Tantara Faharoa 32:1-33

  • Norahonan’i Sankeriba i Jerosalema (1-8)

  • Nihantsy an’i Jehovah i Sankeriba (9-19)

  • Naripaky ny anjely iray ny tafiky ny Asyrianina (20-23)

  • Narary i Hezekia; nirehareha izy (24-26)

  • Ny zava-bitan’i Hezekia; maty izy (27-33)

32  Nasehon’i Hezekia tamin’izany rehetra izany fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy.+ Taorian’izay, dia tonga i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ka notafihiny ny tanin’i Joda. Nataony fahirano ireo tanàna voaro mafy, satria tiany hogorobahana ny mandan’ireny tanàna ireny, sady tiany halaina ireny.+ 2  Rehefa hitan’i Hezekia fa tonga i Sankeriba ary te hanafika an’i Jerosalema, 3  dia nanontaniany ny andrianany sy ny miaramilany, ka nanapa-kevitra izy avy eo hoe hotampenana ireo loharano tany ivelan’ny tanàna.+ Dia nanohana azy izy ireo. 4  Ary be dia be ny olona niaraka nanentsina ny loharano rehetra sy ny rano nikoriana namakivaky an’ilay tany. Hoy mantsy izy ireo: “Aleo tsy avela hahita rano be dia be ny mpanjakan’i Asyria rehefa tonga.” 5  Dia tena vonona hanohy an’ilay asa koa izy, ka nanorina indray an’izay rava rehetra tamin’ilay manda, sy nanisy tilikambo teny amboniny. Nanao manda hafa teny ivelany koa izy, sady nanamboatra an’izay simba tamin’ilay Havoana*+ teo amin’ny Tanànan’i Davida. Nanao fitaovam-piadiana* sy ampinga be dia be koa izy. 6  Nanendry mpitari-tafika hifehy ny vahoaka izy avy eo. Dia novoriny teny amin’ny tany malalaka teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna izy ireo. Ary nampahery an’ireo* izy hoe: 7  “Manàna herim-po ary mahereza! Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria+ sy ireo olona be dia be miaraka aminy ireo. Fa betsaka ny miaraka amintsika noho ny miaraka aminy.+ 8  Herin’olombelona* no ianteherany, fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no ianteherantsika mba hanampy antsika sy hiady ho antsika.”+ Dia nankahery ny vahoaka ny tenin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda.+ 9  Taorian’izay, raha mbola tany Lakisy+ i Sankeriba mpanjakan’i Asyria sy ny tafi-panjakany manontolo,* dia naniraka ny mpanompony ho any Jerosalema izy mba hilaza tamin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda sy ny Jodianina rehetra tao Jerosalema+ hoe: 10  “Izao no tenin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria: ‘Fa inona moa no itokisanareo no mbola mijanona eto Jerosalema ihany ianareo nefa misy manao fahirano?+ 11  Angaha tsy hamitaka anareo sy hamela anareo ho fatin’ny mosary sy ny hetaheta fotsiny i Hezekia matoa miteny hoe: “Hamonjy antsika eo am-pelatanan’ny mpanjakan’i Asyria i Jehovah Andriamanitsika”?+ 12  Tsy i Hezekia ihany anefa ve no nanaisotra an’ireo toerana avon’ny+ Andriamanitrareo* sy ny alitarany,+ ka niteny tamin’i Joda sy Jerosalema hoe: “Eo anoloan’ny alitara iray ihany ianareo no tokony hiankohoka sy handoro fanatitra mba hidona-tsetroka”?+ 13  Tsy fantatrareo angaha ny zavatra efa nataoko sy nataon’ny razambeko tamin’ny mponina rehetra manodidina?+ Angaha ny andriamanitr’ireny firenena ireny nahavita namonjy ny taniny teo am-pelatanako?+ 14  Iza tamin’ny andriamanitra rehetra ivavahan’ireny firenena naringan’ny razambeko ireny, no nahavita namonjy ny vahoakany teo am-pelatanako? Koa ny Andriamanitrareo ve dia hahavita hamonjy anareo eto am-pelatanako?+ 15  Aza avela hanambaka na hamitaka anareo hoatr’izao i Hezekia!+ Aza mino azy, fa mbola tsy nisy andriamanitry ny firenena na fanjakana nahavita namonjy ny vahoakany teo am-pelatanako sy teo am-pelatanan’ny razambeko. Koa ny Andriamanitrareo indray ve no hahavita hamonjy anareo eto am-pelatanako?’”+ 16  Ary vao mainka nanambanimbany an’i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony ny mpanompon’i Sankeriba. 