Tantara Faharoa 27:1-9

  • Jotama, mpanjakan’ny Joda (1-9)

27  Lasa mpanjaka i Jotama+ tamin’izy 25 taona, ary nanjaka 16 taona tany Jerosalema izy. Jerosa no anaran-dreniny, ary zanak’i Zadoka+ izy io. 2  Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Jotama, toy ny nataon’i Ozia rainy,+ fa izy fotsiny tsy nitsofotsofoka tao amin’ny tempolin’i Jehovah.+ Mbola nanao ratsy ihany anefa ny vahoaka. 3  Ary nanorina ny vavahady ambony tamin’ny tranon’i Jehovah+ i Jotama. Nanao fanorenana be dia be teo amin’ny mandan’i Ofela+ koa izy. 4  Nanorina tanàna+ tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda+ koa izy, ary nanorina toerana voaro mafy+ sy tilikambo+ tany anaty ala. 5  Ary niady tamin’ny mpanjakan’ny Amonita+ izy, ka resiny ihany ireny tamin’ny farany. Ireto àry no nomen’ny Amonita azy tamin’iny taona iny: Volafotsy 100 talenta,* sy varimbazaha 10 000 kora,* ary vary orza 10 000 kora. Hoatr’izany koa no naloan’izy ireo taminy, tamin’ny taona faharoa sy fahatelo.+ 6  Koa nihanahery foana i Jotama, satria tapa-kevitra* ny handeha tamin’ny lalana natoron’i Jehovah Andriamaniny. 7  Efa voasoratra ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely sy Joda ny sisa amin’ny tantaran’i Jotama sy ny ady rehetra nataony ary ny zava-bitany rehetra.+ 8  Lasa mpanjaka izy tamin’izy 25 taona, ary nanjaka 16 taona tany Jerosalema izy.+ 9  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Jotama, ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ Ary i Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.+

Fanamarihana

1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.
1 kora = 220 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “vonona.”