2 Samoela 4:1-12

4  Rehefa henon’ny zanak’i+ Saoly fa maty tany Hebrona+ i Abnera, dia niraviravy tanana+ izy, ary nivarahontsana ny Israelita rehetra.  Ary nisy roa lahy, lehiben’ireo mpandroba+ nampiasain’ny zanak’i Saoly: Bana no anaran’ny iray, ary Rekaba no anaran’ny iray. Zanak’i Rimona Berotita, avy amin’ny taranak’i Benjamina izy ireo. Natao ho isan’ny faritr’i Benjamina koa mantsy i Berota.+  Ary nandositra nankany Gitaima+ ny Berotita, ka lasa vahiny monina any mandraka androany.  Ary nanan-janakalahy malemy tongotra+ i Jonatana+ zanak’i Saoly. Dimy taona ilay zaza fony tonga avy tany Jezirela+ ny vaovao momba an’i Saoly sy Jonatana. Dia nitondra an’ilay zaza nandositra ny mpitaiza azy. Raha iny izy nikoropaka ny handositra iny indrindra anefa, dia nianjera ilay zaza ka lasa nalemy tongotra. Mefiboseta+ no anarany.  Ary nandeha nankany an-tranon’i Isboseta+ i Rekaba sy Bana zanak’i Rimona Berotita, raha iny nahamay be iny ny andro. Natory antoandro i Isboseta tamin’izay.  Nankeo afovoan-trano izy roa lahy, toy ny hoe haka varimbazaha, ka namely an’i Isboseta teo amin’ny kibony.+ Ary tsy nisy nahita an’izay nataon’i Rekaba sy Bana+ rahalahiny.  Tamin’izy ireo niditra tao an-trano mantsy, dia natory teo am-pandriana tao amin’ny efitra fatoriany i Isboseta. Ary nasian’izy ireo izy ka matiny,+ dia notapahin’izy ireo ny lohany+ ka nentiny. Ary nandeha tamin’ny lalana mankany Araba izy ireo nandritra ny alina.  Dia tonga tany amin’i Davida tao Hebrona izy ireo, niaraka tamin’ny lohan’i Isboseta,+ ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: “Intỳ ny lohan’i Isboseta, zanak’i Saoly fahavalonao+ izay nifofo ny ainao.+ Fa nampiharin’i Jehovah tamin’i Saoly sy ny taranany ny famaliana+ ho an’ny mpanjaka tompoko androany.”  Hoy anefa i Davida tamin’i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak’i Rimona Berotita: “Raha mbola velona+ koa i Jehovah izay nanavotra+ ny aiko+ ho afaka tamin’ny fahoriana rehetra,+ 10  dia tsoriko aminareo fa rehefa nisy olona nihevi-tena ho mpitondra vaovao tsara tamin’izy nilaza tamiko+ hoe: ‘Maty i Saoly’, dia tsy mba nomeko ny valisoa fanome ny iraka izy, fa nosamboriko sy novonoiko ho faty+ kosa tany Ziklaga. 11  Koa mainka raha lehilahy ratsy fanahy+ no namono olo-marina teo am-pandriana tao an-tranony? Tsy hataoko ampamoaka noho ny rany ve ianareo,+ ka hesoriko tsy ho eto an-tany?”+ 12  Ary nomen’i Davida baiko ny zatovolahy, ka novonoin’ireo ho faty izy roa lahy.+ Dia notapahiny ny tanany sy ny tongony, ary nahantony+ teo akaikin’ilay dobo tao Hebrona ny fatiny. Ary nalain’izy ireo ny lohan’i Isboseta, ka naleviny tao amin’ny fasan’i Abnera tao Hebrona.+

Fanamarihana