2 Tesalonianina 3:1-18

3  Farany, ry rahalahy, mivavaha foana ho anay,+ mba hiely haingana+ foana ny tenin’i Jehovah+ ary homem-boninahitra toy izao eo aminareo izao.  Mivavaha foana koa mba ho afaka amin’ny mpisompatra sy ny ratsy fanahy izahay,+ satria tsy ary manam-pinoana daholo ny olona rehetra.+  Fa tsy mivadika amin’ny teniny kosa ny Tompo, ka hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ilay ratsy.+  Ary matoky+ ao amin’ny Tompo izahay ny aminareo, fa efa manao izay andidianay ianareo,+ sady mbola hanao izany ihany.  Ny Tompo anie hitarika soa aman-tsara ny fonareo ho amin’ny fitiavana+ an’Andriamanitra sy ny fiaretana+ noho ny amin’i Kristy!  Mandidy+ anareo amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo izahay, ry rahalahy, mba hialanareo+ amin’ny rahalahy rehetra tsy laitra fehezina,+ izay tsy mitondra tena araka ny fampianarana noraisinareo avy taminay.+  Fa fantatrareo tsara ny fomba tokony hanahafanareo anay,+ satria tsy mba olona tsy laitra fehezina izahay teo aminareo,+  sady tsy nihinam-potsiny ny sakafon’olona+ koa. Fa niasa mafy sy nisasatra+ andro aman’alina kosa izahay, mba tsy hampitondra enta-mavesatra na iza na iza aminareo teo amin’ny lafiny ara-bola.+  Tsy hoe tsy manana fahefana hanao izany anefa izahay,+ fa mba hanoloranay kosa ny tenanay ho modely hotahafinareo.+ 10  Fony teo aminareo koa aza izahay, dia nandidy+ anareo matetika hoe: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.”+ 11  Renay mantsy fa misy tsy laitra fehezina+ eo aminareo, ka tsy miasa mihitsy fa mitsofotsofoka amin’ny raharaha tsy mahakasika azy.+ 12  Ny olona toy ireny no didianay sy anarinay ao amin’i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa amim-pilaminana ka hihinana izay nisasarany.+ 13  Ary ianareo kosa, ry rahalahy, aza mba sasatry ny manao soa.+ 14  Fa raha misy tsy mankatò ny teninay+ ato amin’ity taratasy ity, dia mariho+ izany olona izany, ka tapaho ny fifaneraserana aminy+ mba ho menatra+ izy. 15  Aza dia atao toy ny fahavalo anefa izy na izany aza, fa anaro+ hatrany toy ny rahalahy. 16  Ilay Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva, amin’ny fomba rehetra!+ Ho aminareo rehetra anie ny Tompo! 17  Ity no veloma nosoratan’ny tanako, izaho Paoly.+ Ary izy ity no famantarana ao amin’ny taratasy rehetra fa sora-tanako io. 18  Ho aminareo rehetra anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i+ Jesosy Kristy Tompontsika!

Fanamarihana