Samoela Faharoa 9:1-13

  • Tia an’i Mefiboseta i Davida sady tsy nivadika taminy (1-13)

9  Ary hoy i Davida: “Mbola misy olona anisan’ny fianakavian’i Saoly ve any? Tiako haseho aminy mantsy hoe tia azy aho sady tsy mivadika aminy, noho ny amin’i Jonatana.”+ 2  Ary nanana mpanompo atao hoe Ziba+ ny fianakavian’i Saoly. Dia nantsoina ho any amin’i Davida izy. Ary nanontany azy ny mpanjaka hoe: “Ianao ve no Ziba?” Dia hoy izy: “Izaho mpanomponao no izy.” 3  Ary hoy ny mpanjaka: “Mbola misy taranak’i Saoly ve any? Tiako haseho aminy hoe tia azy aho sady tsy mivadika aminy, hoatran’ny ataon’Andriamanitra.” Dia hoy i Ziba taminy: “Mbola misy zanakalahin’i Jonatana anankiray any, ary malemy ny tongony roa.”*+ 4  Nanontany azy àry ny mpanjaka hoe: “Aiza izy?” Dia hoy i Ziba: “Any an-tranon’i Makira+ zanak’i Amiela any Lo-debara izy.” 5  Dia naniraka olona avy hatrany i Davida Mpanjaka, mba haka azy tany an-tranon’i Makira zanak’i Amiela tany Lo-debara. 6  Rehefa tonga tao amin’i Davida i Mefiboseta zanak’i Jonatana zanak’i Saoly, dia nandohalika ary niankohoka. Hoy i Davida: “Mefiboseta!” Dia hoy izy: “Intỳ ny mpanomponao.” 7  Hoy i Davida: “Aza matahotra, fa ho tia anao sy tsy hivadika+ aminao tokoa aho, noho ny amin’i Jonatana rainao. Dia haveriko aminao daholo ny tanin’i Saoly dadabenao, ary hisakafo* eo amin’ny latabatro foana ianao.”+ 8  Dia niankohoka i Mefiboseta, sady niteny hoe: “Fa inona moa ny mpanomponao izay toy ny alika maty+ no mba voamarikao?”* 9  Ary nasain’ny mpanjaka nantsoina i Ziba mpanompon’i Saoly, ka nilazany hoe: “Omeko ho an’ilay zafikelin’ny tomponao izay rehetra an’i Saoly sy an’ny ankohonany manontolo.+ 10  Dia ianao sy ny zanakao lahy ary ny mpanomponao no hamboly eo amin’ny taniny. Hanangona ny vokatra ianao, mba ho sakafon’ny fianakavian’ny zafikelin’ny tomponao. Fa i Mefiboseta zafikelin’ny tomponao kosa hisakafo eo amin’ny latabatro foana.”+ Ary nanan-janakalahy 15 sy mpanompo 20 i Ziba.+ 11  Dia hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: “Hataon’ny mpanomponao izay rehetra asain’ny mpanjaka tompoko ataony.” Nisakafo teo amin’ny latabatr’i Davida* hoatran’ny zanaky ny mpanjaka àry i Mefiboseta. 12  Nanan-janaka lahikely atao hoe Mika+ koa i Mefiboseta. Ary lasa mpanompon’i Mefiboseta izay rehetra nipetraka tao an-tranon’i Ziba. 13  Nipetraka tany Jerosalema i Mefiboseta, satria teo amin’ny latabatry ny mpanjaka+ foana izy no nisakafo.+ Ary nalemy ny tongony roa.

Fanamarihana

Na: “kilemaina izy.”
Abt: “hihinana mofo.”
Abt: “itodihanao.”
Na mety hoe “teo amin’ny latabatro.”