2 Tesalonianina 2:1-17

2  Raha ny amin’ny fanatrehan’i+ Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fanangonana antsika ho any aminy,+ dia izao no angatahinay aminareo, ry rahalahy:  Aza malaky mikorontan-tsaina na mientanentana raha misy fanambarana avy amin’ny fanahy,+ na tenin’olona,+ na taratasy+ toa avy aminay, milaza fa efa tonga ny andron’i+ Jehovah.  Aoka tsy hisy hamitaka anareo na amin’inona na amin’inona, satria tsy ho tonga izany raha tsy efa tonga aloha ny fivadiham-pinoana,+ ka haharihary+ ilay lehilahy mpandika lalàna,+ dia ilay zanaky ny fandringanana.+  Mitsangana ho mpanohitra izy,+ ary manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe “andriamanitra” na izay zavatra ivavahana, mba hipetrahany ao amin’ny tempolin’Ilay Andriamanitra, ka hisehoany an-karihary ho andriamanitra.+  Efa nilaza izany matetika+ taminareo aho fony mbola teo aminareo. Tsy tadidinareo ve?  Koa fantatrareo izao ilay zava-misakana,+ mba hampiharihariana an’io lehilahy io amin’ny fotoan’androny.+  Marina fa efa miasa sahady ilay zava-miafina ny amin’io fandikan-dalàna io,+ saingy mandra-panala an’ilay misakana amin’izao fotoana izao fotsiny.+  Amin’izay tokoa vao haharihary ilay tsy tan-dalàna, izay haringan’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany,+ ary hofoanany amin’ny alalan’ny fisehoan’ny+ fanatrehany.+  Fa ny fanatrehan’ilay tsy tan-dalàna dia araka ny asan’i+ Satana, miaraka amin’ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra,+ 10  ary amin’ny famitahana+ tsy marina rehetra ho an’ireo ho ringana.+ Izany dia ho valin’ny tsy naneken’izy ireo ny fitiavana+ ny fahamarinana mba hahavoavonjy azy.+ 11  Koa navelan’Andriamanitra hankany amin’izy ireo àry ny asan’ny fahadisoana, mba hinoany lainga.+ 12  Amin’izay dia homelohina daholo izy rehetra satria tsy nino ny fahamarinana,+ fa finaritra tamin’ny tsy fahamarinana+ kosa. 13  Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo anefa izahay, ry rahalahy tian’i Jehovah, satria Andriamanitra nifidy anareo+ hatrany am-piandohana ho amin’ny famonjena. Eny, nifidy anareo izy tamin’ny nanamasinany+ anareo tamin’ny alalan’ny fanahy masina+ sy noho ny finoanareo ny fahamarinana.+ 14  Ho amin’izany indrindra no niantsoany anareo tamin’ny alalan’ny vaovao tsara torinay,+ mba hahazoana ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompontsika.+ 15  Koa aoka ho mafy orina ianareo,+ ry rahalahy, ary hazòny ny fampianarana+ nampitaina taminareo, na tamin’ny teny izany, na tamin’ny taratasinay. 16  Ary tia antsika Andriamanitra+ Raintsika sady nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana+ tsara, noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Koa enga anie i Jesosy Kristy Tompontsika sy io Andriamanitra Raintsika io 17  samy hampionona ny fonareo sy hampahery anareo amin’izay asa sy teny tsara rehetra ataonareo!+

Fanamarihana