2 Samoela 22:1-51

22  Nanao izao tononkira+ izao ho an’i Jehovah i Davida, tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy teo am-pelatanan’ny fahavalony+ rehetra sy teo am-pelatanan’i Saoly.+  Hoy izy: “I Jehovah no harambatoko+ sy fiarovana mafy+ ho ahy ary Mpanafaka ahy.+   Andriamanitro no vatolampiko.+ Hialoka aminy aho,Fa izy no ampingako+ sy tandroka+ famonjena ahy, tendrombohitra fandosirako,+Toerana fandosirako,+ ary Mpamonjy ahy.+ Mamonjy ahy amin’ny herisetra ianao.+   I Jehovah, Ilay mendrika hoderaina,+ no hantsoiko,Ka ho voavonjy amin’ny fahavaloko aho.+   Fa nihodidina ahy ny onja mahery mahafaty,+Ary nampihorohoro ahy koa ireo olona tsy manjary, izay nanafotra tampoka toy ny ranotrambo.+   Nangeja ahy toy ny tady ny Fasana,*+Ary nivelatra teo anoloako ny fandriky ny fahafatesana.+   Niantso an’i Jehovah foana aho, tao anatin’ny fahoriako.+Ilay Andriamanitro no nantsoiko mandrakariva.+Tao an-tempoliny izy no nandre ny feoko,+Ary ren’ny sofiny ny antso vonjy nataoko.+   Nihozongozona sy nihovotrovotra ny tany,+Nihorohoro ny fototry ny lanitra.+Nihozongozona tsy an-kijanona ireny satria nisy nampahatezitra Azy.+   Nisy setroka niakatra avy teo am-bavorony, ary nisy afo nandevona avy tamin’ny vavany.+Nisy vainafo niredareda avy taminy.+ 10  Dia natongilany ny lanitra ka nidina izy,+Ary haizim-pito no teo ambany tongony.+ 11  Nitaingina kerobima+ izy ka nanidina,Ary hita teny ambony elatry ny anjely.*+ 12  Nataony nanodidina azy toy ny trano rantsankazo ny haizina,+Dia rahona mainty vonton-drano.+ 13  Ny famirapiratana teo anatrehany no nampirehitra vainafo.+ 14  Nampirefotra kotroka avy tany an-danitra i Jehovah,+Ary nanandratra ny feony ny Avo Indrindra.+ 15  Tsy nitsahatra nandefa zana-tsipìka izy mba hanaparitahana an’ireny,+Sy tselatra mba hahatonga an’ireny hisahotaka.+ 16  Nanjary hita ny fanambanin’ny ranomasina,+ Ary niharihary ny fototry ny tany lonaka,+Satria niteny mafy azy i Jehovah, ary ny fofonain’ny vavorony+ no nitsofany azy. 17  Avy any amin’ny avo izy no nanatsotra ny tanany ka nandray ahy,+Ary nisarika ahy avy tao anaty rano be.+ 18  Nanafaka ahy tamin’ny fahavalo mahery izy,+Dia tamin’izay nankahala ahy. Nahery noho izaho mantsy ireny.+ 19  Nanohitra ahy foana ireny tamin’ny andro nahitako loza,+Nefa i Jehovah nanampy ahy.+ 20  Namoaka ahy eo amin’ny toerana malalaka izy,+Ary namonjy ahy satria nankasitraka ahy.+ 21  Mamaly soa ahy araka ny fahamarinako i Jehovah,+Ary mamaly ahy araka ny fahadiovan’ny tanako.+ 22  Fa nanaraka foana ny lalan’i Jehovah aho,+Ary tsy niala tamin’Andriamanitro, eny, tsy nanao izany ratsy izany aho.+ 23  Eo anatrehako ny didim-pitsarany rehetra,+Ary tsy mba hiala amin’ny lalàny aho.+ 24  Tsy hanan-tsiny+ eo anatrehany aho,Sady hitandrin-tena tsy hanao fahadisoana.+ 25  Enga anie i Jehovah hamaly ahy araka ny fahamarinako,+ Sy araka ny fahadiovako eo imasony!+ 26  Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao,+Ary ny olo-mahery tsy manan-tsiny no hoentinao amin’ny fomba tsy misy tsiny.