Samoela Faharoa 7:1-29

  • Tsy i Davida no hanorina ny tempoly (1-7)

  • Fifanekena momba ny fanjakana natao tamin’i Davida (8-17)

  • Vavaka fisaorana nataon’i Davida (18-29)

7  Rehefa tafapetraka tsara tao amin’ny tranony*+ ny mpanjaka sady nataon’i Jehovah nilamin-tsaina satria novonjeny tamin’ny fahavalo rehetra nanodidina azy, 2  dia hoy izy tamin’i Natana+ mpaminany: “Izaho ity mipetraka ato amin’ny trano sedera,+ nefa ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra mipetraka ao anaty tranolay!”+ 3  Dia hoy i Natana taminy: “Mandehana ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa manohana anao i Jehovah.”+ 4  Ny alin’iny ihany, dia niteny tamin’i Natana i Jehovah hoe: 5  “Mandehana lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Ianao ve no tokony hanorina trano hipetrahako?+ 6  Fa tsy nipetraka tao anaty trano aho, hatramin’ny andro nitondrako ny vahoakan’Israely nivoaka avy tany Ejipta ka hatramin’izao.+ Tao anaty tranolay+ foana no nisy ahy rehefa nifindrafindra toerana.* 7  Nandritra ny fotoana nandehanako niaraka tamin’ny Israelita* rehetra, izaho ve mba efa niteny tamin’ny lehiben’ny foko teo amin’ny Israely, izay notendreko hiandry ny Israely vahoakako, hoe: ‘Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho ahy?’”’ 8  Izao tenenina amin’i Davida mpanompoko: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Naka anao avy teny amin’ny kijana teny am-piandrasana ondry+ aho mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.+ 9  Ary hanampy anao aho na aiza na aiza alehanao,+ ka haringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra.+ Dia hataoko malaza ny anaranao,+ toy ny anaran’ny olo-malaza eny ambonin’ny tany. 10  Ary hanokana toerana hametrahako ny Israely vahoakako aho. Dia hipetraka ao izy ireo, ka tsy hisy hanakorontana intsony. Tsy hampijaly azy ireo intsony koa ny olona ratsy fanahy, hoatran’ny nataon’izy ireny taloha,+ 11  tamin’ny fotoana nanendreko mpitsara+ hitondra ny Israely vahoakako. Ary hovonjeko amin’ny fahavalonao rehetra ianao ka hataoko milamin-tsaina.+ “‘“Nilaza taminao koa i Jehovah hoe hanao trano* ho anao+ i Jehovah. 12  Rehefa tapitra ny andronao+ ka hodimandry any amin’ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny zanakao lahy.* Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.+ 13  Izy no hanorina trano ho an’ny anarako,+ ary hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.+ 14  Izaho ho rainy, ary izy ho zanako.+ Rehefa manao fahadisoana izy, dia hanariko* ka hokapohiko hoatran’ny fanaon’ny zanak’olombelona.*+ 15  Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mihitsy aho, fa tsy hanao hoatran’ny nataoko tamin’i Saoly,+ izay nesoriko teo anatrehanao. 16  Haharitra mandrakizay ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandrakizay ny seza fiandriananao.”’”+ 17  Noresahin’i Natana tamin’i Davida àry izany teny rehetra izany sy ilay fahitana manontolo.+ 18  Dia nipetraka teo anatrehan’i Jehovah i Davida Mpanjaka, ka niteny hoe: “Fa mba iza moa aho, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô? Ary mba inona ny ankohonako* no nataonao lasa hoatr’izao aho?+ 19  Ary toy ny hoe tsy ampy izany efa nataonao izany, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, fa mbola nilazanao koa aho hoe haharitra hatrany aoriana lavitra any ny taranaky ny mpanomponao. Toromarika* ho an’ny olombelona rehetra izany, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! 20  Inona intsony moa no azon’i Davida mpanomponao lazaina aminao, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô? Ianao aza efa mahafantatra tsara ahy!+ 21  Fa noho ny teninao sady araka ny sitraponao* no nanaovanao an’izany zavatra miavaka rehetra izany, sy nampahafantaranao an’izany tamin’ny mpanomponao.+ 22  Izany no mahatonga anao ho tena miavaka,+ ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Fa tsy misy hoatr’anao,+ ary tsy misy Andriamanitra ankoatra anao.+ Manamarina an’izany ny zava-drehetra henonay. 23  Ary iza amin’ny firenena eto an-tany moa no hoatran’ny Israely vahoakanao?+ Navotan’Andriamanitra izy ireo mba ho lasa vahoakany,+ ka nataony nalaza ny anarany+ rehefa nanao zavatra miavaka sy mahagaga ho azy ireo+ izy. Noroahinao ireo firenena sy ny andriamanitr’izy ireny, noho ny amin’ny vahoakanao izay navotanao ho anao avy tany Ejipta. 24  Efa nataonao ho vahoakanao mandrakizay ny Israely olonao.+ Ary ianao, Jehovah ô, no lasa Andriamanitr’izy ireo.+ 25  “Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô, hanan-kery mandrakizay anie izay nampanantenainao momba ny mpanomponao sy ny taranany. Ary enga anie ianao hanao an’izay efa nampanantenainao!+ 26  Hankalazaina mandrakizay anie ny anaranao,+ mba ho afaka hilaza ny olona hoe: ‘I Jehovah Tompon’ny tafika no Andriamanitry ny Israely’! Haharitra eo anatrehanao koa anie ny taranak’i Davida+ mpanomponao! 27  Fa ianao, ry Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, no niteny tamin’ny mpanomponao hoe: ‘Hanao trano* ho anao aho.’+ Izany no mahatonga ny mpanomponao ho sahy hanao an’izao vavaka izao aminao. 28  Koa ankehitriny, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, ianao no tena Andriamanitra, ary marina ny teninao.+ Nampanantena an’izany zavatra tsara izany tamin’ny mpanomponao ianao. 29  Dia enga anie hahafinaritra anao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao, ary enga anie haharitra mandrakizay eo anatrehanao izany taranany izany!+ Fa ianao, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, no efa nampanantena. Enga anie ny taranaky ny mpanomponao hotahinao mandrakizay!”+

Fanamarihana

Na: “lapany.”
Abt: “nandehandeha.”
Na: “zanak’Israely.”
Na: “hanome tarana-mpanjaka.”
Abt: “izay haloaky ny kibonao.”
Na mety hoe “zanak’i Adama.”
Abt: “hanariko amin’ny tsorakazon’olombelona.”
Abt: “tranoko.”
Na: “Lalàna.”
Na: “araka izay sitraky ny fonao.”
Na: “Hanome tarana-mpanjaka.”