Tantara Faharoa 30:1-27

  • Nankalaza ny Paska i Hezekia (1-27)

30  Naniraka olona nankany amin’ny Israely rehetra+ sy ny Joda i Hezekia, sady nanoratra taratasy ho an’ny fokon’i Efraima sy Manase mihitsy aza,+ mba hanasa azy ireo ho ao an-tranon’i Jehovah any Jerosalema. Te hanasa azy ireo hankalaza ny Paska ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely mantsy izy.+ 2  Nanapa-kevitra anefa ny mpanjaka sy ny andrianany ary ny fiangonana manontolo tao Jerosalema fa amin’ny volana faharoa no hankalazana ny Paska.+ 3  Tsy afaka nankalaza an’ilay izy tamin’ny fotoana mahazatra mantsy izy ireo,+ satria tsy ampy ny mpisorona nanamasina ny tenany,+ sady mbola tsy tafavory tany Jerosalema ny vahoaka. 4  Ary hitan’ny mpanjaka sy ny fiangonana manontolo hoe tsara izay hevitra izay. 5  Dia nanapa-kevitra izy ireo fa hampandrenesina ny vahoaka eran’i Israely, hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana,+ hoe tokony hankany Jerosalema izy ireo mba hankalaza ny Paska ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Tsy mba niaraka nankalaza an’ilay izy araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàna mantsy izy ireo talohan’izay.+ 6  Araka ny didin’ny mpanjaka àry, dia lasa nitety ny Israely sy ny Joda ireo mpitondra hafatra.* Nitondra taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny andrianany izy ireo, ary niteny hoe: “Ry vahoakan’Israely, miverena amin’i Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely, dia amin’izay Izy hiverina amin’ireo sisa afaka nandositra ny mpanjakan’i Asyria.+ 7  Aza manahaka ny razambenareo sy ny rahalahinareo. Nivadika tamin’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny mantsy izy ireo, ka nataon’Andriamanitra nihorohoro ny olona nahita an’izay nanjo azy ireo, toy izao hitanareo izao.+ 8  Dia aza mafy loha hoatran’ny razambenareo.+ Ekeo kosa i Jehovah dia mankanesa any amin’ny toerany masina,+ izay efa nohamasininy mba ho masina mandrakizay. Ary manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, mba tsy ho tezitra be aminareo intsony izy.+ 9  Raha miverina amin’i Jehovah mantsy ianareo, dia hamindra fo amin’ny rahalahinareo sy ny zanakareo ny olona naka azy ho babo,+ ka havelany hiverina eto amin’ity tany ity ry zareo.+ Fa mangoraka* sy mamindra fo i Jehovah Andriamanitrareo,+ ka tsy ho izy indray no handa anareo, raha miverina aminy ianareo.”+ 10  Dia lasa nitety ny tanàna nanerana ny tanin’i Efraima sy Manase+ hatrany Zebolona ireo mpitondra hafatra.* Nihomehezan’ny olona sy nesoesoiny anefa izy ireo.+ 11  Na izany aza, dia nisy mba nanetry tena ihany tamin’ny fokon’i Asera sy Manase ary Zebolona, ka tonga tany Jerosalema.+ 12  Nanampy ny Joda koa ny tanan’ilay tena Andriamanitra, mba hahatonga azy ireo hiray hina* hanatanteraka ny baikon’ny mpanjaka sy ny andriana, araka ny tenin’i Jehovah. 13  Be dia be ny olona nivory tany Jerosalema tamin’ny volana faharoa,+ mba hankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay.+ Fiangonana lehibe mihitsy izy ireo. 14  Dia nesoriny ny alitara tany Jerosalema.+ Nesoriny koa ny alitara rehetra fandoroana emboka manitra,+ ka nariany tany amin’ny Lohasahan’i Kidrona. 15  Novonoin’izy ireo avy eo ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, tamin’ny andro faha-14 amin’ny volana faharoa. Ary menatra ny mpisorona sy ny Levita, ka nanamasina ny tenany, dia nitondra fanatitra dorana tao an-tranon’i Jehovah. 16  Dia nankeo amin’ny toerana tokony hisy azy izy ireo, araka ny Lalàn’i Mosesy lehilahin’Andriamanitra. Ary nafafin’ny mpisorona ny ra+ noraisiny avy teny an-tanan’ny Levita. 17  Betsaka tamin’ny olona anisan’ny fiangonana anefa no tsy mba nanamasina ny tenany. Ny Levita àry no namono ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an’izay rehetra tsy nadio,+ mba hanamasinana azy ireo ho an’i Jehovah. 18  Be dia be mantsy ny olona tsy nanadio ny tenany, indrindra ny avy tamin’ny fokon’i Efraima sy Manase+ sy Isakara ary Zebolona. Mbola nihinana ny Paska ihany izy ireo, na dia nifanohitra tamin’izay voasoratra aza izany. Nivavaka ho azy ireo anefa i Hezekia hoe: “Ry Jehovah tsara toetra ô!+ Enga anie ianao hamindra fo 19  amin’izay rehetra nanomana ny fony hitady an’ilay tena Andriamanitra,+ dia i Jehovah Andriamanitry ny razambeny, na dia tsy madio araka izay takina amin’ny fankalazana masina aza izy ireo!”+ 20  Dia nihaino an’i Hezekia i Jehovah, ka namela ny fahadisoan’ny* vahoaka. 21  Dia nankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay+ nandritra ny fito andro ny Israelita tany Jerosalema. Faly be izy ireo nanao an’izany.+ Ary nidera an’i Jehovah isan’andro ny Levita sy ny mpisorona, ka nataony nanakoako be ny feon’ny zavamaneno nampiasainy hiderana an’i Jehovah.+ 22  Dia nampaherezin’i Hezekia izay* Levita rehetra nanompo an’i Jehovah tamim-pahendrena. Dia nisakafo tao amin’ilay fety izy ireo nandritra ny fito andro,+ sady nanao sorona iombonana+ ary nisaotra an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. 23  Ary nanapa-kevitra ny fiangonana manontolo fa hankalaza an’ilay fety mandritra ny fito andro fanampiny. Koa nankalaza an’ilay izy nandritra ny fito andro fanampiny izy ireo sady falifaly.+ 24  Dia nanome ombilahy 1 000 sy ondry 7 000 ho an’ny fiangonana i Hezekia mpanjakan’ny Joda. Ny andriana kosa nanome ombilahy 1 000 sy ondry 10 000.+ Ary be dia be ny mpisorona nanamasina ny tenany.+ 25  Dia nifaly foana ny fiangonan’ny Joda manontolo, ny mpisorona, ny Levita, ny fiangonana manontolo avy tany amin’ny Israely,+ ary ny vahiny+ avy any amin’ny tanin’ny Israely sy izay nipetraka tany Joda. 26  Ary faly be ny tany Jerosalema, satria mbola tsy nisy hoatr’izany tany, hatramin’ny andron’i Solomona zanak’i Davida mpanjakan’ny Israely.+ 27  Farany, dia nitsangana ireo Levita mpisorona ka nitso-drano ny vahoaka.+ Dia henon’Andriamanitra ny feon’izy ireo, ary tonga tany amin’ny fonenany masina tany an-danitra ny vavaka nataony.

Fanamarihana

Abt: “mpihazakazaka.”
Na: “tsara fanahy.”
Abt: “mpihazakazaka.”
Abt: “hanome azy ireo fo iray.”
Abt: “nanasitrana ny.”
Abt: “niresahan’i Hezekia ny fon’izay.”