2 Tantara 11:1-23

11  Vao tonga tany Jerosalema i Rehoboama,+ dia namory ny taranak’i Joda sy Benjamina,+ izany hoe vatan-dehilahy mpiady voafantina valo alina sy iray hetsy.+ Namory azy ireo hiady tamin’ny Israely izy, mba hahazoana indray ny fanjakana.  Dia tonga tamin’i Semaia,+ lehilahin’Andriamanitra, ny tenin’i Jehovah, nanao hoe:  “Lazao amin’i Rehoboama zanak’i Solomona mpanjakan’ny Joda,+ ary amin’ny Israely rehetra any Joda sy Benjamina hoe:  ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Aza miakatra hiady amin’ny rahalahinareo,+ fa samia mody any an-tranony avy. Fa izaho no nahatonga izao zavatra izao.”’”+ Dia nankatò ny tenin’i Jehovah izy ireo, ka nody fa tsy nanafika an’i Jeroboama.+  Koa nonina tao Jerosalema i Rehoboama, ary nanorina tanàna voaro mafy tany Joda.  Dia naoriny indray i Betlehema,+ Etama,+ Tekoa,+  Beti-zora,+ Soko,+ Adolama,+  Gata,+ Maresa,+ Zifa,+  Adoraima, Lakisy,+ Azeka,+ 10  Zora,+ Aialona+ ary Hebrona,+ izay samy tanàna voaro mafy tany Joda sy Benjamina. 11  Nohamafisiny koa ny fiarovana an’ireo toerana voaro mafy,+ ary nametrahany mpitarika+ tany, sady nasiany tahirin-tsakafo sy menaka ary divay. 12  Nasiany ampinga+ lehibe sy lefona+ koa tany amin’ireo tanàna hafa rehetra, ary nohamafisiny tsara ireny tanàna ireny. Dia nijanona ho fananany ny Joda sy Benjamina. 13  Ary niala tany amin’ny faritra rehetra nisy azy ny mpisorona sy ny Levita nanerana an’i Israely, ka niandany tamin’i Rehoboama. 14  Fa nandao ny kijanany+ sy ny fananany+ ny Levita, ka nankany Joda sy Jerosalema+ satria nesorin’i+ Jeroboama+ sy ny zanany tsy ho mpisoron’i Jehovah izy ireo. 15  Nanendry mpisorona ho eny amin’ireo toerana avo+ mantsy i Jeroboama, mba hanompo an’ireo demonia miendrika osy+ sy ireo zanak’omby nataony.+ 16  Nisy olona avy tamin’ny foko rehetran’ny Israely koa nanaraka an’ireo Levita. Nitady an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo izy ireo, ka nankany Jerosalema+ mba hanao sorona+ ho an’i Jehovah Andriamanitry ny razany. 17  Koa nanamafy orina ny fanjakan’ny Joda+ izy ireo sady nanohana an’i Rehoboama zanak’i Solomona nandritra ny telo taona. Nanao hoatran’izay nataon’i Davida sy Solomona mantsy izy ireo nandritra ireo telo taona ireo.+ 18  Ary naka vady an’i Mahalota i Rehoboama. I Mahalota dia zanakavavin’i Jerimota zanak’i Davida, sy Abihaila zanakavavin’i Eliaba,+ zanak’i Jese. 19  Nitera-dahy taminy izy, dia i Jeosy sy Semaria ary Zahama. 20  Dia nalain’i Rehoboama ho vadiny koa i Maka+ zafikelin’i Absaloma,+ ka niterahany an’i Abia+ sy Atahy sy Ziza ary Selomita. 21  Ary tian’i Rehoboama kokoa noho ny vadiny sy ny vadikeliny rehetra+ i Maka zafikelin’i Absaloma. Naka vady valo ambin’ny folo sy vadikely enimpolo mantsy izy, ka niteraka zazalahy valo amby roapolo sy zazavavy enimpolo. 22  Koa i Abia zanak’i Maka no nataon’i Rehoboama ho filoha mpitarika an’ireo rahalahiny, satria nokasainy hatao mpanjaka izy. 23  Nahira-tsaina+ anefa i Rehoboama ka naparitany nanerana ny tanin’i Joda sy Benjamina,+ tany amin’ireo tanàna voaro mafy+ rehetra, ny sasany tamin’ireo zanany lahy. Nomeny sakafo be dia be+ sy vady maro be+ koa izy ireo.

Fanamarihana