Tantara Faharoa 28:1-27

  • Ahaza, mpanjakan’ny Joda (1-4)

  • Resin’ny Syrianina sy ny Israely (5-8)

  • Nampitandrina ny Israely i Odeda (9-15)

  • Nietry ny Joda (16-19)

  • Nanompo sampy i Ahaza; maty izy (20-27)

28  Lasa mpanjaka i Ahaza+ tamin’izy 20 taona, ary nanjaka 16 taona tany Jerosalema izy. Tsy nanao izay tsara teo imason’i Jehovah izy, tsy mba hoatran’i Davida razambeny.+ 2  Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely+ kosa izy, ka nanao sarivongana metaly*+ mihitsy aza, dia ny sarin’ireo Bala. 3  Nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teo amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma* koa izy, dia nandoro ny zanany lahy tao anaty afo.+ Nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ny firenena+ efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny Israelita izy. 4  Nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka foana koa izy, teny amin’ny toerana avo+ sy ny havoana ary teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra.+ 5  Koa natolotr’i Jehovah Andriamaniny teo an-tanan’ny mpanjakan’i Syria+ izy. Dia naharesy azy ny Syrianina, ka naka babo be dia be ary nitondra an’ireny tany Damaskosy.+ Nataon’Andriamanitra resin’ny mpanjakan’ny Israely koa izy, ka be dia be tamin’ny vahoakany no matin’io mpanjaka io. 6  Nahafaty lehilahy 120 000 tany Joda mantsy i Peka+ zanak’i Remalia tao anatin’ny iray andro, satria nahafoy an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny izy ireo.+ Lehilahy mahery fo daholo ireo maty ireo. 7  Novonoin’i Zikry miaramila efraimita koa i Mahaseia zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama mpiandraikitra ny lapan’ny* mpanjaka, ary Elkana izay nanarakaraka ny mpanjaka. 8  Ary zaza amam-behivavy 200 000 no nalain’ny Israelita ho babo avy tamin’ny rahalahiny. Nandroba zavatra be dia be koa izy ireo, dia nentiny tany Samaria+ ireny. 9  Nisy mpaminanin’i Jehovah atao hoe Odeda anefa nitsena an’ilay tafika tonga tao Samaria, ka niteny hoe: “Tezitra tamin’ny Joda i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ka nataony resinareo ry zareo.+ Tezitra loatra anefa ianareo dia novonoinareo ry zareo, ka tonga hatrany am-poto-tsofin’Andriamanitra mihitsy izany nataonareo izany. 10  Izao indray dia tadiavinareo hatao mpanompolahy sy mpanompovavy+ ny taranak’i Joda sy Jerosalema. Fa ianareo koa angaha moa tsy mba meloka eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo? 11  Henoy àry aho. Avereno ireo babo nalainareo avy tamin’ny rahalahinareo ireo, fa tena tezitra be aminareo i Jehovah.” 12  Koa nanohitra an’ireo olona avy nanafika ireo i Azaria zanak’i Johanana sy Berekia zanak’i Mesilemota sy Jehizkia zanak’i Saloma ary Amasa zanak’i Hadlay, izay anisan’ny lehiben’ny Efraimita, 13  ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Aza entina atỳ ireo babo ireo, sao dia ho meloka eo anatrehan’i Jehovah isika. Angaha tadiavinareo hampiana indray ny fahotantsika sy ny helotsika? Efa be izay heloka vitantsika izay, sady tezitra be amin’ny Israely Andriamanitra.” 14  Koa natolotry ny miaramila an’ireo andriana sy ny fiangonana manontolo ny olona babo sy ny zavatra norobainy.+ 15  Avy eo dia naka an’ireo babo ireo ny olona voatonona anarana. Dia nomeny akanjo tamin’ny zavatra azo babo izay rehetra tsy niakanjo. Nomeny akanjo sy kapa izy ireo, sady nomeny sakafo sy rano hosotroina ary menaka hahosony amin’ny hoditra. Dia nampitaingeniny ampondra izay kely aina, ka nateriny tany amin’ny rahalahiny tany Jeriko, tanàna be hazo palmie. Niverina tany Samaria izy ireo taorian’izay. 16  Tamin’izay fotoana izay, dia nila vonjy tamin’ireo mpanjakan’i Asyria i Ahaza Mpanjaka.+ 17  Tonga indray mantsy ny Edomita ka nanafika ny Joda ary naka babo. 18  Nanafika an’ireo tanànan’i Sefela+ sy Negeba tany Joda koa ny Filistinina,+ ka azon’izy ireo i Beti-semesy,+ Aialona,+ Gederota, Soko sy ireo tanàna niankina taminy,* Timna+ sy ireo tanàna niankina taminy, ary Gimzo sy ireo tanàna niankina taminy. Dia nipetraka tao amin’ireo tanàna ireo ny Filistinina. 19  Fa nataon’i Jehovah nietry ny Joda noho ny nataon’i Ahaza mpanjakan’ny Israely. Navelan’i Ahaza hanaram-po hanao ratsy mantsy ny Joda, ka tena nivadika tamin’i Jehovah. 20  Tamin’ny farany, dia nanafika azy i Tilgato-pilnesera+ mpanjakan’i Asyria, ka nampijaly azy+ fa tsy nanampy azy akory. 21  Efa nalain’i Ahaza anefa ny zava-drehetra tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka+ sy ny andriana, ka nataony fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asyria, saingy tsy nahavonjy azy izany. 22  Na dia efa nijaly aza i Ahaza Mpanjaka, dia vao mainka nivadika tamin’i Jehovah ihany. 23  Dia nanao sorona ho an’ireo andriamanitr’i Damaskosy+ naharesy azy izy,+ ka niteny hoe: “Manampy an’ireo mpanjakan’i Syria ny andriamaniny, ka mba hanao sorona ho an’ireny koa aho, amin’izay mba hampiany.”+ Lasa nitondra loza ho azy sy ny Israely rehetra anefa ireny. 24  Nangonin’i Ahaza koa ny fitaovana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra dia nopotipotehiny,+ ary nohidiany ny varavaran’ny tranon’i Jehovah.+ Nanamboatra alitara ho an’ny andriamani-kafa koa izy, ka nataony teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema ireny. 25  Ary nasiany toerana avo tany amin’ny tanànan’i Joda rehetra, mba handoroana fanatitra hidona-tsetroka ho an’andriamani-kafa.+ Koa nampahatezitra an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny izy. 26  Efa voasoratra ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Joda sy Israely ny sisa amin’ny tantaran’i Ahaza sy izay rehetra nataony, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.+ 27  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Ahaza, ka nalevina tao amin’ny tanànan’i Jerosalema, fa tsy nampidirina tao amin’ny fasan’ireo mpanjakan’ny Israely.+ Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Abt: “tranon’ny.”
Na: “nanodidina azy.”
Na: “an-dapan’ny.”