2 Tantara 20:1-37

20  Taorian’izany, dia tonga hiady tamin’i Josafata+ ny taranak’i Moaba+ sy ny taranak’i Amona+ ary ny sasany tamin’ny Amonima.+  Ary nisy olona tonga nilaza tamin’i Josafata hoe: “Misy vahoaka be avy any amoron-dranomasina, avy any Edoma,+ tonga hanafika anao. Ary efa ao Hazazona-tamara, izany hoe En-jedy,+ izy ireo.”  Dia natahotra+ i Josafata ka tapa-kevitra ny hitady an’i Jehovah.+ Koa nanao antso avo izy hoe hisy fifadian-kanina+ manerana an’i Joda.  Ary tafavory mba hanontany an’i Jehovah+ ny mponina tao Joda. Eny, tonga avy any amin’ny tanàna rehetran’ny Joda izy ireo mba hanontany an’i Jehovah.+  Ary i Josafata dia nitsangana teo anivon’ny fiangonan’i Joda sy Jerosalema, tao an-tranon’i Jehovah+ teo anoloan’ny tokotany+ vaovao,  ka niteny hoe:+ “Ry Jehovah Andriamanitry ny razanay+ ô, tsy ianao ve no Andriamanitra any an-danitra?+ Tsy ianao ve no mifehy ny fanjakana rehetran’ireo firenena?+ Ary tsy eo am-pelatananao ve ny hery sy ny tanjaka, ka tsy misy mahatohitra anao?+  Ry Andriamanitray+ ô, tsy ianao ve no nandroaka ny mponin’ity tany ity tsy ho eo anatrehan’ny Israely olonao?+ Ary tsy efa nomenao+ mandritra ny fotoana tsy voafetra ho an’ny taranak’i Abrahama, ilay tia anao,+ ve ity tany ity?  Dia nanorim-ponenana teto ny Israely, ka nanorina toerana masina ho an’ny anaranao,+ ary niteny hoe:  ‘Raha misy loza+ na sabatra na fanamelohana na areti-mandringana+ na mosary+ manjo anay, dia hitsangana eto anoloan’ity trano ity+ sy eto anatrehanao izahay mba hiantso vonjy aminao ao anatin’ny fahorianay, fa ato amin’ity trano ity ny anaranao.+ Ary enga anie ianao hihaino ka hamonjy!’+ 10  Ankehitriny anefa, dia indreo fa tonga ny taranak’i Amona+ sy ny taranak’i Moaba+ ary ny avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira.+ Tsy navelanao hanafika azy ny Israely rehefa nivoaka avy tany Ejipta. Koa nivily lalana izy ireo fa tsy nandringana azy.+ 11  Jereo anefa ny avaliny+ anay! Indreo izy ireo fa tonga handroaka anay hiala amin’ny taninao izay nomenao ho lovanay.+ 12  Koa tsy hampihatra ny didim-pitsaranao amin’izy ireo ve ianao, ry Andriamanitray ô?+ Fa tsy manan-kery izahay eo anatrehan’io vahoaka be manafika anay io,+ ary tsy fantatray izay tokony hatao,+ ka ianao no andrandrainay.”+ 13  Nandritra izany fotoana izany, dia nijoro teo anatrehan’i Jehovah+ ny lehilahy rehetra tao Joda mbamin’ny vady aman-janany, hatramin’ny ankizy madinika.+ 14  Ary ny fanahin’i+ Jehovah dia tonga tamin’i Jahaziela zanak’i Zakaria zanak’i Benaia zanak’i Jeiela zanak’i Matania, izay Levita avy tamin’ny taranak’i Asafa.+ Eny, tonga taminy teo anivon’ny fiangonana izany, 15  ka hoy izy: “Mihainoa, ry Joda rehetra sy ry mponin’i Jerosalema, ary ianao koa ry Josafata Mpanjaka! Izao no lazain’i Jehovah aminareo: ‘Aza matahotra+ na mihorohoro noho ny amin’io vahoaka be io, satria tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra.+ 16  Midìna mba hiatrika azy ireo rahampitso. Any amin’ny fiakaran’i Ziza ny lalany, ka ho hitanareo izy ireo eo amin’ny faran’ny lohasaha falehan-driaka tandrifin’ny tany efitr’i Jeroela. 17  Tsy mila miady+ ianareo amin’ity indray mandeha ity. Samia maka ny toerany ka mijoroa tsara+ fotsiny, ary jereo ny famonjen’i+ Jehovah anareo. Aza matahotra na mihorohoro,+ ry Joda sy Jerosalema ô! Mivoaha hiatrika azy ireo rahampitso, ary homba anareo i Jehovah.’”+ 18  Dia niankohoka tamin’ny tany+ avy hatrany i Josafata. Niankohoka teo anatrehan’i Jehovah koa ny Joda rehetra sy ny mponin’i Jerosalema, ho fanajana an’i Jehovah.+ 19  Dia nitsangana ny Levita+ taranaky ny Kehatita+ sy taranaky ny Korahita+ mba hidera an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny feo faran’izay mafy.