2 Tantara 10:1-19

10  Nankany Sekema+ i Rehoboama,+ satria tany no nalehan’ny Israelita rehetra mba hanao azy ho mpanjaka.  Raha vao ren’i Jeroboama+ zanak’i Nebata izany, raha mbola tany Ejipta+ izy—fa nandositra tany izy noho ny amin’i Solomona Mpanjaka—dia niverina haingana avy tany Ejipta izy.+  Dia nampiantso azy ny olona. Koa tonga i Jeroboama sy ny Israely rehetra, ka niteny tamin’i Rehoboama hoe:+  “Nampitondra zioga mavesatra anay ny rainao.+ Koa mba hamaivano ny fanompoana mafy nampanaovin-drainao sy ny zioga mavesatra+ nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay.”+  Dia hoy izy tamin’ireo: “Miverena àry atỳ amiko rehefa afaka telo andro.” Koa lasa ny olona.  Ary i Rehoboama Mpanjaka naka hevitra+ tamin’ireo zokiolona, izay mpanolo-tsaina an’i Solomona rainy fony fahavelony, ka niteny hoe: “Inona no havaly ny vahoaka, araka ny hevitrareo?”+  Koa hoy ireo zokiolona taminy: “Raha tsara fanahy amin’ny vahoaka ianao ary manao izay hahazoana ny fony, ka manao teny mahafinaritra azy,+ dia hanompo anao foana izy.”+  Tsy nanaiky ny soso-kevitr’ireo+ zokiolona anefa izy, fa naka hevitra tamin’ireo tovolahy niaraka lehibe taminy,+ izay mpanolo-tsaina azy.+  Hoy izy tamin’ireo: “Inona no soso-kevitra omenareo+ mba havalintsika ny vahoaka? Niteny tamiko mantsy ry zareo hoe: ‘Mba hamaivano ny zioga nampitondrain’ny rainao anay.’”+ 10  Koa hoy ireo tovolahy niaraka lehibe taminy: “Na dia nilaza taminao aza ny vahoaka hoe: ‘Nampitondra zioga mavesatra anay ny rainao, fa ianao kosa tokony hanamaivana izany’, dia izao lazaina aminy:+ ‘Ho lehibe noho ny andilan’ny raiko ny ankikeliko.+ 11  Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hampitombo ny zioganareo.+ Nanafay anareo tamin’ny karavasy tsotra ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin’ny karavasy misy zava-maranitra.’”+ 12  Dia nankany amin’i Rehoboama i Jeroboama sy ny olona rehetra, tamin’ny andro fahatelo, araka ny tenin’ny mpanjaka hoe: “Miverena atỳ amiko amin’ny andro fahatelo.”+ 13  Teny henjana+ anefa no navalin’i Rehoboama Mpanjaka azy ireo, fa tsy noraisiny ny soso-kevitr’ireo+ zokiolona.+ 14  Nanaraka ny soso-kevitr’ireo tovolahy izy,+ ka nilaza hoe: “Vao mainka hataoko mavesatra ny zioganareo, ary hampitomboiko. Nanafay anareo tamin’ny karavasy tsotra ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin’ny karavasy misy zava-maranitra.”+ 15  Koa tsy nohenoin’ny mpanjaka ny vahoaka. I Jehovah Andriamanitra mantsy no nahatonga izany+ mba hanatanterahany ny teny+ nolazainy tamin’i Jeroboama zanak’i Nebata,+ tamin’ny alalan’i Ahia+ Silonita.+ 16  Koa satria tsy nohenoin’ny mpanjaka ny vahoakan’Israely manontolo, dia hoy ny navalin’izy ireo: “Inona moa no mba anjaranay amin’i Davida?+ Tsy misy lovanay ange ao amin’ny zanak’i Jese e!+ Samia mankany amin’ny andriamaniny avy,+ ry Israely ô! Karakarao amin’izay ny taranakao, ry Davida ô!”+ Dia nody tany amin’ny tranolainy avy ny Israely rehetra. 17  Ny zanak’Israely izay nonina tany amin’ireo tanànan’i Joda ihany no mbola nanjakan’i Rehoboama.+ 18  Tatỳ aoriana, dia nirahin’i Rehoboama Mpanjaka i Hadorama,+ izay niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana. Nitora-bato+ azy anefa ny zanak’Israely, ka maty izy. I Rehoboama Mpanjaka kosa tafakatra tao anaty kalesiny, ka nandositra tany Jerosalema.+ 19  Ary mbola mikomy+ amin’ny taranak’i Davida ny Israelita mandraka androany.

Fanamarihana