2 Samoela 19:1-43

19  Dia nisy nilaza tamin’i Joaba hoe: “Mitomany ny mpanjaka sady misaona an’i Absaloma.”+  Koa nanjary fisaonana ho an’ny olona rehetra ny famonjena tamin’iny andro iny, satria ren’izy ireo tamin’iny andro iny hoe: “Malahelo an-janany ny mpanjaka.”  Dia nitsaitsaika nankao an-tanàna ny olona tamin’iny andro iny,+ toy ny fitsaitsaikan’ny olona menatra fa nandositra avy tany an’ady.  Ary nanarona ny tavany ny mpanjaka sady niantsoantso mafy hoe: “Ry Absaloma zanako! Ry Absaloma zanako, ry zanako ô!”+  Farany, dia nankao amin’ny mpanjaka tao an-trano i Joaba ka niteny hoe: “Efa nataonao izay hampahamenatra ny mpanomponao rehetra androany, dia ireo namonjy ny ainao androany,+ sy ny ain’ny zanakao lahy+ sy ny zanakao vavy+ sy ny vadinao+ ary ny vadikelinao,+  satria tia an’izay mankahala anao ianao ary mankahala an’izay tia anao. Fa efa nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ireo lehibe sy ireo mpanompo. Fantatro tsara mantsy androany fa raha velona teo i Absaloma ary maty kosa izahay rehetra, dia izany no sitrakao.  Koa mivoaha ka omeo toky+ ny mpanomponao. Fa mianiana amin’ny anaran’i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy olona hiara-mitoetra aminao eto anio alina.+ Ary izany dia ho ratsy lavitra ho anao, mihoatra noho ny zava-dratsy rehetra nanjo anao hatramin’ny fahazazanao ka hatramin’izao.”  Koa nandeha nipetraka teo am-bavahady ny mpanjaka.+ Dia nilazana ny olona rehetra hoe: “Mipetraka eo am-bavahady ny mpanjaka.” Ary tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy rehetra. Fa ny Israely kosa samy nandositra nankany an-tranony avy.+  Ary nifanditra ny olona rehetra tany amin’ny foko rehetran’ny Israely, ka nanao hoe: “Ny mpanjaka no namonjy antsika teo am-pelatanan’ny fahavalontsika,+ ary izy no namonjy antsika teo am-pelatanan’ny Filistinina. Ary efa niala teto amin’ny tanintsika izy mba handositra an’i Absaloma.+ 10  I Absaloma izay nohosorantsika hifehy antsika anefa ity+ maty tany an’ady.+ Koa nahoana ianareo no tsy manao na inona na inona mba hampodiana ny mpanjaka?”+ 11  Ary naniraka olona nankany amin’i Zadoka+ sy Abiatara+ mpisorona i Davida Mpanjaka, hilaza hoe: “Teneno ny anti-panahin’i Joda+ hoe: ‘Nahoana ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka any an-tranony, nefa ny tenin’ny Israely rehetra efa tonga tao amin’ny mpanjaka tao an-tranony? 12  Rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko.+ Koa nahoana ianareo no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka?’ 13  Teneno koa i Amasa hoe:+ ‘Tsy taolako sy nofoko moa ianao? Hofaizin’Andriamanitra anie aho,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha tsy ho lehiben’ny tafika eo anatrehako foana ianao, ho solon’i Joaba!’”+ 14  Koa nataony izay haharesy lahatra ny olona rehetra anisan’ny fokon’i Joda, ka dia toy ny olona iray izy rehetra.+ Dia nampilaza tamin’ny mpanjaka izy ireo hoe: “Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.” 