2 Samoela 20:1-26

20  Ary nisy lehilahy tsy manjary+ iray teo. Sheba+ no anarany, ary zanak’i Bikry Benjaminita izy. Nitsoka anjombona izy+ ka niteny hoe: “Tsy manana anjara amin’i Davida na lova eo amin’ny zanak’i Jese isika.+ Koa samia mankany amin’ny andriamaniny avy,+ ry Israely ô!”  Dia niakatra ny lehilahy israelita rehetra ka tsy nanaraka an’i Davida intsony, fa nanaraka an’i Sheba zanak’i Bikry.+ Ireo lehilahy anisan’ny fokon’i Joda kosa anefa nifikitra tamin’ny mpanjakany, hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana ka hatrany Jerosalema.+  Farany dia tonga tany an-tranony tany Jerosalema i Davida.+ Ary nalain’ny mpanjaka ireo vehivavy folo+ vadikeliny, izay najanony hikarakara ny trano, ka napetrany tao amin’ny trano iray voambina. Nomeny sakafo foana anefa izy ireo. Ary tsy nanao firaisana tamin’izy ireo intsony izy,+ fa nohidiana tao an-trano ireo mandra-pahafatiny, ka lasa mpitondratena nefa tsy maty vady akory.  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Amasa:+ “Vorio ho eto amiko ny lehilahy anisan’ny fokon’i Joda, ao anatin’ny telo andro. Aoka hitsangana eto koa ianao amin’izay.”  Koa lasa namory ny Joda i Amasa, nefa tara tamin’ilay fotoana nomen’i Davida izy.  Dia hoy i Davida tamin’i Abisay:+ “Hitondra loza ho antsika mihoatra noho i Absaloma,+ i Sheba+ zanak’i Bikry. Koa ento ny mpanompon’ny+ tomponao ka enjeho izy, sao hiditra any amin’ny tanàna voaro mafy izy ka tsy ho hitantsika intsony.”  Koa nivoaka nanaraka azy ny olon’i Joaba+ sy ny Keretita+ sy ny Peletita+ ary ny lehilahy mahery rehetra. Nivoaka avy ao Jerosalema izy ireo hanenjika an’i Sheba zanak’i Bikry.  Nony teo akaikin’ilay vato lehibe ao Gibeona+ izy ireo, dia tonga nitsena azy i Amasa.+ Ary akanjo nisy fehikibo no nanaovan’i Joaba tamin’izay. Nisy sabatra teo amin’ny fehikibony, teo amin’ny andilany, ka tao anaty tranony ilay sabatra. Ary rehefa nanatona izy, dia latsaka ilay sabatra.  Ary hoy i Joaba tamin’i Amasa: “Salama ve ianao, ry rahalahiko?”+ Dia noraisin’i Joaba tamin’ny tanany havanana ny volombavan’i Amasa mba hanorohany an’i Amasa.+ 10  Tsy mba nitandrina tamin’ilay sabatra teny an-tanan’i Joaba anefa i Amasa. Dia nasian’i Joaba+ tamin’iny ny kibony, ka niparitaka tamin’ny tany ny tsinainy, ary tsy voatery namely azy fanindroany intsony i Joaba. Koa maty i Amasa. Ary lasa nanenjika an’i Sheba zanak’i Bikry i Joaba sy Abisay rahalahiny. 11  Ary nisy zatovon’i Joaba nijoro teo anilan’i Amasa ka namerimberina niteny hoe: “Izay mankasitraka an’i Joaba sy izay olon’i Davida,+ dia aoka hanaraka an’i Joaba!” 12  Nihosin-dra+ teo afovoan’ny lalambe i Amasa tamin’izay. Nony hitan’ilay zatovo fa nijanona teo ny olona rehetra, dia nesoriny teo amin’ny lalambe i Amasa ka nafindrany teny an-tsaha. Ary nanipy akanjo teo amboniny izy mba hanaronana azy, satria hitany fa nijanona avokoa izay tonga teo aminy.+ 13  Raha vao nesoriny teo amin’ny lalambe izy, dia lasa nanaraka an’i Joaba avokoa ny lehilahy rehetra, mba hanenjika an’i Sheba+ zanak’i Bikry. 14  Ary nandalo tany amin’ny foko rehetran’ny Israely i Sheba, ka tonga tany Abela any Beti-maka.+ Dia niangona ny Bikrita rehetra, ka nanaraka azy nankao an-tanàna. 15  Ary tonga ny olona rehetra niaraka tamin’i Joaba, ka nanao fahirano an’i Sheba tao Abela any Beti-maka. Dia nanangana tovon-tany* fanaovana fahirano izy ireo hanafihana an’ilay tanàna,+ satria voahodidina tovon-tany fiarovana izy io. Koa nandoaka ny fototry ny manda izy ireo, mba hanjerana azy. 16  Ary nisy vehivavy hendry+ iray niantso avy teo amin’ny mandan’ny tanàna, nanao hoe: “Mihainoa, rey olona, mihainoa ahy! Mba ilazao kely i Joaba hanatona etỳ, fa hiresaka aminy aho.” 17  Koa nanatona an-dravehivavy izy. Ary hoy ravehivavy: “Ianao ve no Joaba?” Dia hoy izy: “Eny, izaho no izy.” Ary hoy ravehivavy: “Mba henoy ny tenin’ny mpanompovavinao.”+ Dia hoy izy: “Mihaino aho.” 18  Ary hoy ravehivavy: “Tsy nisy tsy niteny ny olona tamin’ny andro fahiny hoe: ‘Aoka izy hanontany any Abela, dia ho voalamina ny raharaha.’ 19  Anisan’ny olona tia fihavanana+ sy mendri-pitokisana+ eto amin’ny Israely aho, fa ianao kosa mitady hamono tanàna iray+ sy reny iray eto amin’ny Israely. Fa nahoana no haripakao+ ny lovan’i+ Jehovah?” 20  Dia hoy i Joaba: “Sanatria ahy ny handripaka sy handrava. 21  Tsy izany mihitsy, fa misy lehilahy iray avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima,+ nanainga tanana hikomy tamin’i Davida Mpanjaka.+ Sheba+ no anarany, ary zanak’i Bikry izy. Koa izy ihany no atolory,+ dia hiala amin’ity tanàna ity aho.”+ Ary hoy ravehivavy: “Hatsipy eny aminao avy etỳ amin’ny manda àry ny lohany.”+ 22  Avy hatrany dia nankeo amin’ny olona rehetra ravehivavy, ka niresaka tamin’izy ireo tamim-pahendrena.+ Koa notapahin’izy ireo ny lohan’i Sheba zanak’i Bikry ka natsipiny teny amin’i Joaba. Dia notsofin’i Joaba ny anjombona,+ ka samy niparitaka niala tamin’ilay tanàna ny olona ary nankany an-tranony avy. I Joaba kosa niverina nankany Jerosalema, ho any amin’ny mpanjaka. 23  Ary i Joaba no lehiben’ny tafika+ manontolon’ny Israely; Benaia+ zanak’i Joiada+ no lehiben’ny Keretita+ sy ny Peletita;+ 24  Adorama+ no niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana; Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana; 25  Seva+ no mpitan-tsoratra,+ ary Zadoka+ sy Abiatara+ no mpisorona. 26  Lasa mpisoron’i*+ Davida koa i Ira Jairita.

Fanamarihana

Tany avangongo ho avo be eo am-pototry ny manda ka atao misolampy.
Na: “manamboninahitra ambony.”