2 Tesalonianina 1:1-12

1  Paoly sy Silvano ary Timoty.+ Ho an’ny fiangonan’ny Tesalonianina izay tafaray amin’Andriamanitra Raintsika sy amin’i Jesosy Kristy Tompo,  Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo!+  Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo izahay,+ ry rahalahy, ary mety ny hanaovana izany, satria mihamitombo+ be ny finoanareo ary mihalehibe ny fifankatiavanareo rehetra.+  Koa reharehanay+ eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra ianareo, noho ny fiaretanareo sy ny finoanareo, ao anatin’ny fanenjehana sy ny fahoriana rehetra zakainareo.+  Porofo izany fa ara-drariny ny fitsaran’Andriamanitra+ ka mahatonga anareo ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.+ Noho io fanjakana io mantsy no ijalianareo.+  Fa marina tokoa ny an’Andriamanitra raha mamaly fahoriana an’izay mampahory anareo izy,+  fa manafaka anareo izay ampahorina kosa, mbamin’ny tenanay, rehefa haharihary+ i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny+ mahery,  ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany+ an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra+ sy izay tsy mankatò+ ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.+  Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo,+ dia fandringanana mandrakizay+ tsy ho eo anoloan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,+ 10  rehefa tonga izy mba homem-boninahitra miaraka amin’ny olony masina+ sy mba hampitolagaga an’izay rehetra maneho finoana, amin’izany andro izany. Ninoanareo mantsy ny fanambaranay. 11  Izany indrindra no ivavahanay mandrakariva ho anareo, mba hahatonga an’Andriamanitsika hihevitra anareo ho mendrika ny fiantsoany,+ ary hanatanterahany amin-kery izay tsara rehetra sitraky ny fony, mbamin’ny asam-pinoana rehetra. 12  Amin’izay dia homem-boninahitra eo aminareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika,+ ary ho tafaray+ aminy ianareo, araka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitsika+ sy Jesosy Kristy Tompo.

Fanamarihana