Tantara Faharoa 24:1-27

  • Fanjakan’i Joasy (1-3)

  • Nanavao ny tempoly i Joasy (4-14)

  • Nivadika i Joasy (15-22)

  • Nisy namono i Joasy (23-27)

24  Lasa mpanjaka i Joasy tamin’izy fito taona,+ ary nanjaka 40 taona tany Jerosalema izy. Zibia no anaran-dreniny, ary avy any Beri-sheba izy io.+ 2  Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Joasy, nandritra ny androm-piainan’i Joiada mpisorona.+ 3  Nakan’i Joiada vady roa izy, ka niteraka zazalahy sy zazavavy. 4  Tatỳ aoriana dia nirin’ny fon’i Joasy ny hanavao ny tranon’i Jehovah.+ 5  Novoriny àry ny mpisorona sy ny Levita ka nilazany hoe: “Mankanesa any amin’ireo tanànan’i Joda, dia manangòna vola avy amin’ny Israely rehetra, mba hanamboarana ny simba amin’ny tranon’Andriamanitrareo,+ isan-taona. Ary karakarao haingana izany.” Tsy rototra tamin’ilay izy anefa ny Levita.+ 6  Koa nantsoin’ny mpanjaka i Joiada lehiben’ny mpisorona, ka hoy izy taminy:+ “Nahoana no tsy nasainao nentin’ny Levita ny hetra masina avy amin’i Joda sy Jerosalema? Izany hetra izany ilay efa nasain’i Mosesy+ mpanompon’i Jehovah nomen’ny fiangonan’Israely ho an’ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+ 7  Efa norobain’ny zanakalahin’i Atalia,+ ilay vehivavy ratsy fanahy iny, mantsy ny tranon’ilay tena Andriamanitra,+ ary efa nampiasainy hivavahana tamin’i Bala ny zava-masina rehetra tao an-tranon’i Jehovah.” 8  Nanome baiko àry ny mpanjaka dia nampanamboatra vata,+ ka napetraka teo ivelan’ny vavahadin’ny tranon’i Jehovah ilay izy.+ 9  Avy eo dia nanao antso avo nanerana an’i Joda sy Jerosalema izy ireo, mba ho avy hanatitra ny hetra masina+ ho an’i Jehovah ny olona. Izany ilay hetra nasain’i Mosesy mpanompon’ilay tena Andriamanitra nomen’ny Israely, tamin’izy ireo tany an-tany efitra. 10  Ary faly ny andriana rehetra sy ny vahoaka manontolo,+ ka nitondra vola sy nandrotsaka an’izany tao amin’ilay vata. Tsy nijanona izy rehetra raha tsy efa feno ilay izy.* 11  Isaky ny hitan’ny Levita fa be dia be ny vola tao amin’ilay vata, dia nateriny tany amin’ny mpanjaka ilay izy. Ary tonga ny mpitan-tsoratry ny mpanjaka sy ny solontenan’ny lehiben’ny mpisorona, ka navoakany daholo ny vola rehetra tao.+ Dia naveriny teny amin’ny toerany indray ilay vata avy eo. Hoatr’izany foana no nataon’izy ireo isan’andro, ka nahangona vola be izy ireo. 12  Avy eo ilay vola dia nomen’ny mpanjaka sy Joiada an’ireo mpanara-maso ny asa fanompoana tao an-tranon’i Jehovah. Ireo indray avy eo no nanakarama mpipai-bato sy mpanao asa tanana mba hanavao ny tranon’i Jehovah.+ Nanakarama mpanao asa vy sy varahina koa ireo, mba hanamboatra ny simba tamin’ny tranon’i Jehovah. 13  Dia nasain’ireo mpanara-maso natomboka ilay asa. Nanara-maso an’ilay asa koa izy ireo ka nandroso tsara ilay izy. Dia nohavaozin’izy ireo ho lasa hoatran’ny taloha indray ilay tranon’ilay tena Andriamanitra, sady nataony mafy tsara. 14  Vao vitan’izy ireo ilay izy, dia nateriny tany amin’ny mpanjaka sy Joiada ny ambim-bola, ka nanamboarany an’ireto zavatra ireto: Fitaovana ho an’ny tranon’i Jehovah sy ny fanompoana, fitaovana fanaovana fanatitra, kaopy, ary fitaovana vita tamin’ny volamena sy volafotsy.+ Ary nanao fanatitra dorana+ tao an-tranon’i Jehovah foana ny olona, nandritra ny androm-piainan’i Joiada. 