Tantara Faharoa 1:1-17

  • Nangataka fahendrena i Solomona (1-12)

  • Nanan-karena be i Solomona (13-17)

1  Vao mainka nihanatanjaka ny fanjakan’i Solomona zanak’i Davida. Nanampy azy i Jehovah Andriamaniny, ka lasa nisandratra faran’izay ambony izy.+ 2  Ary novorin’i Solomona ny Israely rehetra, dia ny lehiben’ny arivo, ny lehiben’ny zato, ny mpitsara, ary ny mpiadidy rehetra teo amin’ny Israely manontolo, izany hoe ny lohan’ny fianakaviambe. 3  Dia nankany amin’ilay toerana avo tany Gibeona i Solomona sy ny fiangonana manontolo,+ satria tany ilay tranolay fihaonana. An’ilay tena Andriamanitra io tranolay io, ary naorin’i Mosesy mpanompon’i Jehovah tany an-tany efitra. 4  Efa nentin’i Davida niakatra avy tany Kiriata-jearima+ ho any amin’ilay toerana nomaniny ho azy anefa ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra. Efa nanangana tranolay ho an’io Vata io mantsy izy tao Jerosalema.+ 5  Ary napetraka teo anoloan’ny tranolain’i Jehovah ny alitara varahina+ nataon’i Bezalila,+ zanak’i Ory, zanak’i Hora. Fanaon’i Solomona sy ny fiangonana ny nivavaka teo alohan’izy io.* 6  Teo i Solomona no nanao fanatitra teo anatrehan’i Jehovah. Nisy 1 000 ny fanatitra dorana natolony teo ambonin’ilay alitara varahina,+ tao amin’ilay tranolay fihaonana. 7  Tamin’iny alina iny, dia niseho tamin’i Solomona Andriamanitra ka niteny hoe: “Angataho izay tianao homeko anao.”+ 8  Dia hoy i Solomona tamin’Andriamanitra: “Nasehonao tamin’i Davida raiko hoe tena tia azy sy tsy nivadika taminy ianao.+ Dia nataonao mpanjaka nandimby azy aho.+ 9  Enga anie àry mba ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko, Jehovah Andriamanitra ô!+ Izaho mantsy efa nataonao mpanjaka, ka manjaka amin’ny olona be dia be hoatran’ny vovoka amin’ny tany.+ 10  Mba omeo fahendrena sy fahalalana+ aho mba hahaizako hitondra an’ity vahoaka ity.* Fa iza moa no mahay mitsara an’ireo vahoakanao be dia be ireo?”+ 11  Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: “Satria izany no irin’ny fonao, fa tsy nangataka harena ianao, na fananana, na voninahitra, na ny hahafatesan’ny olona mankahala anao, na ny ho ela velona,* fa nangataka fahendrena sy fahalalana kosa mba hahaizana mitsara ny vahoakako, satria nataoko mpanjakan’izy ireo ianao,+ 12  dia homena fahendrena sy fahalalana ianao. Homeko harena sy fananana ary voninahitra be koa anefa ianao, ka tsy nisy nanana hoatr’izany ny mpanjaka rehetra talohanao, ary tsy hisy hanana hoatr’izany ny mpanjaka rehetra aorianao.”+ 13  Dia niala teo anoloan’ny tranolay fihaonana tany amin’ny toerana avo, tany Gibeona,+ i Solomona ka nankany Jerosalema. Nanjaka teo amin’ny Israely izy. 14  Ary nanangona kalesy sy soavaly* foana i Solomona. Nanana kalesy 1 400 sy soavaly* 12 000 izy.+ Nataony tao amin’ny tanàna fanatobiana kalesy+ sy tany Jerosalema tany akaikin’ny mpanjaka ireo.+ 15  Nataon’ny mpanjaka be dia be toy ny vato ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema,+ ary nataony betsaka toy ny aviavidia any Sefela ny hazo sedera.+ 16  Nohafarana avy tany Ejipta ny soavalin’i Solomona,+ ka ny mpandraharahan’ny mpanjaka no nasaina nividy an’ireny soavaly ireny,* ary andiany maromaro no novidina araka izay vidiny.+ 17  Ary volafotsy 600 sekely ny vidin’ny kalesy tsirairay nohafarana avy tany Ejipta, ary 150 ny vidin’ny soavaly iray. Dia avy eo naondran’ny mpandraharahan’ny mpanjaka nankany amin’ny mpanjaka rehetran’ny Hetita sy ireo mpanjakan’i Syria ireny.

Fanamarihana

Na: “nanontany an’Andriamanitra teo.”
Abt: “mba hivoaka sy hiditra eo alohan’ity vahoaka ity.”
Abt: “na andro maro.”
Na: “mpitaingin-tsoavaly.”
Na: “mpitaingin-tsoavaly.”
Na mety hoe “avy tany Ejipta sy Koe ny soavalin’i Solomona; ny mpandraharahan’ny mpanjaka no nividy azy ireny tany Koe.” I Kilikia angamba io Koe io.