Tantara Faharoa 25:1-28

  • Amazia, mpanjakan’ny Joda (1-4)

  • Niady tamin’i Edoma (5-13)

  • Nanompo sampy i Amazia (14-16)

  • Niady tamin’i Joasy mpanjakan’ny Israely (17-24)

  • Maty i Amazia (25-28)

25  Lasa mpanjaka i Amazia tamin’izy 25 taona, ary nanjaka 29 taona tany Jerosalema izy. Joadana no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy io.+ 2  Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Amazia, saingy tsy tamin’ny fony manontolo. 3  Raha vao mafy orina ny fanjakany, dia novonoiny ho faty ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy.+ 4  Tsy novonoiny anefa ny zanak’ireo, fa narahiny izay voasoratra ao amin’ny Lalàna ao amin’ny bokin’i Mosesy. Izao mantsy ny didin’i Jehovah ao: “Tsy tokony ho faty noho ny ataon’ny zanany ny ray, ary tsy tokony ho faty noho ny ataon’ny rainy ny zanaka. Ny fahotana vitan’ny tsirairay ihany no tokony hamonoana azy.”+ 5  Dia novorin’i Amazia isaky ny fianakaviambeny ny Joda, ka ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato no nitarika azy ireo. Hoatr’izany no nataony tamin’ny Joda sy Benjamina rehetra.+ Dia nosoratany anarana izay 20 taona no ho miakatra,+ ka hitany fa miaramila 300 000 efa zatra ady* no azo alefa ao amin’ny tafika, sady mahavita mitana lefona sy ampinga lehibe. 6  Ary nisy miaramila matanjaka 100 000 avy tamin’ny Israely koa nokaramainy volafotsy 100 talenta.* 7  Nisy lehilahin’Andriamanitra anefa tonga teo aminy, ka niteny hoe: “Aza avela hiaraka aminao ny tafiky ny Israely, ry mpanjaka ô, fa i Jehovah tsy miaraka amin’ny Israely,+ sady tsy miaraka amin’ny Efraimita na iza izy na iza. 8  Fa aleo ianao ihany no mandeha, dia manaova zavatra, ary manàna herim-po rehefa hiady. Raha tsy izany, dia hataon’ilay tena Andriamanitra resin’ny fahavalo ianao, satria vitany ny manampy anao handresy,+ na mahatonga anao ho resy.” 9  Ary hoy i Amazia taminy: “Dia ahoana izany ny amin’ireny volafotsy 100 talenta efa nomeko ny miaramilan’ny Israely ireny?” Hoy ilay lehilahin’Andriamanitra: “Afaka manome anao mihoatra lavitra noho izany i Jehovah.”+ 10  Koa nalefan’i Amazia nody ireo miaramila avy tany Efraima tonga hiaraka aminy. Tezitra be tamin’ny Joda anefa izy ireo, ka romotra be rehefa nody. 11  Nisikina herim-po i Amazia avy eo, ka notarihiny ho any amin’ny Lohasahan-tsira ny miaramilany.+ Dia namono miaramila 10 000 avy any Seira izy.+ 12  Ary nisy 10 000 koa azon’ny miaramilan’i Joda sambo-belona. Koa nentiny teny an-tampon’ny harambato ireo ka navariny avy teny, dia potipotika daholo. 13  Fa ireo miaramila nalefan’i Amazia nody fa tsy nandeha niady+ niaraka taminy kosa, dia nanafika an’ireo tanànan’i Joda hatrany Samaria+ ka hatrany Beti-horona.+ Dia nahafaty olona 3 000 izy ireo tany, ary nandroba zavatra be dia be. 14  Rehefa avy namely ny Edomita anefa i Amazia ka niverina nody, dia nentiny ny andriamanitry ny miaramila avy any Seira ka nataony andriamaniny.+ Dia niankohoka teo anatrehan’ireny izy, ka nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an’ireny. 15  Tezitra be tamin’i Amazia àry i Jehovah, dia naniraka mpaminany hilaza taminy hoe: “Fa maninona ianao no manompo ny andriamanitry ny firenen-kafa, nefa ireny aza tsy nahavonjy ny vahoakany teo am-pelatananao akory?”