2 Samoela 6:1-23

6  Ary novorin’i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra teo amin’ny Israely,+ dia lehilahy telo alina.  Dia nankany Bala-joda+ i Davida sy ny olona rehetra niaraka taminy, mba hampiakatra avy tany ny Vata masin’Andriamanitra.+ Eo amin’io Vata io no iantsoana ny anaran’i+ Jehovah Tompon’ny tafika,+ ilay mipetraka eo amin’ny kerobima.+  Nataon’izy ireo teo ambony sarety vaovao+ anefa ilay Vata masin’Andriamanitra, mba hitondrana azy avy tao an-tranon’i Abinadaba,+ izay teny an-kavoana. I Oza sy Ahio,+ zanakalahin’i Abinadaba, no nitondra an’ilay sarety vaovao.  Koa nentin’izy ireo avy tao amin’ilay tranon’i Abinadaba teny an-kavoana ilay Vata masin’Andriamanitra. Ary nandeha teo alohan’ilay Vata i Ahio.  Dia nanao fety teo anatrehan’i Jehovah i Davida sy ny taranak’Israely rehetra, ka nampiasa ny karazan-javamaneno rehetra vita tamin’ny hazo zenevrie, ary nampiasa harpa+ sy lokanga+ sy ampongatapaka+ sy korintsana ary kipantsona.+  Ary tonga teo amin’ny famoloana tao Nakona izy ireo. Ary nanatsotra ny tanany i Oza+ ka nihazona+ ny Vata masin’Andriamanitra, satria saika nazeran’ny omby ilay izy.  Koa nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’i Jehovah,+ ka novonoin’Andriamanitra teo izy+ satria tsy naneho fanajana. Dia maty teo akaikin’ilay Vata masin’Andriamanitra izy.+  Ary tezitra i Davida noho ny fipoahan’ny fahatezeran’i Jehovah tamin’i Oza. Dia nantsoina hoe Pereza-oza io toerana io mandraka androany.+  Koa natahotra an’i Jehovah+ i Davida tamin’iny andro iny, ka nilaza hoe: “Ahoana no hahatongavan’ny Vata masin’i Jehovah any amiko?”+ 10  Ary tsy tian’i Davida ny hamindra ny Vata masin’i Jehovah ho any aminy, any amin’ny Tanànan’i Davida.+ Koa nasainy navily nankany an-tranon’i Obeda-edoma+ Gatita+ ilay izy. 11  Ary nipetraka telo volana tao an-tranon’i Obeda-edoma Gatita ny Vata masin’i Jehovah. Dia notahin’i Jehovah foana+ i Obeda-edoma sy ny ankohonany manontolo.+ 12  Farany, dia nisy nilaza tamin’i Davida Mpanjaka hoe: “Notahin’i Jehovah ny ankohonan’i Obeda-edoma sy izay rehetra azy, noho ny amin’ny Vata masin’Andriamanitra.” Koa lasa i Davida naka ny Vata masin’Andriamanitra tao an-tranon’i Obeda-edoma, ka nampiakatra azy io tamim-pifaliana ho any amin’ny Tanànan’i Davida.+ 13  Raha vao namindra inenina ireo mpilanja+ ny Vata masin’i Jehovah, dia nanao sorona omby iray sy biby nohatavezina iray izy.+ 14  Ary nandihy nihodinkodina teo anatrehan’i Jehovah tamin’ny heriny manontolo i Davida. Nanao efoda+ rongony nisy fehikibony izy tamin’izay. 15  Dia nampiakatra ny Vata masin’i+ Jehovah i Davida sy ny taranak’Israely rehetra, sady nanao horakora-pifaliana+ narahina feon’anjombona.+ 16  Rehefa tonga tao amin’ny Tanànan’i Davida ny Vata masin’i Jehovah, dia nitazana avy teo am-baravarankely i Mikala+ zanakavavin’i Saoly. Koa nony nahita an’i Davida Mpanjaka nitsinjaka sy nandihy nihodinkodina teo anatrehan’i Jehovah izy, dia nanamavo+ azy anakampo.+ 17  Ary nampidirina ny Vata masin’i Jehovah, ka napetraka teo amin’ny toerany, tao amin’ny tranolay natsangan’i Davida ho azy io.+ Dia nanolotra sorona dorana+ sy sorona iombonana+ teo anatrehan’i Jehovah i Davida. 18  Rehefa voatolotr’i Davida ny sorona dorana sy ny sorona iombonana, dia nitso-drano+ ny vahoaka tamin’ny anaran’i Jehovah+ Tompon’ny tafika izy. 19  Ary nizarany+ mofo boribory* sy mofo antrendry ary mofo vita tamin’ny voaloboka maina ny olona rehetra, dia ny vahoakan’Israely manontolo, na lahy na vavy.+ Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra avy eo. 20  Ary nody mba hitso-drano ny ankohonany i Davida.+ Koa nivoaka hitsena azy i Mikala+ zanakavavin’i Saoly, ka niteny hoe: “Nanao izay hahabe voninahitra ny tenany kosa ny mpanjakan’ny Israely androany!+ Fa nanary lamba teo imason’ny mpanompovavin’ny mpanompony izy androany, sahala amin’ireny lehilahy tsisy saina manary lamba ireny.”+ 21  Hoy anefa i Davida taminy: “Izay nataoko, dia nataoko teo anatrehan’i Jehovah, ilay nifidy ahy fa tsy nifidy ny rainao sy ny ankohonany manontolo. Nifidy ahy izy mba hametraka ahy ho mpifehy+ sy ho mpitarika ny Israely olon’i Jehovah. Ary hanao fety eo anatrehan’i Jehovah aho.+ 22  Ary vao mainka aza hataoko tsy misy vidiny noho izany ny tenako,+ ka hataoko mietry aho eo imasoko. Ary eo imason’ireo mpanompovavy nolazainao ireo no hanomezako voninahitra ny tenako.”+ 23  Koa tsy nanan-janaka i Mikala+ zanakavavin’i Saoly, mandra-pahafatiny.

Fanamarihana

Misy lavaka eo afovoany.