+ 20  Dia nifoha vao maraina ny olona, ka nankany an-tany efitr’i+ Tekoa.+ Rehefa handeha anefa izy ireo, dia hoy i Josafata: “Mihainoa ahy, ry Joda sy ry mponin’i Jerosalema!+ Minoa+ an’i Jehovah Andriamanitrareo mba ho ela velona ianareo. Minoa koa ny mpaminaniny+ ka mahazoa fandresena.” 21  Ary naka hevitra+ tamin’ny olona i Josafata. Koa nataony teo alohan’ny miaramila ny mpihira+ ho an’i Jehovah sy ny mpanao fiderana+ izay nanao fitafiana masina.+ Ary nandeha teo alohan’ny miaramila+ ireo sady nanao hoe: “Miderà an’i Jehovah,+ fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”+ 22  Rehefa nanomboka nihoby sy nanao fiderana izy ireo, dia nisy olona nalefan’i Jehovah hiafina mba hanafika+ ny taranak’i Amona sy ny taranak’i Moaba ary ny avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira, izay samy nankany Joda. Dia nifamely izy samy izy.+ 23  Koa niady tamin’ireo mponin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira+ ny taranak’i Amona sy ny taranak’i Moaba, ka nandringana azy tanteraka sy nandripaka azy. Ary raha vao ripany avokoa ny mponin’i Seira, dia izy samy izy indray no nifandringana.+ 24  Ny Joda kosa tonga teo amin’ilay tilikambo fiambenana tany an-tany efitra.+ Ary rehefa nitazana an’ilay vahoaka izy ireo, dia hitany fa indreo niampatrampatra tamin’ny tany ny fatiny,+ fa tsy nisy niangana na iray aza. 25  Koa nankeny amin’ireo faty i Josafata sy ny vahoakany mba handroba+ izay teny amin’ireny, ka nahita zavatra be dia be ary koa fitafiana sy zava-tsarobidy maro be. Dia nendahany daholo izay azony nalaina teny amin’ireo faty, ka nentiny daholo izay zakany.+ Telo andro izy ireo no nanao izany satria maro be ireo zavatra azo nobaboina. 26  Dia nifamory teo amin’ny lemaka ivan’i Beraka izy ireo tamin’ny andro fahefatra, satria nisaotra an’i Jehovah+ teo izy ireo. Izany no antony niantsoany+ an’ilay toerana hoe Lemaka Ivan’i Beraka, mandraka androany. 27  Dia niverina nankany Jerosalema teo ambany fitarihan’i Josafata ny mponina rehetran’i Joda sy Jerosalema. Eny, niverina tamim-pifaliana izy ireo, satria nataon’i Jehovah falifaly noho izay nanjo ny fahavalony.+ 28  Ary tamin’ny feon-dokanga+ sy harpa+ ary trompetra+ no nidiran’izy ireo tao Jerosalema, ho ao an-tranon’i Jehovah.+ 29  Dia nataon’Andriamanitra raiki-tahotra+ ny fanjakana rehetra manodidina, rehefa ren’izy ireny fa i Jehovah no niady tamin’ny fahavalon’ny Israely.+ 30  Koa tsy nisy nanelingelina ny fanjakan’i Josafata, sady nataon’Andriamaniny nandry feizay teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina.+ 31  Ary nanjaka teo amin’ny Joda i Josafata.+ Dimy amby telopolo taona izy tamin’izy nanomboka nanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba,+ zanak’i Sily. 32  Nanao hoatran’izay nataon’i Asa+ rainy foana izy, ka tsy niala tamin’izany fa nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah.+ 33  Mbola nisy ihany anefa ny toerana avo.+ Ary mbola tsy nanomana ny fony hitady an’ilay Andriamanitry ny razany+ ny vahoaka. 34  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Josafata, na ny voalohany na ny farany, dia efa voarakitra ao amin’izay nosoratan’i Jeho+ zanak’i Hanany,+ ka nampidirina tao amin’ny Boky+ Momba ny Mpanjakan’ny Israely. 35  Ary i Josafata mpanjakan’ny Joda dia niombon-draharaha tamin’i Ahazia+ mpanjaka ratsy fanahy+ teo amin’ny Israely. 36  Niombon-draharaha taminy izy tamin’ny fanaovana sambo ho any Tarsisy,+ ary nanao sambo tao Eziona-gebera+ izy ireo. 37  Naminany loza ho an’i Josafata anefa i Eliezera zanak’i Dodavaho avy any Maresa, nanao hoe: “Noho ianao niombon-draharaha tamin’i Ahazia,+ dia horavan’i Jehovah ny zava-bitanao.”+ Koa rendrika+ ireo sambo, ka tsy tody tany Tarsisy.+

Fanamarihana