Tantara Faharoa 35:1-27

  • Nanomana ny hankalazana ny Paska i Josia (1-19)

  • Novonoin’i Farao Neko i Josia (20-27)

35  Nankalaza Paska+ ho an’i Jehovah tao Jerosalema i Josia. Dia namono ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska+ izy ireo, tamin’ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany.+ 2  Notendren’i Josia hanao ny andraikiny ny mpisorona, ka nampahereziny hanao ny fanompoana tao an-tranon’i Jehovah.+ 3  Hoy izy avy eo tamin’ireo Levita mpampianatra ny Israely rehetra,+ dia ireo masina amin’i Jehovah: “Ataovy ao amin’ilay trano naorin’i Solomona zanak’i Davida mpanjakan’ny Israely ilay Vata masina.+ Tsy mila milanja an’ilay izy amin’ny sorokareo intsony ianareo.+ Koa manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Israely vahoakany. 4  Samia miomana isaky ny fianakaviambenareo avy, araka ny fizarana misy anareo, ka araho izay nosoratan’i Davida+ mpanjakan’ny Israely sy Solomona zanany.+ 5  Dia mijoroa ao amin’ny toerana masina, araka ny fianakaviamben’ny rahalahinareo, izany hoe ny vahoaka.* Tokony hisy antokona Levita mantsy hikarakara ny fianakaviambe tsirairay. 6  Vonoy ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska,+ ary hamasino ny tenanareo ka miomàna hanompo ny rahalahinareo. Amin’izay ianareo dia hanatanteraka ny tenin’i Jehovah nomeny tamin’ny alalan’i Mosesy.” 7  Nanome ondrilahy kely sy osilahy kely ho an’ny vahoaka i Josia mba hatao sorona hankalazana ny Paska ho an’izay rehetra tonga teo, ka 30 000 izany raha atambatra. Nanome omby 3 000 koa izy. Avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka daholo ireo.+ 8  Nanome fanomezana koa ny andriana mba hatao fanatitra an-tsitrapo ho an’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. Ireto koa no nomen’i Hilkia+ sy Zakaria ary Jehiela, izay samy mpiandraikitra ny tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra: Ondry aman’osy 2 600 hatao sorona hankalazana ny Paska, ary omby 300. Dia nomeny ny mpisorona ireo rehetra ireo. 9  Ary nanome biby 5 000 ho an’ny Levita mba hatao sorona hankalazana ny Paska i Konania sy ny rahalahiny, izany hoe i Semaia sy Netanela, niaraka tamin’i Hasabia sy Jeiela ary Jozabada, izay samy mpiadidy teo amin’ny Levita. Nanome omby 500 koa izy ireo. 10  Dia vita daholo ny fiomanana. Samy nijoro teo amin’ny toerany avy ny mpisorona, fa ny Levita kosa nijoro teo amin’ny fizarana nisy azy avy,+ araka ny didin’ny mpanjaka. 11  Novonoin’izy ireo ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska.+ Dia namafy ny ra noraisiny avy teny amin’ny Levita ny mpisorona,+ fa ny Levita indray nanendaka ny hoditr’ireo biby.+ 12  Avy eo dia nomanin’ny Levita ny fanatitra dorana, izay homena ny vahoaka araka ny sokajy misy ny fianakaviambeny avy. Amin’izay azo atolotra ho an’i Jehovah ilay fanatitra, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Mosesy. Nataon’izy ireo hoatr’izany koa ny omby. 13  Ary nandrahoin’izy ireo* teo ambony afo araka ny fanao ny fanatitra atao amin’ny Paska.+ Ny fanatitra efa nohamasinina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary vilany fisaka. Dia nateriny haingana teny amin’ny vahoaka rehetra izany. 