2 Samoela 5:1-25

5  Tatỳ aoriana, dia tonga tany amin’i Davida+ tao Hebrona+ ny foko rehetran’ny Israely, ka niteny hoe: “Indreto izahay, taolanao sy nofonao.+  Ianao no efa nitarika ny Israely tamin’ny ady,+ na omaly na talohan’izay,+ fony i Saoly mbola mpanjakantsika. Ary nilaza taminao i Jehovah hoe: ‘Ianao no hiandry+ ny Israely oloko, ary ianao koa no ho mpitarika+ ny Israely.’”  Tonga tany amin’ny mpanjaka tao Hebrona àry ny anti-panahy+ rehetran’ny Israely. Ary nanao fifanekena+ tamin’izy ireo teo anatrehan’i Jehovah tao Hebrona i Davida Mpanjaka. Avy eo dia nohosoran’izy+ ireo ho mpanjakan’ny Israely i Davida.+  Telopolo taona i Davida tamin’izy lasa mpanjaka, ary efapolo taona+ no nanjakany.  Tao Hebrona no nanjakany teo amin’ny Joda fito taona sy enim-bolana,+ ary tao Jerosalema+ kosa no nanjakany teo amin’ny Israely rehetra sy ny Joda telo amby telopolo taona.  Dia nankany Jerosalema ny mpanjaka sy ny olony mba hanafika an’ireo Jebosita+ nonina tao amin’ilay tany. Ary hoy ny Jebosita tamin’i Davida: “Tsy ho tafiditra eto ianao, fa ny jamba sy ny kilemaina no hisakana anao.”+ Nieritreritra mantsy izy ireo hoe: “Tsy ho tafiditra eto i Davida.”  Voababon’i Davida ihany anefa i Ziona,+ ilay tanàna voaro mafy, izany hoe ny Tanànan’i Davida.+  Koa hoy i Davida tamin’izay andro izay: “Izay mamely an’ireo Jebosita,+ dia aoka izy hiditra avy eo amin’ny tionelin-drano,+ ka hamely ny kilemaina sy ny jamba, izay samy halan’i Davida!” Izany no anton’ilay fitenenana hoe: “Tsy hiditra ao an-trano ny jamba sy ny kilemaina.”  Ary nanorim-ponenana tao amin’ilay tanàna voaro mafy i Davida. Dia nantsoina hoe Tanànan’i Davida izy io. Ary nanorina manda sy zavatra hafa teo amin’ilay Dongon-tany+ sy tao an-tanàna izy. 10  Koa nihanahery hatrany i Davida,+ ary nomba azy+ i Jehovah Andriamanitry ny tafika.+ 11  Ary nandefa iraka+ ho any amin’i Davida i Hirama+ mpanjakan’i Tyro, sady nandefa hazo sedera+ sy mpandrafitra ary mpanao ny vato hatao rindrina. Dia nanorina trano ho an’i Davida ireo.+ 12  Ary fantatr’i Davida fa efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ny Israely+ i Jehovah, sady nanandratra+ ny fanjakany, noho ny amin’ny Israely olony.+ 13  Nandritra izany fotoana izany, dia naka vadikely+ sy vady+ hafa koa tao Jerosalema i Davida, rehefa tonga avy tany Hebrona. Ary mbola niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa i Davida. 14  Ireto avy ny anaran’ireo naterany tany Jerosalema: Samoa,+ Sobaba,+ Natana,+ Solomona,+ 15  Jibara, Elisoa,+ Nafega,+ Jafia,+ 16  Elisama,+ Eliada ary Elifeleta.+ 17  Rehefa ren’ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan’ny Israely i Davida,+ dia niakatra hitady an’i Davida izy rehetra. Ren’i Davida izany, ka nidina tany amin’ny toerana sarotra haleha izy.+ 18  Ary tonga ny Filistinina, ka nihaodihaody teo amin’ny lemaka ivan’ny Refaima teo foana.+ 19  Dia nanontany+ an’i Jehovah i Davida hoe: “Hiakatra hamely ny Filistinina ve aho? Hatolotrao eo an-tanako ve izy ireo?” Ary hoy i Jehovah taminy: “Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.”+ 20  Koa nankany Bala-perazima+ i Davida, ka novonoiny tany izy ireo. Ary hoy izy: “I Jehovah efa nialoha ahy ka namaky ny laharan’ny fahavaloko,+ sahala amin’ny rano mamaky fefiloha.” Koa nataony hoe Bala-perazima ny anaran’io toerana io.+ 21  Ary navelan’ny Filistinina teo ny sampiny,+ ka nentin’i Davida sy ny olony.+ 22  Niakatra indray ny Filistinina tatỳ aoriana,+ ka nihaodihaody teo amin’ny lemaka ivan’ny Refaima.+ 23  Koa nanontany+ an’i Jehovah i Davida, ka novaliany hoe: “Aza miakatra, fa mandehana mihodidina mankany aorian’izy ireo, ary mameleza azy tandrifin’ireo hazo bakà.+ 24  Rehefa mandre figadongadona eny an-tendron’ireo hazo bakà ianao, dia manaova zavatra avy hatrany,+ satria ho efa nivoaka hialoha anao i Jehovah amin’izay fotoana izay mba hamely ny tobin’ny Filistinina.”+ 25  Koa izany no nataon’i Davida, araka izay nandidian’i Jehovah azy.+ Dia nasiany+ ny Filistinina hatrany Geba+ ka hatrany Gazera.+

Fanamarihana