Samoela Faharoa 23:1-39

  • Teny farany nataon’i Davida (1-7)

  • Zavatra miavaka vitan’ny miaramila matanjaka anisan’ny tafik’i Davida (8-39)

23  Izao no teny farany nataon’i Davida:+ “Ny tenin’i Davida zanak’i Jese,+Dia ny tenin’ilay lehilahy nasandratra ho ambony,+Ilay voahosotry+ ny Andriamanitr’i Jakoba,Ilay mpihira mahafinaritra* voalazan’ny hiran’ny+ Israely.  2  Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako;+Ny teniny no teo amin’ny lelako.+  3  Niteny ny Andriamanitry ny Israely;Nilaza tamiko ilay Vatolampin’ny Israely+ hoe: ‘Raha olo-marina no mitondra ny olombelona,+Ka matahotra an’Andriamanitra izy,+  4  Dia toy ny hazavana vao maraina izany, rehefa miposaka ny masoandro,+Amin’ny maraina tsy semban-drahona. Toy ny hazavana mamiratra izany, rehefa mitsahatra ny orana,Ka mampitsiry ny ahitra avy amin’ny tany.’+  5  Tsy toy izany ve ny ankohonako, eo anatrehan’Andriamanitra? Nanao fifanekena mandrakizay+ tamiko mantsy izy,Dia fifanekena efa voaomana tsara sady azo antoka. Tena mamonjy ahy mantsy io fifanekena io sady tena mahafinaritra ahy,Koa tsy izany ve no mahatonga azy hampiroborobo ny ankohonako?+  6  Ny olona tsy misy ilana azy rehetra kosa ariana+ toy ny tsilo,Satria tsy azo raisina amin’ny tanana.  7  Izay olona mikasika an’ireny,Dia tokony hitondra fitaovana vy sy tahon-defona,Ary tokony hatao kilan’ny afo eo amin’ny toerana misy azy izy ireny.” 8  Ireto ny anaran’ireo miaramila matanjaka+ tao amin’ny tafik’i Davida: Joseba-basebeta Takemonita, lehiben’izy telo lahy.+ Nampiasa ny lefony izy, indray mandeha, dia nahafaty 800 lahy. 9  Ary manarakaraka azy i Eleazara+ zanak’i Dodo+ zanak’i Ahohy. Anisan’ireo miaramila matanjaka telo niaraka tamin’i Davida izy, tamin’izy ireo nila ady tamin’ny Filistinina. Tonga teo ny Filistinina tamin’izay, mba hiady. Dia nitsoaka ny lehilahy israelita, 10  fa izy kosa tsy niala teo. Namely an’ireo Filistinina foana izy, ka tsy nijanona mihitsy raha tsy efa reraka be ny sandriny ary lasa nihenjana be ilay tanany nitazona sabatra.+ Nahatonga fandresena miezinezina* àry i Jehovah tamin’izay andro izay.+ Ary niverina ny miaramila, ka nanaraka an’i Eleazara mba haka an’izay zavatra teny amin’ireo olona novonoiny. 11  Manarakaraka azy i Sama zanak’i Age Hararita. Tonga tao Lehy, teo amin’ny saha feno lantihy naniry, ny Filistinina. Dia lasa nitsoaka ny olona satria natahotra an’ireo Filistinina ireo. 12  Fa izy kosa nijoro teo afovoan’ilay saha, ka niaro an’ilay izy ary namono an’ireo Filistinina. Nanome fandresena miezinezina*+ àry i Jehovah tamin’izay. 13  Nidina nankany amin’i Davida tany amin’ilay lava-bato tao Adolama+ ny 3 tamin’ireo 30 lahy lehiben’ny tafika, nandritra ny fotoam-pijinjana. Efa nisy andiana* Filistinina nitoby teny amin’ny Lohasahan’ny* Refaima+ tamin’izay. 14  I Davida kosa tao amin’ilay toerana niafenany.+ Ary nisy tobin’ny Filistinina tao Betlehema. 