14  Avy eo dia nanomana ny sakafon’ny Paska ho an’ny tenany sy ho an’ny mpisorona koa ny Levita. Ny mpisorona taranak’i Arona mantsy mbola nanolotra ny fanatitra dorana sy ny tavin’ireo sorona, mandra-pahalin’ny andro. Koa nanomana ny sakafon’ny Paska ho an’ny tenany sy ho an’ny mpisorona taranak’i Arona ny Levita. 15  Samy teo amin’ny toerany daholo ny mpihira taranak’i Asafa,+ araka ny didin’i Davida+ sy Asafa+ sy Hemana ary Jedotona+ mpahita fahitana ho an’ny mpanjaka. Ny mpiandry vavahady kosa teny amin’ny vavahady samy hafa.+ Tsy voatery niala teny izy ireo, satria ny Levita rahalahiny no nanomana ny sakafon’ny Paska ho azy. 16  Efa vonona tamin’izay andro izay daholo ny zava-drehetra nasain’i Jehovah natao, mba hankalazana ny Paska+ sy hanolorana ny fanatitra dorana eo amin’ny alitaran’i Jehovah, araka ny baikon’i Josia Mpanjaka.+ 17  Dia nankalaza ny Paska tamin’izay fotoana izay ny Israelita tonga teo, sady nankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay nandritra ny fito andro.+ 18  Mbola tsy nisy Paska nankalazaina hoatran’ilay nankalazain’i Josia mihitsy teo amin’ny Israely, hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany. Mbola tsy nisy mihitsy koa mpanjakan’ny Israely nankalaza Paska hoatr’izany, hoatran’ilay nankalazain’i Josia,+ sy ny mpisorona, sy ny Levita, sy ny Joda sy ny Israely rehetra tonga teo, ary ny mponin’i Jerosalema. 19  Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josia no nankalazana an’izany Paska izany. 20  Taorian’izany rehetra izany, rehefa voakarakaran’i Josia ny tempoly,* dia niakatra hiady tany Karkemisy teo amoron’i Eofrata i Neko+ mpanjakan’i Ejipta. Dia nivoaka hiady taminy i Josia.+ 21  Naniraka olona nankany amin’i Josia àry i Neko, nanao hoe: “Inona moa no idiranao amin’izao, ry mpanjakan’ny Joda? Tsy tonga hiady aminao aho androany, fa amin’ny firenena hafa, sady nilaza Andriamanitra hoe tsy tokony hitaraikiraiky aho. Koa aza manohitra an’Andriamanitra satria manohana ahy izy, sao dia hahita loza ianao, dia haringany.” 22  Tsy nety niverina anefa i Josia, fa mody nanao olon-kafa+ mba hiady taminy. Tsy nihaino ny tenin’i Neko izy nefa avy tamin’Andriamanitra izany teniny izany. Dia tonga hiady teo amin’ny Lemak’i Megido izy.+ 23  Dia voatifitry ny mpandefa zana-tsipìka i Josia Mpanjaka, ka niteny tamin’ny mpanompony hoe: “Ento miala eto aho, fa maratra be.” 24  Koa nentin’ny mpanompony niala teo amin’ny kalesy izy, ka nampitaingenin’izy ireo ny kalesy faharoa fitondrany miady, ary nentiny nankany Jerosalema. Dia maty i Josia ka nalevina tao amin’ny fasan-drazany.+ Ary nisaona azy daholo i Joda sy Jerosalema. 25  Dia nanao hira fisaonana an’i Josia i Jeremia.+ Ary mbola mihira momba an’i Josia foana ny mpihira lahy sy vavy+ rehetra hatramin’izao, rehefa manao hira fisaonana. Lasa natao fanao koa ny nihira an’ireny hira ireny teo amin’ny Israely, ka nosoratana ho anisan’ny hira fisaonana ireny. 26  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Josia, sy ny zavatra nataony noho izy be fitiavana sy tsy nivadika, ka nankatò foana an’izay voasoratra ao amin’ny Lalàn’i Jehovah, 27  ary izay nataony hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia efa voasoratra ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely sy Joda.+

Fanamarihana

Abt: “zanaky ny vahoaka.”
Na mety hoe “Natsatsik’izy ireo.”
Abt: “trano.”