Tantara Faharoa 26:1-23

  • Ozia, mpanjakan’ny Joda (1-5)

  • Nahery ny tafik’i Ozia (6-15)

  • Nirehareha i Ozia dia lasa boka (16-21)

  • Maty i Ozia (22, 23)

26  Dia nalain’ny vahoakan’i Joda rehetra i Ozia,+ izay 16 taona tamin’izay, ka nataony mpanjaka handimby an’i Amazia rainy.+ 2  Naoriny indray i Elota+ dia naveriny tamin’ny Joda, rehefa nodimandry any amin’ny razambeny ny mpanjaka.*+ 3  Lasa mpanjaka i Ozia+ tamin’izy 16 taona, ary nanjaka 52 taona tany Jerosalema izy. Jekolia no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy io.+ 4  Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Ozia, toy ny nataon’i Amazia rainy.+ 5  Dia nitady an’Andriamanitra foana izy tamin’ny andron’i Zakaria, ilay nampianatra azy hatahotra an’ilay tena Andriamanitra. Koa nataon’i Jehovah nandeha tsara ny fiainany nandritra ny fotoana nitadiavany an’ilay tena Andriamanitra.+ 6  Ary nivoaka hiady tamin’ny Filistinina+ izy, ka nogorobahany ny mandan’i Gata+ sy ny mandan’i Jabne+ ary ny mandan’i Asdoda.+ Dia avy eo izy nanorina tanàna tany amin’ny faritr’i Asdoda sy tany amin’ny Filistinina. 7  Nanampy azy foana ilay tena Andriamanitra tamin’izy niady tamin’ny Filistinina, sy ny Arabo+ nipetraka tao Gorabala, ary ny Meonita. 8  Nandoa hetra tamin’i Ozia koa ny Amonita.+ Nalaza hatrany Ejipta izy tatỳ aoriana, satria lasa nahery be. 9  Nanorina tilikambo+ tao Jerosalema koa i Ozia, teo akaikin’ny Vavahady An-jorony,+ sy teo akaikin’ny Vavahadin’ny Lohasaha,+ ary teo akaikin’ny Andry Manohana ny Manda, sady nataony mafy tsara ireny. 10  Nanorina tilikambo+ tany an-tany efitra koa izy. Nihady* lavaka be dia be fanangonan-drano izy, satria nanana biby fiompy maro be. Nanao hoatr’izany koa izy tany Sefela sy teny amin’ny lemaka.* Ary nanana mpamboly sy mpikarakara tanimboaloboka teny an-tendrombohitra sy tany Karmela izy, satria tia namboly. 11  Lasa nanana tafika vonona hiady koa i Ozia. Nandeha niady izy ireo ary notsinjaraina arakaraka ny fizarany. Nanisa sy nanoratra ny anaran’izy ireo+ i Jeiela mpitan-tsoratra+ sy Mahaseia mpiadidy lefitra. Ary i Hanania, izay anisan’ny andriana teo amin’ny fanjakana, no nifehy azy roa lahy ireo. 12  Nisy 2 600 ny lehilahy rehetra lohan’ny fianakaviambe niandraikitra an’ireo miaramila matanjaka ireo. 13  Miaramila 307 500 no teo ambany fifehezan’izy ireo. Tafika mahery ireo miaramila ireo sady vonona hiady sy hanohana ny mpanjaka rehefa misy fahavalo.+ 14  Ireto avy no nomen’i Ozia an’ilay tafika manontolo: Ampinga, lefona,+ fiarovan-doha, akanjo mifono vy,+ tsipìka ary vatom-pilotra.+ 15  Ankoatra izany, dia nampanamboatra milina natao fitaovam-piadiana tao Jerosalema izy, ka lehilahy mahay* no nasainy nanao an’ireny. Afaka nandefa zana-tsipìka sy vatobe ireny, ary natao teo amin’ny tilikambo+ sy teny amin’ny zoron’ny manda. Dia niely hatraiza hatraiza ny lazan’i Ozia, satria nampian’Andriamanitra izy ka lasa natanjaka. 16  Vao natanjaka anefa izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra loza ho azy izany. Koa nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny izy, dia niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah mba handoro emboka manitra teo amin’ny alitara fandoroana emboka manitra.+ 17  Tonga dia niditra nanaraka azy i Azaria mpisorona sy ny mpisoron’i Jehovah 80 lahy be herim-po. 18  Dia nanohitra an’i Ozia Mpanjaka izy ireo, ka niteny taminy hoe: “Tsy mety, ry Ozia, raha ianao no mandoro emboka manitra ho an’i Jehovah.+ Ny mpisorona ihany no tokony handoro emboka manitra, satria ry zareo no taranak’i Arona+ sady efa nohamasinina. Mivoaha ato amin’ity toerana masina ity fa nivadika tamin’Andriamanitra ianao, ary tsy hahazo voninahitra avy amin’i Jehovah Andriamanitra amin’izao ataonao izao.” 19  Tezitra be anefa i Ozia, ary mbola teny an-tanany ny fitaovana fandoroana emboka manitra. Raha iny izy mbola tezitra+ tamin’ny mpisorona iny, dia nisy habokana+ nipoitra teo amin’ny handriny, tamin’izy teo anatrehan’ny mpisorona teo akaikin’ny alitara fandoroana emboka manitra, tao an-tranon’i Jehovah. 20  Rehefa nitodika tany aminy i Azaria lehiben’ny mpisorona sy ny mpisorona rehetra, dia hitan’izy ireo hoe io fa efa boka ny handriny! Navoakan’izy ireo haingana àry izy, ary izy koa aza nivoaka haingana satria efa nofaizin’i Jehovah. 21  Dia boka mandra-pahafatiny i Ozia Mpanjaka. Nipetraka tao amin’ny trano iray mitokana àry izy satria boka.+ Tsy nahazo niditra tao an-tranon’i Jehovah intsony koa izy. Ary i Jotama zanany no niandraikitra ny tranon’ny* mpanjaka, sy nitsara ny vahoaka.+ 22  Efa nosoratan’i Isaia mpaminany+ zanak’i Amoza ny sisa amin’ny tantaran’i Ozia, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. 23  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Ozia, ka nalevina tao amin’izay nandevenana azy ireo, saingy teo amin’ny saha teo ivelany. Nilaza mantsy ny olona hoe: “Boka izy.” Ary i Jotama+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Izany hoe Amazia rainy.
Na: “lembalemba.”
Na: “Nandavaka”, azo inoana hoe tao amin’ny vatolampy.
Na: “ka injeniera.”
Na: “lapan’ny.”