+ 27  Ny olona madio no hisehoanao ho madio,+Ary ny olona fatsora no hanaovanao zavatra toa adaladala.+ 28  Hovonjenao ny manetry tena,+Ary manohitra ny mpirehareha ny masonao, mba hampietrenao azy.+ 29  Fa ianao no jiroko, Jehovah ô!+Ary i Jehovah no manazava ny haizina misy ahy.+ 30  Noho ianao, dia mahavita mihazakazaka hamely mpandroba aho,+Noho ilay Andriamanitro, dia mahavita mianika manda aho.+ 31  Tonga lafatra ny lalan’ilay tena Andriamanitra.+Madio toy ny metaly voadio ny tenin’i Jehovah.+Ampingan’izay rehetra mialoka aminy izy.+ 32  Fa iza no Andriamanitra ankoatra an’i Jehovah,+Ary iza no vatolampy ankoatra an’Andriamanitsika?+ 33  Ilay tena Andriamanitra no fiarovana mafy ho ahy,+Ary hataony izay hahalavorary ny lalako.+ 34  Ataony toy ny an’ny serfavavy ny tongotro,+Ary eo amin’ny toerana avo be no ampijoroany ahy.+ 35  Mampianatra ny tanako hiady izy,+Ary ny sandriko no nampiasaiko hamatorana ny tadin’ny tsipìka varahina.+ 36  Hanome ahy ny ampinga famonjenao ianao,+Ary ny fanetren-tenanao no mampisandratra ahy.+ 37  Hataonao malalaka tsara ny lalana hodiaviko,+Ary tsy hangozohozo mihitsy ny tongotro.+ 38  Hanenjika ny fahavaloko aho mba handripahako azy,Ary tsy hiverina aho mandra-paharingany tanteraka.+ 39  Haringako sy hotorotoroiko ireny+ mba tsy ho afa-mitsangana intsony.+Ho lavo eo ambany tongotro ireny.+ 40  Homenao hery hoenti-miady aho,+Ary hataonao lavo eo ambaniko izay mitsangana hanohitra ahy.+ 41  Hataonao mandositra eo anatrehako ny fahavaloko,*+Ary hataoko mangina koa izay mankahala mafy ahy.+ 42  Miantso vonjy ireny, nefa tsy misy mpamonjy,+Eny, miantso an’i Jehovah ireny nefa tsy valiany.+ 43  Hataoko torotoro toy ny vovo-tany ireny,Ary hohitsakitsahiko toy ny fotaka eny an-dalambe,+Ka hohoseko. 44  Hanafaka ahy amin’ny fanakianan’ny oloko ianao.+Hiaro ahy ianao mba hahatonga ahy ho filohan’ireo firenena,+Ary vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.+ 45  Hanatona ahy amin-tahotra ny hafa firenena,+Ary hanaiky hihaino ahy ny sofiny.+ 46  Ho lany hery ny hafa firenena,Ary hipararetra izy ireo mivoaka avy ao amin’ny manda fiarovany.+ 47  Velona i Jehovah.+ Hisaorana anie ilay Vatolampiko,+Ary hasandratra anie Andriamanitra, ilay vatolampy mpamonjy ahy!+ 48  Ilay tena Andriamanitra no Mpamaly ny ratsy atao amiko.+Izy no mampietry an’ireo firenena ho eo ambaniko,+ 49  Ary Izy no mamoaka ahy ho afaka amin’ny fahavaloko.+Hanandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy ianao,+Ary hanafaka ahy amin’ny olona mahery setra.+ 50  Koa izany no hisaorako anao eo amin’ireo firenena, Jehovah ô,+Sy hanaovako hira fiderana ho an’ny anaranao,+ 51  Ry Ilay manao asa famonjena lehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny,+Ary maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny voahosony,+Dia i Davida sy ny taranany, mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Na: “elatry ny rivotra.”
A.b.t.: “Homenao ahy ny hatoky ny fahavaloko.”