Tantara Faharoa 31:1-21

  • Nopotehin’i Hezekia daholo ny sampy (1)

  • Notohanana tsara ny mpisorona sy ny Levita (2-21)

31  Raha vao vitan’izy ireo izany rehetra izany, dia lasa nankany amin’ireo tanànan’i Joda ny Israelita rehetra tonga teo, ka nopotipotehiny ny tsangambato masina+ ary nokapainy ny tsato-kazo masina.*+ Noravany koa ny toerana avo+ sy ny alitara+ nanerana an’i Joda sy Benjamina sy Efraima ary Manase,+ ka tsy nijanona izy ireo raha tsy efa rava tanteraka ireny. Samy nody tany amin’ny tanànany avy ny Israelita rehetra avy eo. 2  Ary nalamin’i Hezekia araka ny fizarana+ nisy azy ny mpisorona sy ny Levita,+ mba ho afaka hanatontosa tsara ny fanompoany.+ Nanolotra ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana izy ireo, ary nanao ny fanompoany sy nanolotra fisaorana sy fiderana teny amin’ireo vavahadin’ny tokotanin’i* Jehovah.+ 3  Nanome tamin’ny fananany koa ny mpanjaka mba hanaovana fanatitra dorana,+ anisan’izany ny fanatitra amin’ny maraina sy hariva,+ sy ny fanatitra dorana rehefa Sabata+ sy tsinam-bolana+ ary fety,+ araka izay voasoratra ao amin’ny Lalàn’i Jehovah. 4  Nomen’ny mpanjaka baiko koa ny vahoaka nipetraka tao Jerosalema mba hanome an’izay tokony ho anjaran’ny mpisorona sy ny Levita,+ amin’izay izy ireo ho afaka hanaraka tsara ny* lalàn’i Jehovah. 5  Raha vao nivoaka izany baiko izany, dia nanome voaloham-bokatra be dia be ny Israelita, izany hoe voaloham-bokatra tamin’ny varimbazaha, divay vaovao, menaka,+ tantely, ary tamin’ny vokatra rehetra teny an-tsaha.+ Nitondra ny ampahafolon’ny zava-drehetra nananany koa izy ireo, ary be dia be no nomeny.+ 6  Nitondra ny ampahafolon’ny omby aman’ondriny koa ny vahoakan’Israely sy ny taranak’i Joda nipetraka tany amin’ireo tanànan’i Joda, sady nitondra ny ampahafolon’ny zava-masina,+ izay efa nohamasinina ho an’i Jehovah Andriamaniny. Dia nahangona fanomezana be dia be izy ireo. 7  Tamin’ny volana fahatelo+ izy ireo no nanomboka nanangona an’ireo fanomezana rehetra nentin’ny olona ireo. Dia vitany izany tamin’ny volana fahafito.+ 8  Rehefa tonga i Hezekia sy ny andriana ka nahita an’ireo fanomezana niavosa be, dia nidera an’i Jehovah sy nitso-drano ny Israely vahoakany izy ireo. 9  Dia nanontany an’ireo mpisorona sy Levita momba an’ireo fanomezana niavosa ireo i Hezekia, 10  ka hoy i Azaria lehiben’ny mpisorona, taranak’i Zadoka: “Nanomboka tamin’izy ireo nitondra an’ireny fanomezana ireny tao an-tranon’i Jehovah,+ dia nihinana ny olona ka voky, ary mbola misy ambiny be dia be. Notahin’i Jehovah mantsy ny vahoakany, ka ireo be dia be ireo ny ambiny.”+ 11  Dia nasain’i Hezekia nanomana efitra fitehirizana entana*+ tao an-tranon’i Jehovah izy ireo. Koa nomanin’izy ireo izany. 12  Mendri-pitokisana izy ireo ka nampidiriny tao daholo ny fanomezana sy ny ampahafolon-karena+ ary ny zava-masina. I Konania Levita no niandraikitra sy nanara-maso an’ireny rehetra ireny, ary i Simey rahalahiny no nanarakaraka azy. 13  I Jehiela, Azazia, Nahata, Asahela, Jerimota, Jozabada, Eliela, Jismakia, Mahata, ary Benaia no mpiadidy nanampy an’i Konania sy Simey rahalahiny, araka ny didin’i Hezekia Mpanjaka. I Azaria kosa no mpanara-maso ny tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. 14  Ary i Kore zanak’i Jimna, ilay Levita mpiandry vavahady teo atsinanana,+ no niandraikitra ny fanatitra an-tsitrapo+ ho an’ilay tena Andriamanitra. Izy no nizara ny fanomezana natolotra ho an’i Jehovah+ sy ny zavatra masina indrindra.+ 15  Izy koa no niandraikitra an’i Edena, Miniamina, Jesoa, Semaia, Amaria, ary Sekania tany amin’ireo tanànan’ny mpisorona.+ Mendri-pitokisana izy ireo rehefa nizara ny anjaran’ireo rahalahiny tao amin’ny fizarana tsirairay,+ ka nataony mitovy tsara ny an’ny kely sy ny an’ny lehibe. 16  Izy ireo koa no nanome ny anjaran’ny lehilahy telo taona no ho miakatra izay voasoratra anarana tao amin’ny tetirazana. Tonga isan’andro tao an-tranon’i Jehovah mantsy ireo lehilahy ireo mba hanao ny fanompoany sy ny andraikiny araka ny fizarana nisy azy. 17  Nosoratana tao amin’ny tetirazana araka ny fianakaviambeny,+ sy araka ny andraikiny isaky ny fizarana+ nisy azy avy ny mpisorona sy ny Levita 20 taona no ho miakatra.+ 18  Nosoratana tao koa ny vady aman-janany rehetra, dia ny fiangonany manontolo. Nanamasina ny tenany foana izy ireo mba ho afaka hanao fanompoana masina. Nanankinana andraikitra masina mantsy izy ireo satria mendri-pitokisana. 19  Nosoratana anarana koa ny mpisorona taranak’i Arona nipetraka tany amin’ny kijana manodidina ny tanànany.+ Nisy lehilahy vitsivitsy nofidina tany amin’ireo tanàna rehetra ireo, mba hizara sakafo ho an’ny lehilahy mpisorona sy ny olona rehetra voasoratra tao amin’ny tetirazan’ny Levita. 20  Izany no nataon’i Hezekia nanerana an’i Joda. Nanao izay tsara sy mety foana izy, sady tsy nivadika mihitsy teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny. 21  Nataony tamin’ny fony manontolo ny zavatra rehetra nataony mba hitadiavana an’ilay Andriamaniny, izany hoe ny fanompoana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra+ sy ny fankatoavana ny Lalàna sy ny didy. Dia nahomby izy tamin’izany.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Abt: “tobin’i.”
Na: “hifikitra tanteraka amin’ny.”
Na: “efitra fisakafoana.”