15  Koa nandeha nody ny mpanjaka, ka tonga hatreo amin’ny Reniranon’i Jordana. Ary tonga tany Gilgala+ ny Joda mba hitsena ny mpanjaka sy hitondra azy hiampita an’i Jordana. 16  Ary i Simey,+ zanak’i Gera+ Benjaminita, avy any Bahorima,+ dia nidina haingana niaraka tamin’ireo lehilahy anisan’ny fokon’i Joda mba hitsena an’i Davida Mpanjaka. 17  Ary nisy arivo lahy avy amin’ny fokon’i Benjamina niaraka taminy. Niaraka taminy koa i Ziba+ mpanompon’ny ankohonan’i Saoly, mbamin’ny zanany dimy ambin’ny folo lahy+ sy ny mpanompony roapolo. Ary tonga soa aman-tsara teo Jordana, talohan’ny mpanjaka izy ireo. 18  Dia niampita teo amin’ny rano marivo+ fiampitana i Ziba, mba hitondra ny ankohonan’ny mpanjaka hiampita ary hanao izay sitrany. Ary niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka i Simey zanak’i Gera, rehefa iny hiampita an’i Jordana iny indrindra ny mpanjaka.+ 19  Ary hoy izy tamin’ny mpanjaka: “Aoka tsy hataon’ny tompoko ho meloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon’ny mpanomponao+ tamin’ilay andro nialan’ny mpanjaka tany Jerosalema, mba tsy hifantoka amin’izany ny fon’ny mpanjaka.+ 20  Fa fantatry ny mpanomponao tsara fa izaho no nanota. Koa izaho androany no voalohany tonga tamin’ny taranak’i Josefa rehetra,+ mba hidina hitsena ny mpanjaka tompoko.” 21  Niteny avy hatrany i Abisay+ zanak’i Zeroia+ hoe: “Tsy tokony hovonoina ho faty ve i Simey noho izy nanao izany ka nanozona ny voahosotr’i Jehovah?”+ 22  Hoy anefa i Davida: “Misy zavatra iombonako aminareo angaha moa,+ ry zanak’i Zeroia, no ho mpanohitra+ ahy ianareo anio? Hisy olona hovonoina ho faty ve eto amin’ny Israely anio?+ Angaha moa tsy fantatro tsara fa efa mpanjakan’ny Israely aho izao?” 23  Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Simey: “Tsy ho faty ianao.” Ary nianiana taminy ny mpanjaka.+ 24  Ary nidina hitsena ny mpanjaka i Mefiboseta+ zafikelin’i Saoly. Ary tsy nanasa tongotra izy,+ na nikarakara volombava,+ na nanasa akanjo, hatramin’ilay andro nandehanan’ny mpanjaka ka hatramin’ilay andro nahatongavany soa aman-tsara. 25  Rehefa tonga tao Jerosalema izy mba hitsena ny mpanjaka, dia hoy ny mpanjaka taminy: “Naninona ianao no tsy nandeha niaraka tamiko, ry Mefiboseta?” 26  Dia hoy izy: “Ny mpanompoko+ no namitaka ahy, ry mpanjaka tompoko. Fa hoy ny mpanomponao: ‘Aleo aho hanisy lasely ny ampondravavy hotaingenako, mba handehanako hiaraka amin’ny mpanjaka.’ Malemy tongotra mantsy ny mpanomponao.+ 27  Dia nendrikendrehiny+ tamin’ny mpanjaka tompoko ny mpanomponao. Toy ny anjelin’Andriamanitra+ anefa ny mpanjaka tompoko, koa ataovy izay hitanao fa mety. 28  Afaka namono ho faty ny ankohonan-draiko manontolo ny mpanjaka tompoko, nefa dia napetrakao ho isan’ireo mihinana eo an-databatrao ny mpanomponao.+ Koa inona intsony moa no zo ananako, ka mbola hitarainako+ amin’ny mpanjaka?” 29  Hoy anefa ny mpanjaka: “Nahoana ianao no mbola miteny ihany? Izao no teniko: Hifampizaranao sy Ziba ny tany.”