2 Tantara 6:1-42

6  Dia hoy i Solomona:+ “I Jehovah no efa nilaza fa honina ao amin’ny haizim-pito Izy.+  Ary izaho efa nanorina trano fonenana be voninahitra ho anao,+ dia toerana onenanao mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+  Dia nitodika ny mpanjaka, ka notsofiny rano+ ny fiangonan’Israely manontolo, raha mbola nitsangana+ izy ireo.  Ary hoy i Solomona: “Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ fa ny vavany no efa nilaza tamin’i Davida raiko,+ ary ny tanany no efa nanatanteraka izany!+ Hoy mantsy Izy:  ‘Hatramin’ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Ejipta, dia mbola tsy nisy tanàna nofidiko teo amin’ny foko rehetran’ny Israely, mba hanaovana trano hitoeran’ny anarako.+ Ary tsy mba nifidy olona ho mpitarika ny Israely oloko aho.+  Hifidy an’i Jerosalema+ anefa aho mba hitoeran’ny anarako, ary hifidy an’i Davida ho mpitarika ny Israely oloko.’+  Mba nirin’ny fon’i Davida raiko ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+  Hoy anefa i Jehovah tamin’i Davida raiko: ‘Satria nirin’ny fonao ny hanorina trano ho an’ny anarako, dia tsara izany fanirian’ny fonao izany.+  Tsy ianao anefa no hanorina ilay trano,+ fa ny zanaka haterakao no hanorina ilay trano ho an’ny anarako.’+ 10  Ary nanatanteraka ny teniny+ i Jehovah mba hitsanganako handimby an’i Davida raiko+ sy hipetrahako eo amin’ny seza fiandrianan’ny+ Israely, araka izay efa nolazain’i Jehovah,+ sy mba hanaovako trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ 11  ary mba hametrahako ao ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah tamin’ny zanak’Israely.”+ 12  Dia nitsangana teo anoloan’ny alitaran’i Jehovah i Solomona, teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo,+ ka namelatra ny tanany.+ 13  Fa i Solomona efa nanao lampihazo+ varahina ka nametraka izany teo afovoan’ny tokotany.+ Dimy hakiho ny lavan’ilay izy, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. Ary teo ambonin’io izy no nitsangana. Dia nandohalika+ teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo izy, ka namelatra ny tanany ho amin’ny lanitra.+ 14  Ary hoy izy: “Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely+ ô, tsy misy Andriamanitra tahaka anao+ any an-danitra na etỳ an-tany, fa manaja fifanekena+ ianao, ary maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’izay manompo anao amin’ny fony manontolo.+ 15  Efa notanterahinao tamin’i Davida raiko mpanomponao ny fampanantenana nataonao taminy,+ ka izay nolazain’ny vavanao dia notanterahin’ny tananao, toy ny amin’izao anio izao.+ 16  Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho amin’i Davida raiko mpanomponao ny fampanantenana nataonao taminy hoe: ‘Hisy olona avy amin’ny taranakao foana eo anatrehako, dia olona hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely,+ raha mitandrina ny ataony ny taranakao+ ka manaraka ny lalàko,+ toy ny anarahanao ny sitrapoko.’+ 17  Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitry ny Israely+ ô, aoka ho tanteraka ny fampanantenana+ nataonao tamin’i Davida mpanomponao.+ 18  “Andriamanitra anefa ve dia hiara-monina amin’ny olona etỳ an-tany tokoa?+ Ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra aza tsy omby anao,+ koa mainka fa ity trano naoriko ity!+ 19  Mitodiha ka henoy ny vavak’ity mpanomponao+ sy ny fitalahoany famindram-po,+ ry Jehovah Andriamanitro ô, mba handrenesanao ny fitalahoana+ sy ny vavaky ny mpanomponao eto anatrehanao.+ 20  Ary aoka ianao hijery+ an’ity trano ity andro aman’alina, eny, hijery an’ilay toerana nolazainao fa hametrahanao ny anaranao,+ ka hihaino ny vavaka ataon’ny mpanomponao manandrify an’ity toerana ity.+ 21  Henoy ny fitalahoan’ny mpanomponao+ sy ny Israely olonao, rehefa mivavaka manandrify an’ity toerana ity izy ireo.+ Ary enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao,+ eny, mihainoa ka mamelà heloka!+ 22  “Raha misy olona manota amin’ny namany,+ ary asain’ilay namany miozona izy ka mety hihatra aminy tokoa ilay ozona+ nolazainy, nefa mbola tonga eo anoloan’ny alitaranao ato amin’ity trano ity ihany izy,+ 23  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any!