Tantara Faharoa 18:1-34

  • Nanao fifanarahana tamin’i Ahaba i Josafata (1-11)

  • Naminany i Mikaia hoe ho resy i Ahaba sy Josafata (12-27)

  • Maty tany Ramota-gileada i Ahaba (28-34)

18  Nanana harena sy voninahitra be i Josafata.+ Nanao fifanarahana tamin’i Ahaba anefa izy, ka nalainy ho vadin’ny zanany ny zanak’i Ahaba.+ 2  Rehefa afaka taona vitsivitsy, dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria izy.+ Dia namono ondry sy omby be dia be hatao sorona i Ahaba, mba ho an’i Josafata sy ny olona niaraka taminy. Ary nampirisihiny* hiaraka aminy hanafika an’i Ramota-gileada i Josafata.+ 3  Dia hoy i Ahaba mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata mpanjakan’ny Joda: “Hiaraka amiko ho any Ramota-gileada ve ianao?” Dia hoy i Josafata: “Hoatr’anao ihany aho! Ny vahoakako dia vahoakanao ihany. Hanampy anao any an’ady izahay.” 4  Hoy koa anefa i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: “Mba anontanio ihany aloha, azafady, izay lazain’i Jehovah.”+ 5  Novorin’ny mpanjakan’ny Israely àry ny mpaminany 400 lahy, dia hoy izy tamin’izy ireo: “Handeha hanafika an’i Ramota-gileada ve izahay, sa tsy handeha?” Dia hoy izy ireo: “Mandehana fa hataon’ilay tena Andriamanitra resinao ilay tanàna, ry mpanjaka!” 6  Ary hoy i Josafata: “Tsy misy mpaminanin’i Jehovah moa eto?+ Aleo koa izy asaintsika manontany.”+ 7  Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: “Mbola misy lehilahy iray+ izay any azontsika asaina manontany an’i Jehovah. I Mikaia zanak’i Jimla! Halako anefa izy satria tsy mba maminany zavatra tsara momba ahy mihitsy fa zava-dratsy foana.”+ Hoy anefa i Josafata: “Aza dia miteny hoatr’izany, ry mpanjaka ô!” 8  Niantso tandapa iray àry ny mpanjakan’ny Israely, dia niteny taminy hoe: “Asaivo mankatỳ haingana i Mikaia zanak’i Jimla.”+ 9  Samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany ny mpanjakan’ny Israely sy Josafata mpanjakan’ny Joda. Samy nanao akanjom-boninahitra izy ireo, ary nipetraka teo amin’ilay famoloana teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Samaria. Ary naminany teo anatrehan’izy roa lahy ny mpaminany rehetra. 10  Dia nanamboatra tandroka vy i Zedekia zanak’i Kenana, ka niteny hoe: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Amin’ireto no hanotoanao* ny Syrianina mandra-pandringanao azy tanteraka.’” 11  Naminany hoatr’izany koa ny mpaminany hafa rehetra, ka nilaza hoe: “Miakara any Ramota-gileada fa handresy ianao.+ Fa hataon’i Jehovah resinao ilay tanàna, ry mpanjaka!” 12  Niteny tamin’i Mikaia àry ilay olona nirahina hiantso azy, hoe: “Samy nilaza zavatra tsara tamin’ny mpanjaka daholo ny mpaminany. Koa mba zavatra tsara hoatran’ny nolazain-dry zareo+ koa resahina, azafady.”+ 13  Hoy anefa i Mikaia: “Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitro, dia izay lazainy ihany no holazaiko.”+ 14  Dia nankao amin’ny mpanjaka izy. Ary nanontany azy ny mpanjaka hoe: “Handeha hiady amin’i Ramota-gileada ve izahay, ry Mikaia, sa tsy handeha?” Tonga dia namaly i Mikaia hoe: “Mandehana fa handresy ianao. Ho resinao ireo, ry mpanjaka!” 15  Dia hoy ny mpanjaka: “Impiry izay ianao no efa nasaiko nianiana hoe izay marina ihany lazaina rehefa miresaka amiko amin’ny anaran’i Jehovah?” 16  Hoy àry i Mikaia: “Ireny fa hitako miparitaka eny an-tendrombohitra ny Israelita rehetra, hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry.+ Dia hoy i Jehovah: ‘Tsy manan-tompo ireo, ka aleo ry zareo samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.’” 