2 Samoela 21:1-22

21  Ary nisy mosary+ tamin’ny andron’i Davida, nandritra ny telo taona nisesy. Dia nanontany an’i Jehovah i Davida, ka hoy i Jehovah: “Meloka ho nandatsa-dra i Saoly sy ny ankohonany, satria novonoiny ho faty ny Gibeonita.”+  Dia nantsoin’ny mpanjaka ny Gibeonita+ ka niresahany. Tsy anisan’ny zanak’Israely ny Gibeonita, fa anisan’ny sisa tavela tamin’ny Amorita.+ Ary efa nianiana tamin’izy ireo ny zanak’Israely,+ nefa nitady handripaka+ azy ireo i Saoly satria nahasaro-piaro+ azy ny zanak’Israely sy ny Joda.  Dia hoy i Davida tamin’ny Gibeonita: “Inona no hataoko ho anareo, ary inona no hataoko fandrakofam-pahotana,+ mba hitsofanareo rano ny lovan’i+ Jehovah?”  Ary hoy ny Gibeonita: “Tsy volafotsy na volamena+ no takinay amin’i Saoly sy ny ankohonany, sady tsy zonay koa ny mamono olona eto amin’ny Israely.” Dia hoy i Davida: “Izay lazainareo dia hataoko ho anareo.”  Koa hoy izy ireo tamin’ny mpanjaka: “Nandringana+ anay sy nitetika+ ny handripaka anay tsy hisy intsony eto amin’ny faritra rehetran’ny Israely iny lehilahy iny.  Koa atolory anay ny fito lahy amin’ny taranany.+ Dia hahantonay+ eo anatrehan’i Jehovah ny fatin’izy ireo ao Gibean’i+ Saoly, ilay voafidin’i Jehovah.”+ Ary hoy ny mpanjaka: “Izaho no hanolotra azy ireo.”  Nangoraka an’i Mefiboseta+ zanak’i Jonatana zanak’i Saoly anefa ny mpanjaka, noho ny fianianana+ nataon’i Davida sy Jonatana zanak’i Saoly, tamin’ny anaran’i Jehovah.  Koa nalain’ny mpanjaka i Armony sy Mefiboseta, zanak’i Rizpa+ zanakavavin’i Aia, dia izy roa lahy naterany tamin’i Saoly. Nalainy koa ny zanak’i Mikala+ zanakavavin’i Saoly, dia izy dimy lahy naterany tamin’i Adriela+ zanak’i Barzilay Meholatita.  Ary natolony teo an-tanan’ny Gibeonita ireo, ka nahanton’ny Gibeonita teo an-tendrombohitra, teo anatrehan’i Jehovah, ny fatin’izy ireo.+ Koa niara-maty izy fito. Novonoina ho faty izy ireo teo am-piandohan’ny fijinjana, izany hoe rehefa nanomboka ny fijinjana vary orza.+ 10  Ary naka lamba gony+ i Rizpa zanakavavin’i Aia,+ ka novelariny teo ambony vatolampy. Dia nitoetra teo izy hatramin’ny fanombohan’ny fijinjana ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra teo amin’ireo faty.+ Ary tsy navelany hisy vorona+ hipetraka teo amin’ireo faty nandritra ny andro, na bibidia+ any an-tsaha nandritra ny alina. 11  Farany, dia nisy nilaza+ tamin’i Davida ny zavatra nataon’i Rizpa zanakavavin’i Aia, vadikelin’i Saoly. 12  Koa lasa i Davida naka ny taolambalon’i Saoly+ sy Jonatana zanany, tany amin’ireo tompon-tany tao Jabesi-gileada+ izay nangalatra azy ireo teo amin’ny tany malalak’i Beti-sana.+ Teo no nanantonan’ny Filistinina azy,+ tamin’ilay andro namonoan’ny Filistinina an’i Saoly tany Gilboa.+ 13  Dia nentiny niakatra avy tany ny taolambalon’i Saoly sy Jonatana zanany. Nangonina koa ny taolambalon’ireo lehilahy nahantona.+ 14  Koa nalevina tao amin’ny fasan’i Kisy+ rainy tao Zela+ any amin’ny tanin’i Benjamina, ny taolambalon’i Saoly sy Jonatana zanany, ho fanatanterahana izay rehetra nandidian’ny mpanjaka. Taorian’izay, dia nohenoin’Andriamanitra ny fitalahoana ho an’ilay tany.+ 15  Ary niady tamin’ny Israely indray ny Filistinina.+ Koa nidina niady tamin’ny Filistinina i Davida sy ny mpanompony. Dia reraka i Davida. 16  Ary saika hamely azy i Jisbi-benoba, izay anisan’ny teraky ny Refaima.+ Sekely varahina telonjato* ny lanjan’ny lefony,+ ary nisy sabatra vaovao teo amin’ny fehikibony. 17  Tonga nanampy+ an’i Davida avy hatrany anefa i Abisay+ zanak’i Zeroia, ka namely an’ilay Filistinina, dia namono azy ho faty. Tamin’izay dia nianiana tamin’i Davida ny olony hoe: “Tsy mahazo mivoaka hiady miaraka aminay intsony ianao,+ sao hovonoinao+ ny jiron’ny+ Israely!” 18  Taorian’izay, dia raikitra indray ny ady tamin’ny Filistinina, tany Goba. Ary i Sibekay+ Hosatita+ no nahafaty an’i Safa, izay anisan’ny teraky ny Refaima.+ 19  Ary raikitra indray ny ady tamin’ny Filistinina, tany Goba, ka novonoin’i Elanana+ zanak’i Jare-oregima Betlehemita i Goliata Gatita. Toy ny voditenon’ny mpanenona ny tahon-defon’i Goliata.+ 20  Raikitra indray ny ady tao Gata,+ ary nisy lehilahy iray goavam-be tao. Enina avy ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ka efatra amby roapolo ny isan’ny rantsany. Teraky ny Refaima koa izy.+ 21  Ary nihantsy ady+ tamin’ny Israely foana izy, ka novonoin’i Jonatana+ zanak’i Simey+ rahalahin’i Davida. 22  Teraky ny Refaima tany Gata izy efatra ireo,+ ary matin’ny tanan’i Davida sy ny mpanompony.+

Fanamarihana

3,42 kg eo ho eo.