Tantara Faharoa 33:1-25

  • Manase, mpanjakan’ny Joda (1-9)

  • Nibebaka i Manase (10-17)

  • Maty i Manase (18-20)

  • Amona, mpanjakan’ny Joda (21-25)

33  Lasa mpanjaka i Manase+ tamin’izy 12 taona, ary nanjaka 55 taona tao Jerosalema izy.+ 2  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy, ka nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ny firenena efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny vahoakan’Israely.+ 3  Naoriny indray ireo toerana avo efa noravan’i Hezekia rainy.+ Nanangana alitara ho an’ireo Bala sy nanao tsato-kazo masina* koa izy. Dia niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy, ka nanompo an’ireny.+ 4  Nanorina alitara tao an-tranon’i Jehovah koa izy.+ Io trano io anefa ilay efa notenenin’i Jehovah hoe: “Ho ao Jerosalema mandrakizay ny anarako.”+ 5  Dia nanorina alitara ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy, teo amin’ny tokotany roa amin’ny tranon’i Jehovah.+ 6  Ary nandoro ny zanany lahy tao anaty afo+ teo amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma izy.+ Nampiasa herin’ny maizina+ sy nanao sikidy sy nilalao ody koa izy, ary nanendry mpamoha angatra sy mpilaza ny hoavy.+ Nanao zava-dratsy be dia be teo imason’i Jehovah mihitsy izy mba hampahatezitra azy. 7  Napetrany tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra ilay sary sokitra nataony.+ Io trano io anefa ilay efa notenenin’Andriamanitra tamin’i Davida sy Solomona zanany hoe: “Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ny tanànan’ny foko rehetra teo amin’ny Israely, no hametrahako foana ny anarako.+ 8  Ary tsy hesoriko eo amin’ny tany nomeko ny razambeny intsony ny tongotry ny Israely, raha arahin’izy ireo tsara ny didy rehetra nomeko azy, dia ny Lalàna rehetra, izany hoe ny fitsipika sy ny didim-pitsarana nomeko tamin’ny alalan’i Mosesy.” 9  Notaomin’i Manase hanao ratsy foana ny Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ny ratsy vitan’izy ireo dia mbola mihoatra noho ny nataon’ireo firenena naringan’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny Israelita.+ 10  Notenenin’i Jehovah foana i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nihaino izy ireo.+ 11  Koa nasain’i Jehovah notafihin’ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asyria izy ireo. Dia nosamborin’ireny sy nasiany faraingo* i Manase. Nasiany gadra varahina roa koa ny tongony, dia nentiny tany Babylona izy. 12  Rehefa nijaly anefa izy, dia nitalaho tamin’i Jehovah Andriamaniny mba hamindra fo aminy.* Nanetry tena be teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny razambeny koa izy. 13  Ary nivavaka tamin’Andriamanitra foana izy. Dia lasa nangoraka azy Andriamanitra noho izy niangavy azy foana, ka nihaino ny fitalahoany famindram-po. Koa naveriny ho mpanjaka tany Jerosalema indray izy.+ Lasa fantatr’i Manase àry fa i Jehovah no tena Andriamanitra.+ 14  Taorian’izay, dia nanorina manda ivelany ho an’ny Tanànan’i Davida+ izy, teo andrefan’i Gihona,+ teo amin’ny lohasaha,* ka hatrany amin’ny Vavahadin-trondro.+ Ary nataony nihodidina hatrany Ofela ilay manda,+ sady nataony avo be. Nanendry lehiben’ny tafika tany amin’ny tanàna rehetra voaro mafy tany Joda koa izy. 15  Avy eo dia nesoriny tao an-tranon’i Jehovah+ ireo andriamani-kafa sy ilay sampy. Nesoriny daholo koa ny alitara naoriny teo amin’ny tendrombohitra nisy ny tranon’i Jehovah+ sy tao Jerosalema, ka nasainy nariana tany ivelan’ny tanàna. 16  Ary namboariny indray ny alitaran’i Jehovah,+ ka teo ambonin’izy io izy no nanolotra sorona iombonana+ sy sorona fisaorana.+ Dia nasainy nanompo an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ny Joda. 17  Mbola nanao sorona teny amin’ny toerana avo ihany anefa ny olona, fa ho an’i Jehovah Andriamaniny. 18  Ary efa voasoratra ao amin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely ny sisa amin’ny tantaran’i Manase, sy ny vavaka nataony tamin’ilay Andriamaniny, ary ny tenin’ireo mpahita fahitana niresaka taminy tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 19  Efa voasoratra ao amin’ny asa soratr’ireo lehilahy nahita fahitana ho an’i Manase koa ny vavak’i Manase,+ ny nihainoana ny fitalahoany, ny fahotana rehetra vitany sy ny nivadihany tamin’Andriamanitra,+ ary ireo faritra nasiany toerana avo sy tsato-kazo masina*+ ary sary sokitra, tamin’izy mbola tsy nanetry tena. 20  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Manase, ka nalevina teo akaikin’ny tranony. Ary i Amona zanany no nanjaka nandimby azy.+ 21  Lasa mpanjaka i Amona+ tamin’izy 22 taona, ary nanjaka roa taona tao Jerosalema izy.+ 22  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, toy ny nataon’i Manase rainy.+ Dia nanao sorona ho an’ny sary sokitra rehetra nataon’i Manase rainy izy,+ sady nanompo an’ireny foana. 23  Tsy mba nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah+ anefa i Amona, tsy mba hoatran’i Manase rainy,+ fa vao mainka aza izy nampitombo ny helony. 24  Tatỳ aoriana, dia niray tetika hamely azy ny mpanompony,+ ka namono azy ho faty tao an-tranony ihany. 25  Novonoin’ny vahoaka anefa izay rehetra niray tetika hamono an’i Amona Mpanjaka,+ ary i Josia+ zanany no nataon’izy ireo mpanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na mety hoe “nosamborin’izy ireny teny an-tsefatsefaky ny harambato.”
Abt: “niezaka nampitony ny tarehin’i Jehovah Andriamaniny.”
Na: “lalan-driaka.”
Jereo F.T.