Tantara Faharoa 15:1-19

  • Ny fanovana nataon’i Asa (1-19)

15  Ary niasa tamin’i Azaria zanak’i Odeda ny fanahin’Andriamanitra. 2  Dia nandeha nitsena an’i Asa izy, ka niteny hoe: “Henoy aho, ry Asa sy Joda ary Benjamina rehetra! Manampy anareo foana i Jehovah, raha tsy mivadika aminy ianareo.+ Ary raha mitady azy ianareo, dia hataony izay hahitanareo azy.+ Fa raha mahafoy azy kosa ianareo, dia hafoiny koa.+ 3  Tsy nanompo an’ilay tena Andriamanitra ny Israely, nandritra ny fotoana ela,* sady tsy nanana mpisorona nampianatra azy, ary tsy nanana lalàna koa.+ 4  Rehefa nanana olana be anefa ry zareo, dia niverina tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely sady nitady azy. Nataon’Andriamanitra àry izay hahitan’izy ireo azy.+ 5  Nampahatahotra ny nandeha lavitra* tamin’ireny fotoana ireny, satria nisy korontana be teo amin’ny mponina rehetra tany amin’ny faritra samy hafa. 6  Nifandringana koa ny firenena samy firenena sy ny tanàna samy tanàna, satria nataon’Andriamanitra nahita olana isan-karazany ry zareo ka nikorontana be.+ 7  Ianareo kosa mahereza ary aza kivy,*+ fa hahazo valisoa ianareo amin’izay ataonareo.” 8  Vao henon’i Asa izany teny izany sy ny faminanian’i Odeda mpaminany, dia lasa be herim-po izy ka nesoriny ny sampy maharikoriko nanerana ny tanin’i Joda+ sy Benjamina. Nesoriny koa ny sampy tany amin’ireo tanàna nobaboiny tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Dia naveriny tamin’ny laoniny ilay alitaran’i Jehovah teo anoloan’ny tilikambo fidirana ao amin’ny tranon’i Jehovah.+ 9  Ary novoriny daholo ny Joda sy ny Benjamina ary ny vahiny niaraka tamin’izy ireo. Avy tamin’ny fokon’i Efraima sy Manase ary Simeona ireo vahiny ireo.+ Be dia be izy ireo no niala tamin’ny Israely ka niandany tamin’i Asa, rehefa hitany fa nanampy an’i Asa i Jehovah Andriamaniny. 10  Dia nivory tao Jerosalema izy rehetra ireo, tamin’ny volana fahatelo tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Asa. 11  Nanao sorona ho an’i Jehovah avy tamin’ny zavatra nataony babo izy ireo tamin’io andro io, dia omby 700 sy ondry 7 000. 12  Nanao fifanekena koa izy ireo fa hitady an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny amin’ny fony manontolo sy ny heriny manontolo.+ 13  Dia hovonoina ho faty izay tsy mitady an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, na kely na lehibe, na lahy na vavy.+ 14  Nianiana tamin’i Jehovah tamin’ny feo mafy àry izy ireo, sady faly sy nihorakoraka be ary nitsoka trompetra sy anjombona. 15  Dia faly daholo ny Joda noho ilay fianianana, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany an’ilay izy. Nazoto nitady an’Andriamanitra koa izy ireo, ka nataony izay hahitan’izy ireo azy.+ Ary nataon’i Jehovah milamina foana ny tanin’izy ireo, na taiza na taiza.+ 16  Nesorin’i Asa Mpanjaka tsy ho mpanjakavavy* mihitsy koa aza i Maka+ renibeny, satria nanao sampy mahatsiravina hivavahana tamin’ny tsato-kazo masina.*+ Dia nokapain’i Asa ilay sampy mahatsiravina nataon’ny renibeny, ka nopotipotehiny sy nodorany tao amin’ny Lohasahan’i Kidrona.+ 17  Tsy nesorina teo amin’ny Israely+ anefa ny toerana avo.+ Na izany aza, dia nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fony manontolo i Asa,* nandritra ny androm-piainany.+ 18  Ary nentiny tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra ny zavatra nohamasinin’izy sy ny rainy, dia volafotsy sy volamena ary fitaovana isan-karazany.+ 19  Tsy nisy ady intsony hatramin’ny taona faha-35 nanjakan’i Asa.+

Fanamarihana

Abt: “andro maro.”
Abt: “Tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka na izay niditra.”
Abt: “aza miraviravy tanana.”
Na: “andriambavy.”
Jereo F.T.
Na: “Nifikitra tanteraka tamin’Andriamanitra anefa ny fon’i Asa.”