2 Samoela 3:1-39

3  Ary naharitra ela ny ady teo amin’ny taranak’i Saoly sy ny ankohonan’i Davida.+ Nihanahery hatrany anefa i Davida,+ fa nihaosa hatrany kosa ny taranak’i Saoly.+  Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy+ i Davida tany Hebrona,+ ka ny lahimatoany dia i Amnona,+ zanany tamin’i Ahinoama+ Jezirelita.  Ny faharoa dia i Kileaba,+ zanany tamin’i Abigaila,+ ilay vadin’i Nabala Karmelita, ary ny fahatelo dia i Absaloma+ zanak’i Maka, zanakavavin’i Talmay+ mpanjakan’i Gesora.  Ny fahefatra dia i Adonia+ zanak’i Hagita,+ ary ny fahadimy dia i Sefatia+ zanak’i Abitala.  Ary ny fahenina dia i Jitreama,+ zanany tamin’i Egla vadin’i Davida. Ireo no naterak’i Davida tany Hebrona.  Raha mbola nitohy ny ady teo amin’ny taranak’i Saoly sy ny ankohonan’i Davida, dia nanamafy hatrany ny toerany teo amin’ny taranak’i Saoly i Abnera.+  Ary i Saoly nanana vadikely nantsoina hoe Rizpa,+ zanakavavin’i Aia.+ Tatỳ aoriana, dia hoy i Isboseta+ tamin’i Abnera: “Fa nahoana ianao no nanao firaisana tamin’ny vadikelin-draiko?”+  Dia tezitra be+ i Abnera noho ny tenin’i Isboseta, ka hoy izy: “Izaho angaha lohan’alikan’i+ Joda? Mbola anehoako hatsaram-panahy feno fitiavana ankehitriny ny taranak’i Saoly rainao sy ny rahalahiny ary ny namany akaiky, ary tsy navelako ho azon’ny tanan’i Davida ianao. Koa izay fahadisoana momba ny vehivavy iray ve dia hanaovanao ampamoaka ahy androany?  Hofaizin’Andriamanitra anie i Abnera,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha tsy araka izay nianianan’i Jehovah tamin’i Davida+ no hataoko aminy! 10  Dia hafindra hiala amin’ny taranak’i Saoly ny fanjakana, ka hatao mafy orina ny seza fiandrianan’i Davida eo amin’ny Israely sy Joda, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.”+ 11  Dia tsy nahavaly an’i Abnera izy na indraim-bava aza, satria natahotra azy.+ 12  Koa nandefa iraka ho any amin’i Davida avy hatrany i Abnera, hilaza hoe: “An’iza moa ny tany?” Ary nampiany hoe: “Manaova fifanekena amiko, dia homba anao hampitodika ny Israely manontolo hiandany aminao aho.”+ 13  Dia hoy i Davida: “Mety izany! Hanao fifanekena aminao aho, nefa misy zavatra iray monja angatahiko aminao: ‘Tsy mahazo mahita ny tavako+ ianao raha tsy mitondra an’i Mikala+ zanakavavin’i Saoly rehefa tonga hifanatri-tava amiko.’” 14  Nandefa iraka ho any amin’i Isboseta+ zanak’i Saoly koa i Davida, hiteny hoe: “Omeo ahy i Mikala vadiko. Efa lasa fofombadiko mantsy izy, tamin’ny nanomezako tsitsy*+ nesorina tamin’ny lehilahy filistinina zato.” 15  Koa nisy olona nirahin’i Isboseta haka an-dravehivavy tany amin’i Paltiela+ vadiny, zanakalahin’i Laisy. 16  Niaraka tamin-dravehivavy teny foana anefa io vadiny io, ka sady nitomany no nanaraka azy hatrany Bahorima.+ Dia hoy i Abnera tamin-dralehilahy: “Mandehana miverina!” Dia niverina izy. 17  Ary niresaka tamin’ny anti-panahin’ny Israely i Abnera, nanao hoe: “Omaly sy hatramin’izay+ ianareo no efa naniry an’i Davida ho mpanjakanareo. 18  Koa manaova zavatra ankehitriny, fa i Jehovah no efa nilaza tamin’i Davida hoe: ‘Ny tanan’i Davida+ mpanompoko no hamonjeko ny Israely oloko eo an-tanan’ny Filistinina sy eo an-tanan’ny fahavalony rehetra.’” 19  Niresaka tamin’ny Benjaminita*+ koa i Abnera. Avy eo dia lasa koa izy niresaka tamin’i Davida tany Hebrona, momba ny zava-drehetra sitraky ny Israely sy ny taranak’i Benjamina manontolo. 20  Rehefa tonga tany amin’i Davida tao Hebrona i Abnera sy ny roapolo lahy niaraka taminy, dia nanaovan’i Davida fety.+ 21  Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: “Aleo aho handeha hanangona ny Israely rehetra ho atỳ amin’ny mpanjaka tompoko, mba hanaovan’izy ireo fifanekena aminao. Dia ho mpanjaka eo amin’izay rehetra irinao+ ianao.” Koa nalefan’i Davida i Abnera, ka lasa soa aman-tsara.