Tantara Faharoa 19:1-11

  • Niteny mafy an’i Josafata i Jeho (1-3)

  • Ny fanovana nataon’i Josafata (4-11)

19  Ary niverina soa aman-tsara*+ ho any an-tranony* tany Jerosalema i Josafata mpanjakan’ny Joda. 2  Dia nandeha nitsena an’i Josafata Mpanjaka i Jeho+ zanak’i Hanany+ mpahita fahitana, ka niteny taminy hoe: “Ny ratsy fanahy indray ve no tokony hampianao,+ ary izay mankahala an’i Jehovah ve no tokony ho tianao?+ Tezitra aminao àry i Jehovah noho izany nataonao izany. 3  Nisy zavatra tsara nataonao ihany anefa,+ satria nesorinao teto amin’ity tany ity ny tsato-kazo masina,* ary nomaninao* hitady an’ilay tena Andriamanitra ny fonao.”+ 4  Mbola nipetraka tao Jerosalema i Josafata. Dia noteteziny indray ny vahoaka hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima,+ ka nasainy niverina tamin’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny.+ 5  Nanendry mpitsara nanerana an’ilay tany koa izy, isaky ny tanàna rehetra voaro mafy tao Joda.+ 6  Dia hoy izy tamin’ireo mpitsara: “Tandremo tsara izay ataonareo, satria tsy mitsara ho an’ny olona ianareo, fa ho an’i Jehovah. Ary manampy anareo izy rehefa mamoaka didim-pitsarana ianareo.+ 7  Koa matahora an’i Jehovah.+ Tandremo tsara izay ataonareo, fa tsy mba manao ny tsy rariny i Jehovah Andriamanitsika,+ sady tsy mba miangatra+ na mandray kolikoly.”+ 8  Tao Jerosalema koa i Josafata no nanendry ny sasany tamin’ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny Israely, mba hitsara amin’ny anaran’i Jehovah sy handamina ny adin’ny mponina tao.+ 9  Dia nomeny baiko izy ireo hoe: “Izao no tokony hataonareo, nefa koa mila matahotra an’i Jehovah sy mendri-pitokisana ianareo sady manao an’izany amin’ny fo manontolo:* 10  Isaky ny misy rahalahinareo avy any amin’ny tanànany tonga milaza hoe nisy olona nandatsa-dra,+ na tonga manontany momba ny lalàna sy didy sy fitsipika ary didim-pitsarana, dia tokony hampitandremanareo ry zareo mba tsy ho meloka eo anatrehan’i Jehovah. Sao mantsy ho tezitra aminareo sy ny rahalahinareo Izy. Izany no tokony hataonareo mba tsy ho meloka ianareo. 11  Ary i Amaria lehiben’ny mpisorona no lehibenareo, ka izy no hanampy anareo hahafantatra ny sitrapon’i Jehovah momba ny raharaha rehetra.+ I Zebadia zanak’i Ismaela kosa no mpitarika ny taranak’i Joda amin’ny raharaha rehetra momba ny mpanjaka. Ary ny Levita no hanampy anareo amin’ny andraikitrareo. Mahereza àry dia ataovy ny asa, ary hotahin’i Jehovah anie izay manao ny tsara!”*+

Fanamarihana

Abt: “tamim-piadanana.”
Na: “an-dapany.”
Jereo F.T.
Na: “tapa-kevitra.”
Na: “sady mila mifikitra aminy tanteraka ny fonareo.”
Na: “izay tsara ataonareo.”