2 Timoty 2:1-26

2  Koa aoka ianao, anaka,+ hihamahery+ amin’ny alalan’ilay hatsaram-panahy tsy manam-paharoa,+ izay azonao noho ianao tafaray amin’i Kristy Jesosy.  Ary izay renao tamiko sady nohamafisin’ny vavolombelona maro,+ dia atolory an’ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa+ kosa avy eo.  Miaramila+ tsaran’i Kristy Jesosy ianao, ka miareta koa fahoriana.+  Tsy misy olona manao raharaha miaramila+ ka miditra amin’ny raharaham-barotr’izao fiainana izao,+ raha tiany ny hahazo sitraka amin’ilay nandray azy ho miaramila.  Ary raha misy mandray anjara amin’ny lalao fifaninanana,+ dia tsy hahazo satroboninahitra izy raha tsy nanaraka ny fitsipi-dalao.  Ny mpamboly izay niasa mafy no voalohany tokony hahazo amin’ny vokatra.+  Eritrereto mandrakariva izany lazaiko izany, ary hanampy anao tokoa ny Tompo mba hahatakaranao+ tsara ny zava-drehetra.  Tsarovy fa efa natsangana tamin’ny maty+ i Jesosy Kristy sady taranak’i Davida,+ araka ny vaovao tsara toriko+  sy iaretako fahoriana, dia fahoriana izay tonga hatramin’ny famatorana ahy ato am-ponja,+ toy ny mpanao ratsy. Tsy voafatotra kosa anefa ny tenin’Andriamanitra.+ 10  Izany no mbola iaretako ny zava-drehetra noho ny amin’ny olom-boafidy,+ mba hahazoany koa ilay famonjena izay ao amin’i Kristy Jesosy, mbamin’ny voninahitra mandrakizay.+ 11  Azo antoka izao teny izao:+ Raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa,+ 12  ary raha miaritra foana isika, dia ho mpanjaka hiara-mitondra aminy.+ Fa raha mandà+ azy kosa isika, dia holaviny. 13  Ary raha mivadika isika, izy kosa tsy mba hivadika mihitsy,+ satria tsy hanao zavatra mifanohitra amin’ny maha izy azy izy. 14  Ampahatsiahivo+ azy ireo foana izany, ary aoka ianao ho vavolombelona+ hananatra+ azy mafy eo anatrehan’Andriamanitra mba tsy hiadiany teny,+ fa tsy mahasoa mihitsy izany satria manimba an’izay mihaino. 15  Ataovy izay rehetra azonao atao mba hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana,+ dia mpiasa+ tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona,+ ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.+ 16  Ialao kosa ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina,+ satria vao mainka tsy hatahotra an’Andriamanitra ireny,+ 17  ary ny teniny dia hiely toy ny fery mandoaka.+ Anisan’izy ireny i Hymeneo sy Fileto.+ 18  Niala tamin’ny fahamarinana+ ireo lehilahy ireo ka nilaza fa efa nitranga sahady, hono, ny fitsanganana amin’ny maty.+ Koa nandrava ny finoan’ny sasany+ izy ireo. 19  Fa mbola mijoro ihany ny fototra mafy nataon’Andriamanitra,+ ka manana izao tombo-kase izao: “Fantatr’i Jehovah ny azy”,+ ary koa: “Aoka hiala amin’ny tsy fahamarinana+ izay rehetra manonona ny anaran’i Jehovah.”+ 20  Tsy fitaovana volamena sy volafotsy ihany no ao amin’ny trano lehibe, fa fitaovana hazo sy tany koa. Ny sasany natao hampiasaina amin-javatra mendri-kaja, fa ny sasany kosa amin-javatra tsy mendri-kaja.+ 21  Koa raha misy manalavitra an’ireo farany ireo, dia ho fitaovana natao hampiasaina amin-javatra mendri-kaja izy, ary nohamasinina ka mahasoa ny tompony, sady vonona ho amin’ny asa tsara rehetra.+ 22  Koa andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora,+ fa miezaha kosa hikatsaka ny fahamarinana,+ ny finoana, ny fitiavana, ny fihavanana,+ miaraka amin’ireo miantso ny Tompo amin’ny fo madio.+ 23  Aoka koa ianao handa ny fanontaniana adaladala sy ny fanontaniana tsy misy dikany,+ satria fantatrao fa mampiady izany.+ 24  Fa tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo,+ fa halemy fanahy* amin’ny rehetra+ kosa, hahay hampianatra+ sy hahafehy tena rehefa misy mahasosotra,+ 25  ary halemy paika rehefa mampianatra an’ireo tsy mora manaiky,+ fa angamba Andriamanitra hamela azy hibebaka,+ ka hahalala marina tsara ny fahamarinana+ izy. 26  Dia ho tonga saina izy ka ho afaka amin’ny fandriky+ ny Devoly, izay nanao azy sambo-belona+ hanaraka ny sitrapony.

Fanamarihana

Na: “hahay handanjalanja.”