2 Samoela 2:1-32

2  Taorian’izay, dia nanontany an’i Jehovah+ i Davida hoe: “Hiakatra ho any amin’ny tanàna iray any Joda ve aho?” Dia hoy i Jehovah: “Miakara.” Ary hoy i Davida: “Any aninona no hiakarako?” Dia hoy izy: “Any Hebrona.”+  Koa niakatra nankany i Davida mbamin’ny vadiny roa, dia i Ahinoama+ Jezirelita sy Abigaila+ vadin’i Nabala Karmelita.  Ary nentin’i Davida niakatra koa ny lehilahy+ niaraka taminy, mbamin’ny ankohonan’izy ireo avy. Dia nanorim-ponenana tao amin’ireo tanàna tany amin’ny faritr’i Hebrona izy ireo.  Ary tonga ireo lehilahy anisan’ny fokon’i Joda,+ ka tao no nanosorany+ an’i Davida ho mpanjakan’ny taranak’i Joda.+ Ary nisy tonga nilaza tamin’i Davida hoe: “Ireo lehilahy any Jabesi-gileada no nandevina an’i Saoly.”  Koa nandefa iraka ho any amin’ireo lehilahy tany Jabesi-gileada+ i Davida, hilaza hoe: “Hotahin’i Jehovah anie ianareo,+ satria naneho izany hatsaram-panahy feno fitiavana+ izany tamin’i Saoly tomponareo, ka nandevina azy!+  Ary haneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminareo anie i Jehovah,+ sady hasehony aminareo koa anie fa mendri-pitokisana izy! Ary izaho koa mba hanao soa toy izany aminareo, noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.+  Koa mahereza ary aoka hahery fo ianareo,+ fa efa maty i Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran’ny taranak’i Joda ho mpanjakan’izy+ ireo.”  Ary i Abnera+ zanak’i Nera lehiben’ny tafik’i Saoly dia naka an’i Isboseta+ zanak’i Saoly, ka nitondra azy niampita nankany Mahanaima,+  mba hatao mpanjakan’i Gileada+ sy ny Asorita, sy Jezirela+ sy Efraima+ ary Benjamina,+ eny, mpanjakan’ny Israely manontolo. 10  Efapolo taona i Isboseta zanak’i Saoly fony izy lasa mpanjakan’ny Israely, ary roa taona no nanjakany. Fa ny taranak’i Joda+ ihany no nomba an’i Davida. 11  Fito taona sy enim-bolana no andro nanjakan’i Davida tao Hebrona tamin’ny taranak’i Joda.+ 12  Ary nivoaka avy tao Mahanaima+ i Abnera zanak’i Nera sy ny mpanompon’i Isboseta zanak’i Saoly, ka nankany Gibeona.+ 13  Ary nankany amin’ny dobon’i Gibeona koa i Joaba+ zanak’i Zeroia+ sy ny mpanompon’i Davida, ka nihaona teo ny roa tonta. Ary samy naka toerana teo izy ireo, ka ny iray teo amin’ny andanin’ilay dobo, ary ny iray kosa teo amin’ny ankilany. 14  Farany, dia hoy i Abnera tamin’i Joaba: “Aleo hitsangana ireo zatovolahy, azafady, ka hiady eto anatrehantsika.” Dia hoy i Joaba: “Aleo àry izy ireo hitsangana.” 15  Koa nitsangana izy ireo ka nifidy roa ambin’ny folo avy tamin’i Benjamina sy Isboseta+ zanak’i Saoly, ary roa ambin’ny folo avy tamin’ny mpanompon’i Davida. 16  Ary nifampihazona tamin’ny lohany izy ireo, ka nifanindron-tsabatra teo amin’ny tehezany, dia niara-maty. Koa nantsoina hoe Helkata-hazorima io toerana io, izay any Gibeona.+ 17  Nafotaka ny ady tamin’iny andro iny, ka resy teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Abnera+ sy ny lehilahy israelita. 18  Tany koa izy telo mirahalahy zanak’i Zeroia:+ I Joaba+ sy Abisay+ ary Asahela.+ Ary haingam-pandeha toy ny gazela+ any an-tsaha i Asahela. 19  Dia nanenjika an’i Abnera i Asahela, ka tsy nivily niankavanana na niankavia fa nanaraka azy foana. 20  Farany, dia niherika i Abnera ka niteny hoe: “Ianao ve io, ry Asahela?” Dia hoy izy: “Izaho ity.” 21  Ary hoy i Abnera: “Mivilia miankavanana na miankavia ka misambora zatovolahy iray, dia alaivo+ ho anao izay eny aminy.” Tsy nety nivily anefa i Asahela fa nanenjika azy foana. 22  Koa hoy indray i Abnera tamin’i Asahela: “Efa hoe mivilia fa aza manaraka ahy, sao hasiako ianao ka ho faty hiampatra amin’ny tany.+ Dia hataoko ahoana no fijery an’i Joaba rahalahinao?” 23  Tsy nety nivily mihitsy anefa izy. Koa nasian’i Abnera tamin’ny vodilefona ny kibony,+ ka niboroaka teo andamosiny ny lefona. Dia lavo teo izy ka maty teo amin’izay nisy azy. Ary nijanona izay rehetra tonga teo amin’ilay toerana nahalavoan’i Asahela sy nahafatesany.+ 24  Koa nanenjika an’i Abnera i Joaba sy Abisay. Nony nilentika ny masoandro, dia tonga teo amin’ny havoanan’i Ama tandrifin’i Gia, eo amin’ny lalana mankany amin’ny tany efitr’i Gibeona, izy ireo.+ 25  Ary niangona ho antokony iray nanodidina an’i Abnera ny taranak’i Benjamina. Dia nijoro teo an-tampon-kavoana izy ireo. 26  Ary niantso an’i Joaba i Abnera ka niteny hoe: “Handrapaka+ tsy misy farany ve ny sabatra? Tsy fantatrao angaha fa fahoriana no hiafaran’izao?+ Koa rahoviana ianao vao hiteny ny olona mba hiverina ka tsy hanenjika ny rahalahiny intsony?”+ 27  Dia hoy i Joaba: “Raha mbola velona koa Andriamanitra,+ dia tsoriko fa raha tsy niteny ianao,+ dia rahampitso maraina ny olona vao ho najanona tsy hanenjika ny rahalahiny intsony.” 28  Ary notsofin’i Joaba ny anjombona,+ dia nijanona ny olona rehetra ka tsy nanenjika ny Israely intsony, ary tsy nanohy ny ady intsony koa. 29  Ary namakivaky an’i Araba+ iny alina tontolo iny i Abnera sy ny olony, ka niampita ny Reniranon’i Jordana,+ ary namakivaky an’ilay lohasaha manontolo, dia tonga tany Mahanaima+ tamin’ny farany. 30  Fa i Joaba kosa niverina ka tsy nanenjika an’i Abnera intsony. Dia novoriny ny olona rehetra. Ary sivy ambin’ny folo lahy, niampy an’i Asahela, no tsy teo intsony tamin’ny mpanompon’i Davida. 31  Enimpolo sy telonjato kosa no matin’ny mpanompon’i Davida, tamin’ny olon’i Benjamina sy ny olon’i Abnera.+ 32  Ary nentin’izy ireo i Asahela+ ka naleviny tao amin’ny fasan-drainy+ tao Betlehema.+ Ary nandeha nandritra ny alina i Joaba sy ny olony, ka tonga tany Hebrona+ rehefa nazava ny andro.

Fanamarihana