+ 30  Dia hoy i Mefiboseta tamin’ny mpanjaka: “Aleo alainy izy manontolo,+ fa ny mpanjaka tompoko aza efa tonga soa aman-tsara atỳ an-tranony.” 31  Ary nidina avy any Rogelima i Barzilay+ Gileadita, mba ho any Jordana miaraka amin’ny mpanjaka, ka hanatitra azy hatreo Jordana. 32  Efa antitra be i Barzilay, fa efa valopolo taona izy.+ Ary namatsy sakafo ny mpanjaka izy, fony nitoetra tany Mahanaima+ ny mpanjaka. Mpanankarem-be+ mantsy izy. 33  Koa hoy ny mpanjaka taminy: “Andao hiampita miaraka amiko, dia hiara-misakafo amiko any Jerosalema ianao.”+ 34  Hoy anefa i Barzilay: “Mbola hisy firy taona moa ny hiainako, no hiara-miakatra amin’ny mpanjaka ho any Jerosalema aho? 35  Efa valopolo taona aho izao.+ Mbola afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy angaha aho? Sa izaho mpanomponao mbola mahafantatra ny tsiron’izay haniko sy sotroiko,+ na mbola afaka mandre+ ny feon’ny mpihira lahy sy vavy?+ Koa nahoana ny mpanomponao no ho enta-mavesatra+ ho an’ny mpanjaka tompoko? 36  Halaviran-dalana kely fotsiny hatreto Jordana no nanateran’ny mpanomponao ny mpanjaka. Koa nahoana ny mpanjaka no hanome ahy izany valisoa izany?+ 37  Avelao ny mpanomponao hody, raha sitrakao, ary aoka aho ho faty+ any an-tanànako, any akaikin’ny fasan’ny raiko sy ny reniko.+ Fa io kosa i Kimama+ mpanomponao. Aoka izy hiampita miaraka amin’ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay hitanao fa mety.” 38  Koa hoy ny mpanjaka: “Hiampita miaraka amiko àry i Kimama, ary hataoko aminy izay sitrakao. Ary izay rehetra tianao hataoko, dia hataoko ho anao.” 39  Dia niampita an’i Jordana ny olona rehetra, ary niampita koa ny mpanjaka. Ary nanoroka+ sy nitso-drano+ an’i Barzilay ny mpanjaka. Dia nody tany amin’ny toerana nisy azy i Barzilay. 40  Rehefa niampita ho eny Gilgala ny mpanjaka,+ dia niara-niampita taminy i Kimama sy ny olona rehetra anisan’ny fokon’i Joda ary ny antsasaky ny vahoakan’Israely, mba hitondra ny mpanjaka hiampita. 41  Ary indreny ny lehilahy israelita rehetra fa nankeo amin’ny mpanjaka, ka niteny taminy hoe: “Nahoana+ ny rahalahinay anisan’ny fokon’i Joda no nitondra anao an-tsokosoko, ka nentiny niampita an’i Jordana ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon’i Davida rehetra miaraka aminy?”+ 42  Dia namaly an’ireo Israelita ny lehilahy rehetra anisan’ny fokon’i Joda, nanao hoe: “Satria havanay akaiky ny mpanjaka.+ Ary inona moa no mahatezitra anareo amin’izany? Angaha ny sakafonay nisy niantohan’ny mpanjaka, sa nisy fanomezana nentina ho anay?” 43  Hoy anefa ny navalin’ny Israelita an’ireo anisan’ny fokon’i Joda: “Manana anjara folo amin’ny fanjakana izahay,+ ka mihoatra noho ny anareo ny zonay raha ny amin’i Davida. Koa nahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay, ary nahoana no tsy izahay no voalohany+ nampody ny mpanjakantsika?” Henjana kokoa noho ny tenin’ny Israelita anefa ny tenin’ireo anisan’ny fokon’i Joda.

Fanamarihana

A.b.t.: “Hataon’Andriamanitra amiko anie izany!”