15  Nangetaheta be i Davida ka hoy izy: “Raha izao aho izao no mba afaka misotro rano avy ao amin’ilay lavaka fanangonan-drano eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema a!” 16  Dia niditra an-keriny tao amin’ny tobin’ny Filistinina ireo miaramila matanjaka telo. Nanovo rano tao amin’ilay lavaka fanangonan-drano teo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema izy ireo, ary nitondra an’ilay izy tany amin’i Davida. Tsy nety nisotro anefa izy, fa nararany ho an’i Jehovah ilay rano.+ 17  Hoy izy: “Sanatria ahy ny hanao an’izany, Jehovah ô! Izaho ve dia hisotro ny ran’ireo+ lehilahy nanao vivery ny ainy ireo?” Tsy nety nisotro an’ilay rano àry izy. Izany no nataon’ireo miaramila matanjaka telo ireo. 18  I Abisay+ rahalahin’i Joaba, zanak’i Zeroia,+ no lehiben’ny miaramila telo hafa. Nampiasa ny lefony izy, ka nahafaty 300 lahy. Ary nalaza hoatran’ireo telo lahy ihany izy.+ 19  I Abisay no niavaka indrindra tamin’izy telo sady lehiben’izy ireo. Tsy nitovy tamin’ireo telo lahy voalohany anefa izy. 20  Lehilahy be herim-po* i Benaia+ zanak’i Joiada, ary nahavita zavatra niavaka maro tao Kabzela+ izy. Nahafaty an’ireo roa lahy zanak’i Ariela avy any Moaba izy, ary nidina tao anaty lavaka fanangonan-drano tamin’ny andro nisy lanezy, dia namono liona iray.+ 21  Namono lehilahy ejipsianina iray goavam-be koa izy. Na dia nitana lefona aza ilay Ejipsianina, dia niady taminy i Benaia nefa kibay no teny aminy. Nosintoniny teny an-tanan’ilay Ejipsianina ilay lefona, ka iny ihany no namonoany azy. 22  Izany no nataon’i Benaia zanak’i Joiada, ary nalaza hoatran’ireo miaramila matanjaka telo ihany izy. 23  Niavaka kokoa izy raha oharina amin’ireo 30 lahy, saingy tsy nahavita ny vitan’ireo telo lahy. Notendren’i Davida ho lehiben’ny mpiambina azy anefa izy. 24  Anisan’ireo 30 lahy koa i Asahela+ rahalahin’i Joaba, Elanana zanak’i Dodo avy any Betlehema,+ 25  Sama Harodita, Elika Harodita, 26  Heleza+ Paltita, Ira+ zanak’i Ikesy Tekoita, 27  Abi-ezera+ Anatotita,+ Mebonay Hosatita, 28  Zalmona Ahohita, Maharay+ Netofatita, 29  Haleba zanak’i Bana Netofatita, Itahy zanak’i Ribay avy any Gibea tanànan’ny Benjaminita, 30  Benaia+ Piratonita, Hiday avy any amin’ny lohasahan’i Gasa,+ 31  Abi-albona Arbatita, Azmaveta Baromita, 32  Eliaba Salbonita, ny zanak’i Jasena, Jonatana, 33  Sama Hararita, Ahiama zanak’i Sarara Hararita, 34  Elifeleta zanak’i Ahasbay zanak’ilay Makatita, Eliama zanak’i Ahitofela+ Gilonita, 35  Hezro Karmelita, Paray Arbita, 36  Jigala zanak’i Natana avy any Zoba, Bany Gadita, 37  Zaleka Amonita, Naharay Berotita mpitondra ny fiadian’i Joaba zanak’i Zeroia, 38  Ira Jitrita, Gareba Jitrita,+ 39  ary Oria+ Hetita. Nisy 37 ny fitambaran’izy ireo.

Fanamarihana

Na: “Ilay mahafinaritra.”
Na: “famonjena lehibe.”
Na: “famonjena lehibe.”
Na: “Lemaka Ivan’ny.”
Na: “tanàna tranolay an’ny.”
Abt: “Zanakalahin’ny lehilahy iray nahery fo.”