+ 16  Mbola tsy tapitra akory ny tenin’ilay mpaminany, dia hoy ny mpanjaka: “Angaha izahay nanendry anao ho mpanolo-tsain’ny mpanjaka?+ Aoka izay,+ sao matin’ny olona eo ianao!” Dia tsy niteny intsony ilay mpaminany, fa hoy fotsiny izy: “Fantatro fa efa tapa-kevitra ny handringana anao Andriamanitra, satria nanao an’izany ianao sady tsy nihaino ny torohevitro.”+ 17  Rehefa avy nanontany ny mpanolo-tsainy i Amazia mpanjakan’ny Joda, dia nampitondra hafatra ho an’i Joasy zanak’i Joahaza, zanak’i Jeho mpanjakan’ny Israely, hoe: “Tongava, andao isika hiady!”*+ 18  Dia nampitondra an’izao hafatra izao ho an’i Amazia mpanjakan’ny Joda i Joasy mpanjakan’ny Israely: “Nampita hafatra ho an’ny hazo sedera tany Libàna ny tsilo tany Libàna hoe: ‘Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy.’ Nandalo anefa ny bibidia iray tany Libàna ka nanitsakitsaka an’ilay tsilo. 19  Nilaza ianao hoe: ‘Nandresy an’i Edoma aho.’*+ Dia lasa nirehareha ny fonao ka te hoderaina ianao. Mijanòna ihany anefa ao an-tranonao.* Maninona ianao no mitady loza, ka tianao ho resy miaraka aminao ny Joda?” 20  Tsy nanaiky anefa i Amazia.+ Ilay tena Andriamanitra mantsy no nahatonga an’izany, satria tiany ho resin’ny fahavalo izy ireo,+ fa nanompo ny andriamanitr’i Edoma.+ 21  Niakatra àry i Joasy mpanjakan’ny Israely, ka niady tany Beti-semesy+ any Joda izy sy Amazia mpanjakan’ny Joda. 22  Dia resin’ny Israely ny Joda, ka samy nandositra nankany an-tranony* avy. 23  Nosamborin’i Joasy mpanjakan’ny Israely tany Beti-semesy i Amazia mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy, zanak’i Joahaza.* Nentin’i Joasy tany Jerosalema izy avy eo. Ary nandrava 400 hakiho* tamin’ny mandan’i Jerosalema i Joasy, nanomboka teo amin’ny Vavahadin’i Efraima+ ka hatreo amin’ny Vavahady An-jorony.+ 24  Dia nalainy daholo ny volamena sy ny volafotsy ary ny fitaovana rehetra niandraiketan’i Obeda-edoma tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. Nalainy koa ny tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ny* mpanjaka.+ Naka olona hatao takalon’aina koa izy, ary avy eo niverina tany Samaria. 25  Mbola velona 15 taona i Amazia+ zanak’i Joasy mpanjakan’ny Joda, taorian’ny nahafatesan’i Joasy+ zanak’i Joahaza mpanjakan’ny Israely.+ 26  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Joda sy Israely ve ny sisa amin’ny tantaran’i Amazia, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany? 27  Nisy niray tetika+ hanohitra an’i Amazia tany Jerosalema, nanomboka tamin’izy niala tamin’i Jehovah. Nandositra tany Lakisy àry izy, nefa naniraka olona hanenjika azy tany izy ireo ka namono azy tany. 28  Nentina niverina tamin’ny soavaly àry ny fatiny ka nalevina tany amin’izay nandevenana ny razambeny, tao amin’ny tanànan’i Joda.

Fanamarihana

Abt: “voafantina.”
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.
Na: “hifanatrika.”
Abt: “ianao.”
Na: “an-dapanao.”
Abt: “amin’ny tranolainy.”
Antsoina koa hoe Ahazia.
178 m eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Na: “an-dapan’ny.”