2 Samoela 8:1-18

8  Taorian’izany, dia notafihin’i Davida ny Filistinina+ ka resiny.+ Ary nalainy teo an-tanan’izy ireo i Metega-ama.  Nandresy ny Moabita koa izy.+ Dia nasainy nitsotra tamin’ny tany ireo mba horefesina amin’ny tady. Ary nandrefy indroa tamin’ny halavan’ilay tady izy, ka natokany hovonoina ho faty izay tafiditra tao anatin’izay, ary nandrefy indray mandeha izy ka navelany ho velona izay tao anatin’izay.+ Dia lasa mpanompon’i Davida+ ny Moabita ka nandoa hetra+ taminy.  Notafihin’i Davida koa i Hadadezera,+ zanak’i Rehoba mpanjakan’i Zoba,+ tamin’izy io nitady hanamafy indray ny fahefany, tany amin’ny reniranon’i Eofrata.+  Ary i Davida nahazo babo avy taminy, dia mpitaingin-tsoavaly fitonjato sy arivo, sy lehilahy roa alina nandeha an-tongotra.+ Dia notapahin’i Davida ny hoza-tongotry+ ny soavaly+ rehetra mpitarika kalesy, fa soavaly zato sisa no tsy nataony na inona na inona.  Rehefa tonga hanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ny Syrianina avy any Damaskosy,+ dia nahafatesan’i Davida roa arivo sy roa alina izy ireo.+  Nametraka toby miaramila+ tany Damaskosin’i Syria i Davida. Dia lasa mpanompony ny Syrianina, ka nandoa hetra taminy.+ Ary novonjen’i Jehovah foana i Davida, na taiza na taiza nalehany.+  Nalain’i Davida koa ny ampinga+ volamena boribory teny amin’ireo mpanompon’i Hadadezera, ka nentiny tany Jerosalema.  Ary naka varahina be dia be avy tany Beta sy Berotahy, tanànan’i Hadadezera, i Davida Mpanjaka.+  Dia henon’i Toy mpanjakan’i Hamata+ fa resin’i Davida ny tafika manontolon’i Hadadezera.+ 10  Koa nirahin’i Toy ho any amin’i Davida Mpanjaka i Jorama zanany lahy, mba hanontany ny fahasalamany+ sy hiarahaba azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera ka nandreseny azy. I Hadadezera mantsy efa niady matetika tamin’i Toy. Ary nitondra zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena ary varahina i Jorama.+ 11  Nohamasinin’i Davida Mpanjaka ho an’i Jehovah koa ireny, toy ny nanamasinany ny volafotsy sy ny volamena avy tamin’ny firenena rehetra resiny,+ 12  dia avy tamin’i Syria sy Moaba,+ sy ny taranak’i Amona sy ny Filistinina,+ ary ny Amalekita,+ ary avy tamin’ny zavatra azo babo tamin’i Hadadezera zanak’i Rehoba mpanjakan’i Zoba.+ 13  Dia nanjary nalaza ny anaran’i Davida, rehefa tafaverina avy namono nahafaty Edomita valo arivo sy iray alina teo amin’ny Lohasahan-tsira+ izy.+ 14  Ary nametrahany toby miaramila tany Edoma.+ Eny, nametrahany toby miaramila eran’i Edoma, ka lasa mpanompon’i Davida ny Edomita rehetra.+ Ary novonjen’i Jehovah foana i Davida, na taiza na taiza nalehany.+ 15  Dia nanjaka teo amin’ny Israely rehetra i Davida,+ ka namoaka didim-pitsarana sy nampihatra ny rariny+ foana teo amin’ny vahoakany manontolo.+ 16  I Joaba+ zanak’i Zeroia no lehiben’ny tafika; Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana; 17  Zadoka+ zanak’i Ahitoba sy Ahimeleka+ zanak’i Abiatara no mpisorona; Seraia no mpitan-tsoratra; 18  ary Benaia+ zanak’i Joiada no lehiben’ny Keretita+ sy ny Peletita.+ Ary ny zanakalahin’i Davida dia lasa mpisorona.*+

Fanamarihana

Na: “manamboninahitra ambony.”