Tantara Faharoa 9:1-31

  • Nitsidika an’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba (1-12)

  • Ny harenan’i Solomona (13-28)

  • Maty i Solomona (29-31)

9  Henon’ny mpanjakavavin’i Sheba+ ny lazan’i Solomona, ka tonga tany Jerosalema izy mba hitsapa an’i Solomona tamin’ny fanontaniana saro-baliana.* Nisy mpanompo* maro be koa niaraka taminy, dia nisy rameva nitondra menaka balsama sy volamena+ be dia be ary vatosoa. Ary nankao amin’i Solomona izy, ka nilaza taminy an’izay rehetra tao am-pony.+ 2  Dia voavalin’i Solomona daholo ny fanontaniany. Tsy nisy zavatra sarotra loatra* tamin’i Solomona ka hoe tsy hainy ny nanazava azy. 3  Rehefa hitan’ilay mpanjakavavin’i Sheba ny fahendren’i Solomona,+ ny trano naoriny,+ 4  ny sakafo teo an-databany,+ ny fomba nametrahana an’ireo mpanompony, ny fomba fiasan’ireo mpandroso sakafo sy ny fitafian’izy ireo, ny mpandroso zava-pisotro sy ny fitafian’izy ireo, ary ny sorona dorana natolony tsy tapaka tao an-tranon’i Jehovah,+ dia tena gaga be mihitsy izy. 5  Hoy àry izy tamin’ny mpanjaka: “Tena marina ny zavatra henoko tany amin’ny taniko momba ny zava-bitanao* sy ny fahendrenao. 6  Tsy nino ny tenin’ny olona anefa aho raha tsy tonga tatỳ, ka ny masoko mihitsy no nahita.+ Hay na ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy nolazaina tamiko!+ Fa mihoatra lavitra noho izay efa henoko ny zavatra hitako.+ 7  Sambatra ny olonao, ary sambatra ny mpanomponao izay eto aminao eto foana, ka maheno ny fahendrenao! 8  Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitrao izay nankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianany, mba ho mpanjaka hisolo tena an’i Jehovah Andriamanitrao! Tian’Andriamanitrao ny Israely+ sady tiany haharitra mandrakizay, ka notendreny ho mpanjakan’izy ireo ianao, mba hanao ny rariny sy ny hitsiny.” 9  Dia nomen’ilay mpanjakavavin’i Sheba volamena 120 talenta* i Solomona Mpanjaka,+ sady nomeny menaka balsama be dia be sy vatosoa.+ Tsy nisy nitondra menaka balsama be dia be hoatran’ilay nomeny an’i Solomona intsony tany taorian’izay. 10  Nitondra volamena avy any Ofira+ ny mpanompon’i Hirama sy ny mpanompon’i Solomona, ary nitondra hazo algoma sy vatosoa koa.+ 11  Ny hazo algoma dia nanaovan’ny mpanjaka tohatra ho an’ny tranon’i Jehovah+ sy ho an’ny tranon’ny* mpanjaka,+ ary harpa sy zavamaneno fitendry ho an’ny mpihira.+ Mbola tsy nahitana hoatr’izany mihitsy tany Joda hatramin’izay. 12  Nomen’i Solomona Mpanjaka ho an’ny mpanjakavavin’i Sheba koa izay rehetra niriny sy nangatahiny, mihoatra noho izay* efa nentiny ho an’ny mpanjaka. Dia lasa nody tany amin’ny taniny ilay mpanjakavavy sy ny mpanompony.+ 13  Nilanja 666 talenta ny volamena tonga tany amin’i Solomona tao anatin’ny herintaona,+ 14  ankoatra an’izay nentin’ny mpivaro-mandeha sy ny mpivarotra. Nitondra volafotsy sy volamena ho an’i Solomona koa ny mpanjaka rehetran’ny Arabo sy ireo governoran’ilay tany.+ 15  Nanao ampinga lehibe 200 tamin’ny volamena misy fangarony i Solomona Mpanjaka,+ ka volamena misy fangarony milanja 600 sekely* no nandrakofany ny ampinga tsirairay.+ 16  Nanamboatra ampinga kely* 300 tamin’ny volamena misy fangarony koa izy, ka volamena milanja telo mina* no nandrakofany ny ampinga kely tsirairay. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny Trano Alan’i Libàna ireo.+ 17  Nanao seza fiandrianana lehibe koa ny mpanjaka. Vita tamin’ny Ivoara izy io, ary nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony.+ 18  Nisy zanatohatra enina nankeo amin’ilay seza fiandrianana, ary nisy fitoeran-tongotra volamena napetaka tamin’ilay seza. Nasiany fitoeran-tanana teo amin’ny andaniny roa amin’ilay seza, ary nasiany liona+ iray avy nitsangana teo akaikin’ireo fitoeran-tanana. 19  Nisy liona+ 12 koa teo amin’ireo zanatohatra enina, ka iray avy teo amin’ny sisiny roa tamin’ny zanatohatra tsirairay. Tsy nisy fanjakana nanao seza fiandrianana hoatr’izany mihitsy. 20  Volamena daholo ny kaopin’i Solomona Mpanjaka. Ary volamena tsy misy fangarony ny fitaovana rehetra tao amin’ny Trano Alan’i Libàna. Tsy nisy zavatra vita tamin’ny volafotsy mihitsy, satria noheverina ho tsinontsinona ny volafotsy tamin’ny andron’i Solomona.+ 21  Fa nanana sambo nankany Tarsisy+ ny mpanjaka, ary ny mpanompon’i Hirama no nitondra an’ireny.+ Tonga isaky ny telo taona koa ny sambon’i Tarsisy, izay nitondra volamena, volafotsy, ivoara,+ rajako, ary vorombola. 22  Nanan-karena sy hendry noho ny mpanjaka rehetra teto an-tany àry i Solomona Mpanjaka.+ 23  Ary nangataka hihaona taminy* ny mpanjaka eran-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon’ilay tena Andriamanitra tao am-pony.+ 24  Samy nitondra an’ireto fanomezana ireto izy ireo isan-taona: Zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena, fitafiana,+ fitaovam-piadiana, menaka balsama, soavaly, ary ramole. 25  Ary nanana tranon-tsoavaly 4 000, sy kalesy, ary soavaly* 12 000 i Solomona.+ Nataony tao amin’ny tanàna fanatobiana kalesy sy tany Jerosalema tany akaikin’ny mpanjaka ireo.+ 26  Teo ambany fahefany ny mpanjaka rehetra, nanomboka tany amin’ny Renirano* ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta.+ 27  Nataon’ny mpanjaka be dia be toy ny vato ny volafotsy tany Jerosalema, ary nataony betsaka toy ny aviavidia any Sefela ny hazo sedera.+ 28  Soavaly avy any Ejipta+ sy avy any amin’ny tany hafa rehetra no nentina ho an’i Solomona. 29  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny asa soratr’i Natana+ mpaminany sy ny faminanian’i Ahia+ Silonita ve ny sisa amin’ny tantaran’i Solomona,+ hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany? Tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny fahitana hitan’i Ido+ koa ve izany? Mpahita fahitana i Ido, ary nahita fahitana momba an’i Jeroboama+ zanak’i Nebata izy. 30  Nanjaka 40 taona tany Jerosalema, teo amin’ny Israely rehetra, i Solomona. 31  Dia nodimandry any amin’ny razambeny izy, ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy.+ Ary i Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.+

Fanamarihana

Na: “mpanotrona.”
Na: “ankamantatra.”
Abt: “Tsy nisy zavatra niafina.”
Na: “teninao.”
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.
Na: “lapan’ny.”
Na mety hoe “ho fanampin’ny fanomezana mitovy vidy amin’izay.”
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Ny mpandefa zana-tsipìka no tena mpitondra azy io.
Ato amin’ny Soratra Hebreo, 1 mina = 570 g. Jereo F.F. B14.
Abt: “nitady ny tarehiny.”
Na: “mpitaingin-tsoavaly.”
Izany hoe Eofrata.