+ 22  Ary tafaverina avy nanafika ry Joaba sy ny mpanompon’i Davida, ka be dia be ny zavatra voababo+ nentin’izy ireo. Tsy teo amin’i Davida tao Hebrona intsony i Abnera tamin’izay, satria efa nalefany soa aman-tsara. 23  Ary tonga i Joaba+ sy ny tafika manontolo niaraka taminy. Dia nisy nilaza tamin’i Joaba hoe: “Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abnera+ zanak’i Nera,+ nefa nalefany soa aman-tsara.” 24  Koa nankao amin’ny mpanjaka i Joaba, ka niteny hoe: “Fa inona ity nataonao?+ Tonga teto aminao i Abnera, ka nahoana no navelanao handeha fotsiny? 25  Fantatrao tsara i Abnera zanak’i Nera. Ny hamitaka anao no nahatongavany, ary koa ny hamantatra ny ivoahanao sy idiranao+ ary ny zava-drehetra ataonao.”+ 26  Dia niala teo amin’i Davida i Joaba, ka nandefa iraka hanaraka an’i Abnera. Teo amin’ny lavaka fanangonan-dranon’i Siraha i Abnera no nilazan’izy ireo mba hiverina.+ Ary tsy fantatr’i Davida izany. 27  Rehefa tafaverina tao Hebrona+ i Abnera, dia nentin’i Joaba nihataka kely nankao am-bavahady mba hiresahany mangingina.+ Teo anefa izy no nasiany teo amin’ny kibony,+ ka maty noho ny amin’ny ran’i Asahela+ rahalahin’i Joaba. 28  Raha vao nandre izany i Davida, dia hoy izy: “Fantatr’i Jehovah fa tsy meloka ho nandatsaka ny ran’i+ Abnera zanak’i Nera izaho sy ny fanjakako, eny, tsy meloka mandritra ny fotoana tsy voafetra. 29  I Joaba sy ny ankohonan-drainy manontolo anie no ho tompon’andraikitra amin’izany!+ Ary aoka hisy foana eo amin’ny taranak’i Joaba+ ny lehilahy misy tsiranoka mivoaka amin’ny filahiany,+ na olona boka,+ na lehilahy mihazona ny hazo fangoronana kofehy,+ na olona lavon-tsabatra, na olona tsy ampy sakafo!”+ 30  Koa i Joaba sy Abisay+ rahalahiny no namono an’i Abnera,+ noho ny namonoany ho faty an’i Asahela rahalahin’izy ireo tany an’ady, tany Gibeona.+ 31  Dia hoy i Davida tamin’i Joaba sy ny olona rehetra niaraka taminy: “Rovito ny akanjonareo+ ary misikìna lamba gony,+ ka midradradradrà eo alohan’i Abnera.” Ary nandeha taorian’ilay filanjana faty i Davida Mpanjaka. 32  Dia nalevin’izy ireo tao Hebrona i Abnera. Ary nidradradradra nitomany teo amin’ny fasan’i Abnera ny mpanjaka. Nitomany koa ny olona rehetra.+ 33  Ary nanao izao hira fisaonana an’i Abnera izao ny mpanjaka: “Toy ny fahafatesan’ny olona tsy misaina+ ve no tokony ho nahafatesan’i Abnera? 34  Tsy voafatotra ny tananao,+Ary tsy natao tao anaty gadra varahina ny tongotrao.+Toy ny fahalavoan’ny olona iray eo anoloan’ny zanaky ny tsy fahamarinana,+ no nahalavoanao.” Dia nitomany+ azy indray ny olona rehetra. 35  Ary nanatona mba hanome mofo+ fampiononana ho an’i Davida ny olona rehetra, tamin’iny andro iny ihany. Nianiana anefa i Davida hoe: “Hofaizin’Andriamanitra anie aho,*+ ary mihoatra noho izany aza, raha hihinana mofo na zavatra hafa na inona na inona, alohan’ny hilentehan’ny masoandro!”+ 36  Dia hitan’ny olona rehetra izany ka nankasitrahany. Eny, nankasitrahan’ny olona rehetra izany, toy ny zava-drehetra efa nataon’ny mpanjaka.+ 37  Ary fantatry ny olona rehetra sy ny Israely rehetra tamin’iny andro iny, fa tsy avy tamin’ny mpanjaka ny namonoana ho faty an’i Abnera zanak’i Nera.+ 38  Hoy koa ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: “Tsy fantatrareo ve fa andriana sady olo-malaza no lavo androany teo amin’ny Israely?+ 39  Ary malemy aho androany na dia voahosotra+ ho mpanjaka aza. Fa amiko dia masiaka loatra+ ireo lehilahy zanak’i Zeroia+ ireo. I Jehovah anie hamaly ilay mpanao ratsy araka ny faharatsiany ihany!”+

Fanamarihana

A.b.t.: “Hataon’Andriamanitra amin’i Abnera anie izany!”
Hoditra manarona ny loham-pilahiana.
A.b.t.: “Benjamina.”
A.b.t.: “Hataon’Andriamanitra amiko anie izany!”