15  Rehefa antitra sady efa ela niainana* i Joiada, dia maty izy. Efa 130 taona izy tamin’izay. 16  Nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka+ izy, satria nanao zavatra tsara ho an’ny Israely+ sy ho an’ilay tena Andriamanitra sy ny tranony. 17  Rehefa maty i Joiada, dia tonga niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ireo andrianan’ny Joda. Dia nihaino azy ireo ny mpanjaka. 18  Ary nafoin’izy ireo ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny, ka nanompo tsato-kazo masina* sy sampy izy ireo. Dia tezitra tamin’i Joda sy Jerosalema Andriamanitra noho ny helok’izy ireo. 19  Naniraka mpaminany nankany amin’izy ireo foana i Jehovah mba hampirisika azy ireo hiverina aminy. Nampitandrina azy ireo* foana koa ny mpaminany, nefa tsy nety nihaino ireo.+ 20  Ary niasa tamin’i Zakaria zanak’i Joiada+ mpisorona ny fanahin’Andriamanitra. Dia nitsangana teo amin’ny toerana avo kokoa noho izay nisy ny vahoaka izy, ka niteny hoe: “Izao ny tenin’ilay tena Andriamanitra: ‘Nahoana ianareo no mandika ny didin’i Jehovah? Tsy hahomby ianareo amin’izany. Nahafoy an’i Jehovah ianareo, ka mba hafoiny koa.’”+ 21  Niray tetika hanohitra an’i Zakaria+ anefa izy ireo, ka nitora-bato azy teo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah,+ satria izay no baikon’ny mpanjaka. 22  Tsy mba tsaroan’i Joasy Mpanjaka fa tena tia azy sy tsy nivadika taminy i Joiada rain’i Zakaria. Dia novonoiny io zanak’i Joiada io. Ary hoy i Zakaria rehefa ho faty: “Ho hitan’i Jehovah anie izao ka hosaziny ianao!”+ 23  Ary niakatra hiady tamin’i Joasy ny tafik’i Syria tamin’ny fiandohan’ny taona,* ka notafihin’izy ireo i Joda sy Jerosalema.+ Novonoin’izy ireo daholo ny andrianan’ny+ vahoaka, ary nalefany tany amin’ny mpanjakan’i Damaskosy daholo ny zavatra nobaboiny. 24  Miaramila vitsy kely fotsiny anefa no nentin’ny tafika syrianina nanafika tany, nefa nataon’i Jehovah resin’izy ireo ny tafika lehibe tao Joda.+ Nahafoy an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny mantsy ny mponin’i Joda. Nampihatra didim-pitsarana tamin’i Joasy àry izy ireo.* 25  Dia lasa ny Syrianina, ka navelany teo i Joasy rehefa naratra be.* Ary niray tetika hamono azy ny mpanompony, noho izy nandatsaka ny ran’ireo* zanak’i Joiada+ mpisorona. Koa novonoin’izy ireo teo am-pandriana izy ka maty.+ Dia nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida izy,+ saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.+ 26  Ireto no niray tetika hamono+ an’i Joasy: Zabada zanak’i Simata vehivavy amonita, sy Jozabada zanak’i Simrita vehivavy moabita. 27  Efa voasoratra ao amin’ny Boky* Momba ny Mpanjaka daholo izay rehetra momba ny zanany, sy ny fanamelohana be dia be nolazaina taminy,+ ary ny fanavaozana* ny tranon’ilay tena Andriamanitra.+ Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Na mety hoe “raha tsy efa nanome daholo izy rehetra.”
Abt: “voky andro.”
Jereo F.T.
Na: “Nilaza azy ireo hoe meloka.”
Abt: “fidiran’ny taona.”
Izany hoe ny Syrianina.
Na: “voan’ny aretina be dia be.”
Na: “ran’ilay.” Natao hoe “ran’ireo” ilay izy, angamba mba hampisehoana fa olona mendrika ilay zanak’i Joiada.
Na: “ao amin’ny fanazavana ao amin’ny Boky.”
Abt: “fametrahana ny fototry.”