Toy ny fihazakazak’i+ Ahimaza+ zanak’i Zadoka no fahitako ny fihazakazak’ilay voalohany.” Dia hoy ny mpanjaka: “Lehilahy tsara fanahy izy,+ ka tsy maintsy ho vaovao tsara+ no entiny.” 28  Farany dia niantso i Ahimaza ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: “Nizotra tsara ny zava-drehetra!” Dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka izy, ka nanao hoe: “Hisaorana+ anie i Jehovah Andriamanitrao, izay nanolotra+ an’ireo olona nanainga tanana hikomy tamin’ny mpanjaka tompoko!” 29  Hoy anefa ny mpanjaka: “Tsy maninona ve i Absaloma zatovo?” Dia hoy i Ahimaza: “Nahita sahotaka be aho tamin’ny fotoana nanirahan’i Joaba an’irỳ mpanompon’ny mpanjaka irỳ sy izaho mpanomponao, fa tsy fantatro hoe nisy inona.”+ 30  Koa hoy ny mpanjaka: “Mihataha kely àry manketsy.” Dia nihataka kely izy ka tsy nihetsika teo. 31  Ary iny fa tonga ilay Kosita,+ ka niteny hoe: “Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino ny vaovao, fa i Jehovah efa nitsara anao androany, mba hanafaka anao eo an-tanan’izay rehetra mitsangana hanohitra anao.”+ 32  Hoy anefa ny mpanjaka tamin’ilay Kosita: “Tsy maninona ve i Absaloma zatovo?” Dia hoy ilay Kosita: “Ho tahaka an’iny zatovo iny anie ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra nitsangana hanisy ratsy anao!”+ 33  Dia nivadi-po ny mpanjaka ka niakatra tao amin’ilay efitra+ teo ambony vavahady, ary nitomany. Ary hoy izy teny am-pandehanana: “Ry Absaloma zanako, ry zanako, ry Absaloma zanako ô!+ Inay anie aho maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, ry zanako ô!”+

Fanamarihana