2 Tantara 23:1-21

23  Ary tamin’ny taona fahafito, dia nisikina herim-po i Joiada+ ka nanao fifanekena tamin’ireo lehiben’ny zato,+ dia i Azaria zanak’i Jerohama sy Ismaela zanak’i Johanana sy Azaria zanak’i Obeda sy Mahaseia zanak’i Adaia ary Elisafata zanak’i Zikry.  Dia lasa nitety ny Joda izy ireo. Koa nangoniny ny Levita+ avy any amin’ny tanàna rehetran’ny Joda sy ny lohan’ny+ fianakaviambe+ teo amin’ny Israely, ka tonga tao Jerosalema.  Dia nanao fifanekena+ tamin’ny mpanjaka tao an-tranon’Andriamanitra+ ny fiangonana manontolo. Ary hoy i Joiada: “Hanjaka+ ny zanaky+ ny mpanjaka, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah momba ny taranak’i Davida.+  Koa izao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miditra amin’ny andro sabata,+ na mpisorona+ izy na Levita,+ dia ho mpiandry varavarana,+  ary ny ampahatelony ho eo amin’ny tranon’ny mpanjaka,+ ary ny ampahatelony ambiny ho eo amin’ny Vavahadin’ny Fototra.+ Fa ny olona rehetra kosa ho eo an-tokotanin’ny+ tranon’i Jehovah.  Ary aza avela hisy hiditra ao an-tranon’i Jehovah,+ afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita manao fanompoana ihany.+ Ireo no hiditra ao, satria masina izy ireo.+ Ny olona rehetra kosa hanao ny adidiny amin’i Jehovah.  Ary ny Levita dia hanodidina ny mpanjaka+ ka samy hitana ny fiadiany avy. Ary hovonoina ho faty izay miditra ao an-trano. Koa araho foana ny mpanjaka, na miditra na mivoaka.”  Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Joiada+ mpisorona ny Levita sy ny Joda rehetra,+ ka samy naka an’izay olom-peheziny, dia izay niditra tamin’ny andro sabata sy izay nivoaka tamin’ny andro sabata.+ Tsy nisy navelan’i Joiada mpisorona hody mantsy izy ireo na inona na inona fizarana+ nisy azy.  Dia nomen’i Joiada mpisorona an’ireo lehiben’ny zato+ ny lefon’i Davida Mpanjaka+ sy ny ampingany ary ny ampingany boribory,+ izay tao an-tranon’Andriamanitra.+ 10  Ary nalahatr’i Joiada ny olona rehetra,+ nanomboka teo amin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatreny amin’ny lafiny ankavian’ny trano, sy teo akaikin’ny alitara ary teo akaikin’ny trano. Ary nisy koa nalahany nanodidina ny mpanjaka. Samy nitana lefom-pohy izy ireo. 11  Avy eo dia navoakan’izy ireo ny zanaky ny mpanjaka,+ ka nataony teo ambony lohany ny diadema+ sy ny horonam-boky misy ny Lalàna,+ ary nataony mpanjaka izy. Koa nanosotra+ azy ho mpanjaka i Joiada sy ny zanany, sady niteny hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!”+ 12  Rehefa ren’i Atalia ny firodorodon’ny olona nihazakazaka sy ny fihobian’izy ireo ny mpanjaka,+ dia nankany amin’ny vahoaka tany an-tranon’i Jehovah avy hatrany izy. 13  Dia hitan’i Atalia ny mpanjaka nitsangana teo akaikin’ny andry,+ teo amin’ny fidirana. Teo akaikin’ny mpanjaka koa ireo andriana+ sy ny mpitsoka trompetra.+ Ary hitany koa ny vahoaka manontolo nifaly+ sy nitsoka+ trompetra, mbamin’ny mpihira+ nitendry zavamaneno sy ireo mpitarika ny fiderana. Dia norovitin’i Atalia avy hatrany ny akanjony, sady hoy izy: “Fikomiana! Fikomiana!”+ 14  Nirahin’i Joiada mpisorona anefa ireo lehiben’ny zato voatendry hitari-tafika, ka nilazany hoe: “Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy.+ Ary izay rehetra manaraka azy, dia vonoy amin’ny sabatra!” Efa nilaza mantsy ilay mpisorona hoe: “Aza vonoina ao an-tranon’i Jehovah izy.” 15  Koa nosamborin’izy ireo ravehivavy. Dia novonoiny ho faty izy, raha vao tongany teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly teo amin’ny tranon’ny mpanjaka.+ 16  Avy eo dia nanao fifanekena i Joiada sy ny vahoaka manontolo ary ny mpanjaka, ka nilaza fa ho olon’i+ Jehovah foana izy ireo. 17  Taorian’izay, dia nankany amin’ny tranon’i Bala ny vahoaka manontolo, ka narodany ilay trano.+ Dia nopotehin’izy ireo ny alitaran’i+ Bala sy ny sariny.+ Novonoin’izy+ ireo teo anoloan’ny alitara koa i Matana+ mpisoron’i Bala. 18  Ary nankinin’i Joiada tamin’ny mpisorona sy ny Levita ny andraikitra tao an-tranon’i Jehovah. Efa nozarazarain’i Davida+ hanompo tao an-tranon’i Jehovah mantsy ny mpisorona sy Levita, mba hanolotra ny fanatitra dorana ho an’i Jehovah, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy.+ Hanao izany amim-pifaliana sy amin-kira izy ireo, araka ny nandidian’i Davida. 19  Dia nasiany mpiandry vavahady+ teo am-bavahadin’ny+ tranon’i Jehovah mba tsy hisy ho tafiditra tao ny olona voaloto, na inona na inona nandoto azy. 20  Ary nentiny niaraka taminy ireo lehiben’ny zato+ sy ny olona ambony sy ny mpifehy teo amin’ny vahoaka ary ny vahoaka manontolo. Dia nentiny nidina avy tao an-tranon’i Jehovah+ ny mpanjaka. Ary nandalo tany amin’ny vavahady ambony izy ireo, dia tonga tao an-tranon’ny mpanjaka, ka nametraka azy teo amin’ny seza fiandrianam-panjakana.+ 21  Dia nifaly ny vahoaka manontolo,+ ary nandry feizay ny tanàna. Ary i Atalia efa novonoina tamin’ny sabatra.+

Fanamarihana