+ Ary manaova zavatra+ ka tsarao ny mpanomponao, mba hitsingerina eo an-dohan’ny ratsy fanahy ny nataony,+ ary ambarao ho marina kosa izay marina+ ka valio araka ny fahamarinany.+ 24  “Raha resin’ny fahavalo ny Israely olonao+ satria nanota taminao,+ nefa miverina aminao tokoa izy+ ary midera ny anaranao+ sy mivavaka+ ary mitalaho famindram-po eo anatrehanao, ato amin’ity trano ity,+ 25  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any,+ ka mamelà+ ny fahotan’ny Israely olonao, ary ampodio+ any amin’ny tany nomenao ny razany izy!+ 26  “Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana+ satria nanota+ taminao izy ireo, nefa mivavaka manandrify an’ity toerana ity izy,+ ary midera ny anaranao sady miala amin’ny fahotany, satria tsy nitsahatra nampahory azy ianao,+ 27  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao, eny, ny fahotan’ny Israely olonao, satria mampianatra+ azy ny lalana tsara+ tokony halehany ianao! Ary andatsaho orana+ ny taninao izay nomenao ho lovan’ny olonao.+ 28  “Raha misy mosary+ eo amin’ilay tany, na areti-mandringana,+ na mainan’ny rivotra mahamay+ sy tratran’ny aretin-javamaniry+ ny voly, na misy andiam-balala+ sy kalalao,+ na misy fahavalo+ manao fahirano ny olonao ao amin’ny tany misy ny vavahadiny,+ eny, rehefa mety ho loza na aretina,+ 29  ka mivavaka+ na mitalaho famindram-po+ ny olona na ny Israely olonao rehetra,+ satria samy mahalala ny fahoriany+ sy ny fijaliany ny tsirairay, ka mamelatra ny tanany ho amin’ity trano ity,+ 30  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao,+ ary mamelà heloka+ ka valio araka ny lalany avy ny tsirairay,+ satria ianao mahalala ny ao am-pony,+ fa ianao irery ihany no mahalala tsara ny ao am-pon’ny zanak’olombelona,+ 31  mba hatahorany+ anao ka handehanany amin’ny lalanao amin’ny andro rehetra iainany, eto amin’ity tany nomenao ny razanay ity!+ 32  “Raha misy koa vahiny, izay tsy anisan’ny Israely olonao,+ nefa tonga avy any an-tany lavitra noho ny amin’ny anaranao be voninahitra+ sy ny tananao mahery+ ary ny sandrinao nahinjitra,+ ka tonga mivavaka manandrify an’ity trano ity,+ 33  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra, any amin’ny fonenanao,+ ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny anao,+ mba hahafantaran’ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao,+ sy hatahorany+ anao toy ny atahoran’ny Israely olonao anao, ary hahafantarany fa ny anaranao no efa nantsoina teto amin’ity trano naoriko ity!+ 34  “Raha mivoaka hiady+ amin’ny fahavalony ny olonao, any amin’ny lalana andefasanao+ azy, ary mivavaka+ aminao manandrify an’ity tanàna nofidinao ity sy ny trano naoriko ho an’ny anaranao,+ 35  dia henoy any an-danitra any ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po,+ ka omeo rariny izy.+ 36  “Raha manota aminao izy,+ fa tsy misy olombelona tsy manota,+ ka tezitra mafy aminy ianao ary avelanao ho azon’ny fahavalo izy, ka entin’ny mpamabo azy any an-tany lavitra na akaiky,+ 37  ary tonga saina izy any amin’ny tany nitondrana azy ho babo, ka miverina aminao sy mitalaho famindram-po aminao any amin’ilay tany nitondrana azy ho babo,+ ary manao hoe: ‘Efa nanota+ sy diso+ izahay ary nanao ratsy’,+ 38  ary miverina aminao amin’ny fony manontolo+ sy ny heriny manontolo izy, any amin’ny tany izay nitondran’ny mpamabo azy,+ ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany, eny, ny tanàna nofidinao+ sy ny trano naoriko ho an’ny anaranao,+ 39  dia henoy any an-danitra, any amin’ny fonenanao,+ ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po,+ ka omeo rariny+ izy ary mamelà ny heloky+ ny olonao izay nanota taminao. 40  “Ary ankehitriny Andriamanitro ô, aoka re ny masonao+ mba hijery e, ary aoka ny sofinao+ mba hihaino tsara ny vavaka atao momba an’ity toerana ity. 41  Koa mitsangàna+ mankao amin’ny fitsaharanao,+ ry Jehovah Andriamanitra ô, dia ianao sy ny Vata Masin’ny herinao.+ Aoka hitafy famonjena ny mpisoronao, ry Jehovah Andriamanitra ô, ary aoka hifaly amin’ny zava-tsoa+ ny olona tsy mivadika aminao. 42  Aza lavina ny voahosotrao,+ ry Jehovah Andriamanitra ô! Mba tsarovy ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehonao tamin’i Davida mpanomponao.”+

Fanamarihana