17  Nanoratra taratasy+ koa izy, ka nanao tsinontsinona sy nanambanimbany an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ nanao hoe: “Tsy hahavita hamonjy ny vahoakany eto am-pelatanako ny Andriamanitr’i Hezekia, hoatran’ny andriamanitr’ireo firenena manodidina ihany. Tsy nahavita namonjy ny vahoakany teo am-pelatanako ireny.”+ 18  Ary niteny mafy be foana izy ireo sady nanao fitenin’ny Jiosy tamin’ny mponin’i Jerosalema teny ambony manda, satria te hampitahotra sy hampisahotaka azy, amin’izay ho azon’izy ireo ilay tanàna.+ 19  Nanambanimbany an’ilay Andriamanitr’i Jerosalema izy ireo, toy ny nataony tamin’ny andriamanitr’ireo firenena eto an-tany, izay asa tanan’olona ihany. 20  Nivavaka momba an’izany foana anefa i Hezekia Mpanjaka sy Isaia mpaminany+ zanak’i Amoza, sady niantso vonjy tamin’ny lanitra.+ 21  Dia naniraka anjely i Jehovah, ka novonoiny daholo ny miaramila matanjaka+ sy ny mpitarika ary ny lehiben’ny miaramila tao an-tobin’ny mpanjakan’i Asyria. Dia nody tany amin’ny taniny ny mpanjakan’i Asyria sady afa-baraka. Tatỳ aoriana, dia niditra tao an-tranon’ny* andriamaniny izy, ary tao ny zanany sasany no namono azy tamin’ny sabatra.+ 22  Koa novonjen’i Jehovah teo am-pelatanan’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria sy ny fahavalony hafa rehetra i Hezekia sy ny mponin’i Jerosalema. Dia nataony nilamina tanteraka ny tanin’izy ireo. 23  Be dia be koa no nitondra fanomezana ho an’i Jehovah tany Jerosalema, sy nitondra zava-tsarobidy ho an’i Hezekia mpanjakan’ny Joda.+ Dia lasa nanaja be an’i Hezekia ny firenena rehetra taorian’izay. 24  Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia ka nivavaka tamin’i Jehovah.+ Dia namaly azy Izy, ka nanome azy famantarana.*+ 25  Tsy mba nankasitraka ny soa natao taminy anefa i Hezekia, fa lasa nirehareha ny fony. Dia tezitra taminy sy tamin’i Joda sy Jerosalema Andriamanitra. 26  Nanetry tena anefa i Hezekia sy ny mponin’i Jerosalema ka tsy nirehareha intsony.+ Koa tsy niharan’ny fahatezeran’i Jehovah izy ireo tamin’ny andron’i Hezekia.+ 27  Ary lasa nanana harem-be sy nahazo voninahitra be i Hezekia.+ Nanao trano fitehirizana entana+ izy hametrahany volafotsy, volamena, vatosoa, menaka balsama, ampinga, ary zava-tsarobidy maro isan-karazany. 28  Nanao trano fitehirizam-bokatra koa izy hasiana varimbazaha sy divay vaovao ary menaka. Ary nanao tranom-biby izy, ho an’ny biby fiompy isan-karazany sy ny ondry. 29  Nahazo tanàna maro koa izy, ary nahazo biby fiompy sy ondry ary omby be dia be. Nomen’Andriamanitra fananana be dia be mantsy izy. 30  I Hezekia no nanentsina ny loharano+ ambony tao Gihona,+ sy namily an’ilay rano hidina hiankandrefana nankany amin’ny Tanànan’i Davida.+ Ary nahomby izy tamin’izay rehetra nataony. 31  Rehefa nirahina hanontany azy momba ilay famantarana*+ tao amin’ny taniny anefa ny mpitondra tenin’ny andrianan’i Babylona,+ dia navelan’ilay tena Andriamanitra hanapa-kevitra irery izy mba hitsapana+ azy sy hahafantarana an’izay rehetra tao am-pony.+ 32  Efa voasoratra ao amin’ny fahitan’i Isaia+ mpaminany zanak’i Amoza, ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Joda sy Israely,+ ny sisa amin’ny tantaran’i Hezekia sy ny zavatra nataony noho izy be fitiavana sy tsy mivadika.+ 33  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Hezekia, ka nalevina teo amin’ny fiakarana mankany amin’ny fasan’ny taranak’i Davida.+ Dia nanome voninahitra azy ny Joda rehetra sy ny mponin’i Jerosalema tamin’izy maty. Ary i Manase zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Na: “Milo.” Teny hebreo midika hoe “manototra.” Mety ho tany nototofana izy io.
Na: “lefom-pohy.”
Abt: “niteny tamin’ny fon’ireo.”
Abt: “Sandry nofo.”
Na: “ny tafiny sy ny voninahiny rehetra.”
Abt: “toerana avony.”
Na: “an-tempolin’ny.”
Na: “fambara.”
Na: “fambara.”