Tantara Faharoa 7:1-22

  • Feno ny voninahitr’i Jehovah ny tempoly (1-3)

  • Sorona sy fety tamin’ny fitokanana (4-10)

  • Niseho tamin’i Solomona i Jehovah (11-22)

7  Raha vao avy nivavaka i Solomona,+ dia nisy afo nilatsaka avy any an-danitra+ nandevona ny fanatitra dorana sy ny sorona. Ary nameno an’ilay trano ny voninahitr’i Jehovah.+ 2  Tsy afaka niditra tao an-tranon’i Jehovah àry ny mpisorona, satria feno ny voninahitr’i Jehovah ilay tranon’i Jehovah.+ 3  Nahita an’ilay afo nilatsaka sy ny voninahitr’i Jehovah teo amin’ilay trano ny vahoakan’Israely, ka niondrika tamin’ny tany teo amin’ilay tokotany vato sady niankohoka ary nisaotra an’i Jehovah, “fa tsara izy, ary be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay.” 4  Dia nanao sorona teo anatrehan’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka manontolo.+ 5  Nanolotra omby 22 000 sy ondry 120 000 i Solomona Mpanjaka mba hatao sorona. Izany no nataon’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, tamin’izy ireo nitokana ny tranon’ilay tena Andriamanitra.+ 6  Nijoro teo amin’ny toerana tokony hisy azy ny mpisorona tamin’izay, ary teo koa ny Levita nitondra ny zavamaneno nanaovana hira ho an’i Jehovah.+ I Davida Mpanjaka no nanamboatra an’ireny zavamaneno ireny mba hanaovana hira fisaorana an’i Jehovah,—“fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay”—isaky ny nidera azy niaraka tamin’izy ireo* i Davida. Ary nitsoka trompetra+ mafy be teo anoloan’izy ireo ny mpisorona, raha mbola nitsangana teo ny Israelita rehetra. 7  Dia nohamasinin’i Solomona ny teo afovoan’ny tokotany, teo anoloan’ny tranon’i Jehovah. Teo no tsy maintsy nanolorany ny fanatitra dorana+ sy ny tavin’ny sorona iombonana. Tsy antonona teo amin’ilay alitara varahina+ nataon’i Solomona mantsy ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha+ ary ny tavin’ireo sorona.+ 8  Nanao fety nandritra ny fito andro+ i Solomona tamin’izay, niaraka tamin’ny Israely rehetra, izay fiangonana lehibe avy any Lebo-hamata* ka hatrany amin’ny Reniranon’i* Ejipta.+ 9  Nanao fivoriambe makotrokotroka izy ireo ny andro fahavalo,*+ satria efa nitokana an’ilay alitara nandritra ny fito andro izy ireo sady nanao an’ilay fety nandritra ny fito andro. 10  Dia nalefany nody ny vahoaka tamin’ny andro faha-23 amin’ny volana fahafito. Faly+ sy ravoravo erỳ ny fon’izy ireo, noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Davida sy Solomona ary ny Israely vahoakany.+ 11  Dia vitan’i Solomona ny tranon’i Jehovah sy ny tranon’ny* mpanjaka.+ Vitany tsara daholo ny zavatra rehetra niriny hatao momba ny tranon’i Jehovah sy ny tranony.+ 12  Ary niseho tamin’i Solomona+ i Jehovah ny alin’iny, ka nilaza hoe: “Efa henoko ny vavaka nataonao, ary efa nofidiko ho ahy ity toerana ity mba ho trano fanaovana sorona.+ 13  Raha manidy ny lanitra aho ka tsy misy orana, na mibaiko ny valala mba handripaka ny zavamaniry eo amin’ny tany, na mandefa areti-mandringana hamely ny vahoakako, 14  nefa manetry tena+ ny vahoakako izay antsoina amin’ny anarako,+ ka mivavaka sy mitady ahy ary miala amin’ny ratsy fanaony,+ dia hihaino any an-danitra aho ka hamela ny fahotany ary hamerina ny taniny amin’ny laoniny.*+ 15  Dia hijery ny masoko, ary hihaino tsara ny vavaka atao eto amin’ity toerana ity ny sofiko.+ 16  Efa nofidiko sady nohamasiniko ity trano ity mba ho ao foana ny anarako.+ Hifantoka ao foana koa ny masoko ary ho ao foana ny foko.+ 17  “Raha manompo ahy toy ny nataon’i Davida rainao koa ianao, ka manao an’izay rehetra nandidiako anao ary mankatò ny fitsipiko sy ny didim-pitsarako,+ 18  dia hataoko mafy orina ny fanjakanao,+ araka ny fifanekena nataoko tamin’i Davida rainao+ hoe: ‘Hisy lehilahy avy amin’ny taranakao foana hitondra eo amin’ny Israely.’+ 19  Raha miala amiko anefa ianareo, ka tsy miraharaha ny didy sy ny lalàna nomeko anareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehan’ireny,+ 20  dia hongotako tsy ho eo amin’ny tany nomeko azy ny Israely.+ Ilay trano nohamasiniko ho an’ny anarako kosa hariako tsy ho hitan’ny masoko intsony, sady havelako hesoesoin’ny firenena rehetra* sy hataony fihomehezana.+ 21  Ary ho lasa korontam-bato mivangongo ity trano ity. Ho gaga izay rehetra mandalo eo,+ dia hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany ity sy ity trano ity?’+ 22  Dia hisy hilaza hoe: ‘Satria ry zareo niala tamin’i Jehovah+ Andriamanitry ny razambeny, izay nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta,+ ary maimaika erỳ nanaraka andriamani-kafa ka niankohoka teo anatrehan’ireny sady nanompo azy.+ Izany no nahatonga Azy hamely an-dry zareo tamin’izao loza rehetra izao.’”+

Fanamarihana

Mety hoe ny Levita.
Na: “amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.”
Na: “Lalan-driakan’i.” Jereo F.T.
Ny ampitson’ilay fety, na ny andro faha-15.
Na: “lapan’ny.”
Abt: “ary hanasitrana ny taniny.”
Na: “hataon’ny firenena rehetra ohabolana.”