2 Tantara 3:1-17

3  Ary i Solomona nanomboka nanorina ny tranon’i Jehovah+ tany Jerosalema, teo amin’ny Tendrombohitra Moria,+ izay nisehoan’i Jehovah tamin’i Davida rainy,+ dia teo amin’ilay toerana efa nomanin’i Davida teo amin’ny famoloan’i Ornana Jebosita.+  Nanomboka nanorina izy tamin’ny andro faharoan’ny volana faharoa, tamin’ny taona fahefatra nanjakany.+  Ary toy izao no refin’ny fototra nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Enimpolo hakiho ny lavany ary roapolo hakiho ny sakany, araka ny hakiho fandrefesana taloha.+  Nifampitohy tamin’ny lavan’ilay trano ny tilikambo fidirana,+ ka roapolo hakiho ny lavany sady niraikitra tamin’ny sakan’ilay trano, ary roapolo amby zato hakiho ny haavony. Ary nopetahan’i Solomona takela-bolamena tsy misy fangarony ny tao anatiny.  Dia norakofany hazo zenevrie ny efitra lehibe,+ ary avy eo nopetahany takela-bolamena tsara,+ ka nasiany sarina hazo palmie+ sy rojo.+  Noravahany vatosoa+ koa ilay trano. Ary ny volamena+ dia avy any amin’ny tanin’ny volamena.  Dia nopetahany volamena+ ny trano, sy ny hazo mitondra ny tafo, sy ny tokonana, sy ny rindrina, ary ny varavarana. Ary nasiany sarina kerobima voasokitra teny amin’ny rindrina.+  Dia nataony ny Masina Indrindra,+ ka roapolo hakiho mitovy amin’ny sakan’ilay trano ny lavany, ary roapolo hakiho koa ny sakany.+ Ary nopetahany takela-bolamena tsara milanja talenta eninjato, ilay efitra.  Ary sekely volamena dimampolo no lanjan’ireo fantsika.+ Nopetahany takela-bolamena koa ny efitra tany an-tampon-trano. 10  Ary nasiany kerobima+ roa natao sarivongana tao amin’ny Masina Indrindra, ka nopetahany takela-bolamena+ ireo. 11  Ary roapolo hakiho ny halavan’ny elatr’ireo kerobima,+ ka dimy hakiho ny elatra iray nipaka tamin’ny rindrin’ilay efitra, ary dimy hakiho ny elatra ilany nipaka tamin’ny elatry ny kerobima iray.+ 12  Ary ny an’ilay kerobima iray, dia dimy hakiho koa ny elany nipaka tamin’ny rindrin’ilay efitra, ary dimy hakiho koa ny elany ilany, nikasika tamin’ny elatr’ilay kerobima iray.+ 13  Roapolo hakiho àry ny fivelatry ny elatr’ireo kerobima. Ary nijoro tamin’ny tongony izy ireo, nanatrika an’ilay efitra lehibe. 14  Nataony koa ny ridao,+ ka kofehy manga+ sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena, sy kofehy mena antitra, ary lamba tena tsara no nanaovany azy. Ary sarina kerobima no natao sorany.+ 15  Avy eo izy dia nanao andry+ roa teo anoloan’ilay trano, ka dimy amby telopolo hakiho ny halavany, ary dimy hakiho ny loha andry+ tsirairay. 16  Nanao rojo+ koa izy, ka napetany teny amin’ny tampon’ireo andry izany. Ary nanao ampongabendanitra+ zato izy, ka nataony teny amin’ireo rojo ireny. 17  Ary natsangany teo anoloan’ny tempoly ireo andry, ka ny iray teo ankavanana ary ny iray teo ankavia. Dia nataony hoe Jakina ny anaran’ilay teo ankavanana, ary Boaza ilay teo ankavia.+

Fanamarihana