2 Tantara 21:1-20

21  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Josafata,+ ka nalevina any amin’ny razany+ tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ary i Jorama+ zanany no nanjaka nandimby azy.  Ary i Jorama nanan-drahalahy hafa izay zanak’i Josafata koa, dia i Azaria, Jehiela, Zakaria, Azaria, Mikaela, ary Sefatia. Zanak’i Josafata mpanjakan’ny Israely avokoa ireo.  Koa samy nomen-drainy fanomezana+ be dia be izy ireo, dia volafotsy sy volamena sy zava-tsarobidy ary koa tanàna voaro mafy tao Joda.+ Ny fanjakana kosa nomeny an’i Jorama+ satria izy no lahimatoa.+  Rehefa nandray ny fanjakan-drainy anefa i Jorama, dia nanamafy orina ny toerany izy ka novonoiny tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra+ sy ny andriana sasany teo amin’ny Israely.  Roa amby telopolo taona i Jorama tamin’izy nanomboka nanjaka, ary valo taona no nanjakany+ tany Jerosalema.  Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely izy,+ dia tahaka ny nataon’ny ankohonan’i Ahaba, satria ny zanakavavin’i Ahaba no vadiny.+ Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy.+  Tsy tian’i Jehovah haringana anefa ny taranak’i Davida,+ noho ny fifanekena+ nataony tamin’i Davida. Efa nilaza koa izy hoe hanome jiro foana ho azy sy ny taranany.+  Tamin’ny andron’i Jorama no nikomian’i Edoma+ tsy ho eo ambany fahefan’ny Joda+ sy nananganany mpanjaka hitondra ny fireneny.+  Koa nankany Edoma i Jorama sy ireo lehibe mbamin’ny kalesy rehetra. Ary nifoha izy tamin’ny alina, ka novonoiny ho faty ny Edomita izay nanodidina azy sy nanodidina ny lehiben’ny kalesy. 10  Mbola nikomy tsy ho eo ambany fahefan’ny Joda anefa i Edoma mandraka androany. Tamin’izany andro izany koa ny tanànan’i Libna+ no nanomboka nikomy tsy ho eo ambany fahefan’i Jorama. Nahafoy an’i Jehovah Andriamanitry ny razany+ mantsy i Jorama. 11  Nanao toerana avo+ teny amin’ny tendrombohitr’i Joda koa izy, mba hitaomana ny mponin’i Jerosalema hanana fifandraisana mamoafady amin’ny andriamani-diso,+ sy mba hamitahana ny Joda.+ 12  Tatỳ aoriana dia nisy taratasy+ avy tamin’i Elia+ mpaminany tonga tany amin’i Jorama, nanao hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitr’i Davida razambenao: ‘Tsy nanao hoatran’izay nataon’i Josafata+ rainao, na hoatran’izay nataon’i Asa+ mpanjakan’ny Joda ianao, 13  fa nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely+ kosa, ka nitaona ny Joda sy ny mponin’i Jerosalema mba hanana fifandraisana mamoafady amin’ny andriamani-diso,+ toy ny nataon’ny ankohonan’i Ahaba izay nitaona ny olona hanana fifandraisana mamoafady+ toy izany. Novonoinao+ koa aza ny rahalahinao, izay anisan’ny ankohonan-drainao sady tsara noho ianao. 14  Noho izany, dia hahatonga loza+ lehibe amin’ny vahoakanao+ sy ny vady aman-janakao+ ary ny fanananao rehetra i Jehovah. 15  Ary ho voan’ny aretin-tsinay mafy+ ianao mandra-pipotsaky ny tsinainao, satria hihombo isan’andro ny aretinao.’”+ 16  Koa nentanin’i+ Jehovah hanafika an’i Jorama ny Filistinina+ sy ny Arabo+ izay tany akaikin’ny Etiopianina.+ 17  Dia niakatra tany Joda izy ireo, ka niditra an-keriny tao. Ary nobaboin’izy ireo ny fananana rehetra tao an-tranon’ny mpanjaka+ mbamin’ny vady aman-janany,+ ka tsy nisy tavela ny zanany afa-tsy i Joahaza+ faralahiny. 18  Taorian’izany rehetra izany, dia nataon’i Jehovah voan’ny aretin-tsinay tsy mety sitrana izy.+ 19  Tatỳ aoriana, rehefa afaka roa taona dia nipotsaka ny tsinainy+ tamin’izy narary, ka maty tao anatin’ny fangirifiriana mafy izy. Ary tsy mba nandoroana zava-manitra+ toy izay natao tamin’ny razany izy. 20  Roa amby telopolo taona i Jorama tamin’izy nanomboka nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema. Farany, dia maty izy nefa tsy nisy nalahelo azy.+ Dia nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida+ izy, fa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.+

Fanamarihana