17  Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: “Tsy efa niteny taminao moa aho hoe: ‘Tsy haminany zavatra tsara momba ahy izy, fa zava-dratsy ihany’?”+ 18  Ary hoy i Mikaia: “Henoy àry ny tenin’i Jehovah: Nahita an’i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany aho.+ Ary ny tafiky ny lanitra manontolo+ nitsangana teo ankavanany sy teo ankaviany.+ 19  Dia hoy i Jehovah: ‘Iza no hamitaka an’i Ahaba mpanjakan’ny Israely, mba hiakarany any Ramota-gileada dia ho faty any izy?’ Dia niteny zavatra iray ny anankiray, fa ny anankiray kosa niteny zavatra hafa. 20  Dia nanatona ny anjely* iray+ ka nitsangana teo anatrehan’i Jehovah, ary nilaza hoe: ‘Izaho no hamitaka azy.’ Nanontany azy i Jehovah hoe: ‘Ahoana no hataonao?’ 21  Dia namaly izy hoe: ‘Handeha aho ka hataoko maminany lainga daholo ny* mpaminaniny rehetra.’ Hoy àry Andriamanitra: ‘Hamitaka azy ianao, ary ho vitanao tokoa izany. Mandehana àry, dia izany atao.’ 22  Koa nasian’i Jehovah fanahy mamitaka tao am-bavan’ireo mpaminaninao ireo.+ Nilaza anefa i Jehovah fa hisy loza hanjo anao.” 23  Ary nanatona i Zedekia+ zanak’i Kenana, ka namely tehamaina+ an’i Mikaia,+ sady nanao hoe: “Fa ahoana koa no nialan’ny fanahin’i Jehovah tamiko, dia lasa ialahy indray no nitenenany?”+ 24  Dia namaly i Mikaia hoe: “Ho hitanao ny hialany amin’ny andro hiafenanao ao amin’ny efitra anatiny indrindra.” 25  Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely: “Ento i Mikaia, dia atero any amin’i Amona lehiben’ny tanàna sy Joasy zanaky ny mpanjaka. 26  Teneno ry zareo hoe: ‘Izao no nolazain’ny mpanjaka: “Ampidiro am-ponja+ ilehity, ka ahenao ny anjara mofo sy rano omena azy mandra-piveriko soa aman-tsara.”’” 27  Hoy anefa i Mikaia: “Raha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy i Jehovah no niteny tamiko.”+ Hoy koa izy: “Tadidio izany, rey olona a!” 28  Niakatra nankany Ramota-gileada àry ny mpanjakan’ny Israely sy Josafata mpanjakan’ny Joda.+ 29  Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: “Mody hanao olon-kafa aho dia hirotsaka ao amin’ny ady, fa ianao kosa anaovy ny akanjom-boninahitrao.” Mody nanao olon-kafa àry ny mpanjakan’ny Israely, ka nirotsaka tao amin’ilay ady. 30  Ny mpanjakan’i Syria anefa efa nanome baiko ny lehiben’ny miaramila mpitondra kalesy, hoe: “Aza miady amin’iza na iza, na amin’ny kely na amin’ny lehibe, fa amin’ny mpanjakan’ny Israely ihany.” 31  Vao hitan’ireo lehiben’ny miaramila mpitondra kalesy i Josafata, dia hoy izy ireo tany an-tsainy: “Io mihitsy no mpanjakan’ny Israely.” Nivily àry izy ireo mba hiady taminy. Dia niantso vonjy+ i Josafata, ka nampian’i Jehovah. Dia tonga dia nataon’Andriamanitra niala teo aminy ireo. 32  Vao hitan’ireo lehiben’ny miaramila mpitondra kalesy fa tsy ny mpanjakan’ny Israely ilay izy, dia tsy nanaraka azy intsony izy ireo. 33  Nisy lehilahy nandefalefa* zana-tsipìka amin’izao fotsiny anefa, ka voa teo amin’ny elanelan’ilay akanjo mifono vy ny mpanjakan’ny Israely. Hoy àry ny mpanjaka tamin’ny mpitondra kalesiny: “Andao hiverina, dia ento miala eto amin’ity toeram-piadiana* ity aho fa maratra be.”+ 34  Tena nafotaka ny ady tamin’iny andro iny. Ary voatery notohanana tao amin’ny kalesiny ny mpanjakan’ny Israely, mba ho afaka hitsangana hiatrika ny Syrianina mandra-paharivan’ny andro. Dia maty izy rehefa nilentika ny masoandro.+

Fanamarihana

Na: “noreseny lahatra.”
Na: “hanosehanao.”
Abt: “fanahy.”
Na: “ka ho lasa fanahy mamitaka ao am-bavan’ny.”
Na: “sendrasendra nandefa.”
Abt: “toby.”