Tantara Faharoa 16:1-14

  • Nanao fifanarahana tamin’ny Syrianina i Asa (1-6)

  • Niteny mafy an’i Asa i Hanany (7-10)

  • Maty i Asa (11-14)

16  Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asa, dia niakatra hanafika an’i Joda i Basa+ mpanjakan’ny Israely. Dia nanorina* an’i Rama+ i Basa, mba hisakanana ny olona tsy hivezivezy hankany amin’i* Asa mpanjakan’ny Joda.+ 2  Koa namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah+ sy tao an-tranon’ny* mpanjaka i Asa. Dia nandefa an’ireny tany amin’i Beni-hadada mpanjakan’i Syria,+ nipetraka tao Damaskosy, izy, ka nilaza hoe: 3  “Nanao fifanarahana* izaho sy ianao, ary ny raiko sy ny rainao. Dia nampitondra volafotsy sy volamena ho anao aho. Koa foany ny fifanarahana* nifanaovanao tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely, mba hialany eto amin’ny taniko.” 4  Dia narahin’i Beni-hadada ny tenin’i Asa Mpanjaka, ka nirahiny ireo lehiben’ny tafiny mba hanafika ny tanànan’ny Israely. Koa resiny i Iona,+ Dana,+ Abela-maima, ary ny toerana rehetra fitehirizana entana sy vokatra tao amin’ireo tanànan’i Naftaly.+ 5  Raha vao henon’i Basa izany, dia tsy nanorina* ny tanànan’i Rama intsony izy, ka najanony ny asa nataony tao. 6  Nentin’i Asa Mpanjaka avy eo ny Joda rehetra, ka nalain’izy ireo ny vato sy ny hazo nanorenan’i+ Basa an’i Rama.+ Dia ireny no nampiasain’i Asa hanorenana* an’i Geba+ sy Mizpa.+ 7  Tamin’izay, dia nankany amin’i Asa mpanjakan’ny Joda i Hanany+ mpahita, ka niteny taminy hoe: “Satria ianao niantehitra* tamin’ny mpanjakan’i Syria, fa tsy tamin’i Jehovah Andriamanitrao, dia ho afa-mandositra anao ny tafiky ny mpanjakan’i Syria ka tsy ho resinao.+ 8  Angaha moa ny Etiopianina sy ny Libyanina tsy tafika lehibe sady nanana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly be dia be? Niantehitra tamin’i Jehovah anefa ianao, ka nataony resinao ry zareo.+ 9  Fa ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany,+ satria izy te hampiasa ny heriny mba hanampiana* an’izay manompo azy amin’ny fo manontolo.*+ Hadalana mihitsy ny nataonao tamin’ity indray mandeha ity, ka hisy hiady aminao foana manomboka izao.”+ 10  Tezitra tamin’ilay mpahita anefa i Asa dia nampiditra azy tao am-ponja,* satria romotra be taminy noho ilay zavatra noteneniny. Nanomboka nampijaly olona sasany teo amin’ny vahoaka koa i Asa tamin’izay. 11  Ary efa voasoratra ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Joda sy Israely ny tantaran’i Asa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.+ 12  Nisy narary teo amin’ny tongotr’i Asa tamin’ny taona faha-39 nanjakany, ka lasa narary mafy izy. Na izany aza, dia tsy mba nitady an’i Jehovah izy, fa nitady mpanasitrana. 13  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Asa.+ Maty izy tamin’ny taona faha-41 nanjakany. 14  Koa nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida izy,+ tao amin’ilay fasana lehibe efa nolavahany, ka natao teo ambony filanjana faty nofenoina menaka balsama sy menaka manitra natao tamin’ny zava-manitra isan-karazany.+ Ary nandrehitra afo be izy ireo rehefa nandevina azy.*

Fanamarihana

Na: “tsy hivoaka na hiditra ao amin’ny faritanin’i.”
Na: “nanamafy; nanorina indray.”
Na: “an-dapan’ny.”
Na: “fifanekena.”
Na: “fifanekena.”
Na: “nanamafy; nanorina indray.”
Na: “hanamafisana; hanorenana indray.”
Abt: “niankina.”
Na: “manana fo mifikitra tanteraka aminy.”
Na: “te hanohana.”
Abt: “tao amin’ny trano nisy boloky hazo.”
Azo inoana hoe zava-manitra no nodorana fa tsy ny fatin’i Asa.