Tantara Faharoa 4:1-22

  • Ilay alitara, ilay Ranomasina, ary ny koveta (1-6)

  • Fitoeran-jiro, latabatra, ary tokotany (7-11a)

  • Vita ny fitaovana rehetra ho an’ny tempoly (11b-22)

4  Dia nanao ny alitara varahina izy,+ ka 20 hakiho ny lavany, 20 hakiho ny sakany, ary 10 hakiho ny haavony. 2  Nanao fitoeran-drano varahina lehibe nantsoina hoe Ranomasina+ izy. Boribory ilay izy: 10 hakiho ny savaivony, 5 hakiho ny haavony, ary tady 30 hakiho vao nahodidina azy.+ 3  Nisy haingony nitovy tamin’ny voatango+ teo ambanin’ny molony manodidina azy. Voatango folo isaky ny iray hakiho no nanodidina an’ilay Ranomasina. Roa andalana ireo voatango ireo, ary lasitra iray ihany no nandrendrehana azy sy ilay Ranomasina. 4  Nipetraka teo ambonin’ny omby varahina 12+ ilay Ranomasina, ka ny omby 3 nitodika nianavaratra, ny 3 niankandrefana, ny 3 nianatsimo, ary ny 3 niantsinanana. Nifampiamboho ireo omby rehetra ireo, ary teo ambonin’ireo ilay Ranomasina. 5  Toy ny sakan’ny felatanana* ny hatevin’ilay Ranomasina, ary natao hoatran’ny molotry ny kaopy ny molony, mitovy amin’ny felana lisy. Antonona* rano 3 000 bata* ilay fitoeran-drano. 6  Nanao koveta folo hisasana koa izy, ka ny dimy nataony teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia.+ Ao amin’ireo ny mpisorona no hanasa ny zavatra ampiasaina amin’ny fanatitra dorana,+ fa ilay Ranomasina kosa natao hisasany.+ 7  Nanao fitoeran-jiro volamena folo izy avy eo,+ araka izay nasaina natao.+ Napetrany tao amin’ny tempoly izany, ka ny dimy teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia.+ 8  Nanao latabatra folo koa izy. Napetrany tao amin’ny tempoly izany, ka ny dimy teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia.+ Dia nanao vilia baolina volamena 100 izy. 9  Nataony koa avy eo ny tokotany+ ho an’ny mpisorona+ sy ny tokotany lehibe*+ ary ny vavahadin’ny tokotany. Dia nopetahany takela-barahina ireo vavahady ireo. 10  Ary nataony teo ankavanana, teo atsimoatsinanana, ilay Ranomasina.+ 11  Nanamboatra fitoeran-davenona sy lapelina ary vilia baolina koa i Hirama.+ Dia vitan’i Hirama ny asa nataony ho an’i Solomona Mpanjaka, momba ny tranon’ilay tena Andriamanitra:+ 12  Ny andry roa+ sy ny loha andry nitovy tamin’ny vilia baolina, izay teo an-tampon’ny andry roa; ny harato roa+ nandrakotra ny loha andry roa* teo an-tampon’ireo andry; 13  ny ampongabendanitra 400+ ho an’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana ho an’ny harato tsirairay, mba handrakofana ny loha andry roa* teo ambonin’ny andry;+ 14  ny kalesy* folo sy ny koveta folo teo amboniny;+ 15  ny Ranomasina sy ny omby 12 teo ambaniny;+ 16  ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ary ny fitrebika.*+ Teo koa ny fitaovana rehetra miaraka amin’ireo, izay nataon’i Hiram-abivy+ tamin’ny varahina nokosehina hangirana. Nataony ho an’i Solomona Mpanjaka izany, ho an’ny tranon’i Jehovah. 17  Tao anaty lasitra tanimanga no nandrendrehan’ny mpanjaka azy ireo, tao amin’ny faritr’i Jordana, teo anelanelan’i Sokota+ sy Zareda. 18  Dia nataon’i Solomona be dia be ireny fitaovana rehetra ireny. Tsy fantatra intsony izay lanjan’ny varahina.+ 19  Ary nataon’i Solomona ny fitaovana rehetra+ ho an’ny tranon’ilay tena Andriamanitra: Ny alitara volamena;+ ny latabatra+ fametrahana ny mofo aseho;+ 20  ny fitoeran-jiro sy ny jirony, izay samy volamena tsy misy fangarony,+ mba hirehitra eo anoloan’ny efitra anatiny indrindra, araka izay nasaina natao; 21  ny felam-boninkazo tamin’ny fitoeran-jiro, ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro,* izay samy natao tamin’ny volamena tsara indrindra; 22  ny famonoan-jiro, ny vilia baolina, ny kaopy, ny fitondrana afo, izay samy volamena tsy misy fangarony; ary ny fidirana amin’ny trano, izany hoe ny varavarana anatiny mankao amin’ny Masina Indrindra+ sy ny varavaran’ny tempoly. Samy volamena daholo ireo.+

Fanamarihana

7,4 sm eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Na: “Nahazaka.”
1 bata = 22 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “tokotany voafefy.”
Na: “loha andry roa nitovy tamin’ny vilia baolina.”
Na: “loha andry roa nitovy tamin’ny vilia baolina.”
Na: “kalesy fitondrana rano.”
Vy fanindronana misy lohany maranitra roa na mihoatra.
Na: “ny tandra.”