Asan’ny Apostoly 16:1-40

  • Nifidy an’i Timoty i Paoly (1-5)

  • Nahita lehilahy makedonianina tao amin’ny fahitana (6-10)

  • Lasa mpino i Lydia tany Filipy (11-15)

  • Nogadraina i Paoly sy Silasy (16-24)

  • Mpiambina fonja sy ny ankohonany natao batisa (25-34)

  • Nangataka an’ireo manam-pahefana i Paoly mba hiala tsiny (35-40)

16  Dia tonga tany Derbe i Paoly, ary avy eo izy nankany Lystra.+ Nisy mpianatra atao hoe Timoty+ tao. Zanaka vehivavy jiosy mpino izy io, fa Grika kosa ny rainy. 2  Tsara laza teo amin’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy. 3  Te hitondra an’i Timoty hiaraka taminy i Paoly, ka nalainy izy ary noforany noho ireo Jiosy tany amin’ireo toerana ireo.+ Fantatr’izy rehetra mantsy fa Grika ny rainy. 4  Dia nandeha nitety tanàna izy ireo, ka nampita an’ireo didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema mba hankatoavin’ireo rahalahy.+ 5  Dia nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihabetsaka isan’andro izy ireo. 6  Nandeha nitety an’i Frijia sy ny faritr’i Galatia+ koa izy ireo, satria tsy navelan’ny fanahy masina hitory ny teny tany amin’ny faritanin’i Azia. 7  Rehefa nidina tany Mysia izy ireo, dia niezaka hankany Bitynia,+ saingy tsy navelan’ny fanahin’i Jesosy. 8  Dia nolalovany fotsiny i* Mysia, ka nidina nankany Troasy izy ireo. 9  Ary nahita fahitana i Paoly tamin’ny alina. Nahita lehilahy makedonianina nijoro teo anoloany izy, ary niangavy azy izy io hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia dia ampio izahay.” 10  Vao avy nahita an’ilay fahitana i Paoly, dia niezaka nankany Makedonia izahay. Nino mantsy izahay hoe Andriamanitra no niantso anay hitory ny vaovao tsara tamin’izy ireo. 11  Nandeha sambo avy tao Troasy àry izahay ka nanitsy nankany Samotrakia, ary nankany Neapolia kosa ny ampitso. 12  Avy tao izahay dia nankany Filipy,+ izay zanatany sady tanàna lehibe tany amin’ny faritr’i Makedonia. Nijanona andro vitsivitsy tao amin’io tanàna io izahay. 13  Nivoaka nankany ivelan’ny vavahady izahay tamin’ny andro sabata, ary nankeo amoron’ny renirano iray. Nieritreritra mantsy izahay fa nisy toerana fivavahana teo. Dia nipetraka izahay ka nitory tamin’ny vehivavy nivory teo. 14  Ary nihaino anay ny vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba* volomparasy. Avy ao amin’ny tanànan’i Tyatira+ izy sady mpivavaka amin’Andriamanitra. Dia nanokatra tanteraka ny fony i Jehovah* mba hanekeny ny teny nolazain’i Paoly. 15  Rehefa vita batisa izy sy ny ankohonany,+ dia niangavy izy hoe: “Raha hitanareo hoe mendri-pitokisana eo anatrehan’i Jehovah* aho, dia andao hivahiny any an-tranoko.” Ary tsy namelany izahay raha tsy nankany. 16  Nankany amin’ilay toerana fivavahana izahay, indray andro, dia nifanena tamin’ny mpanompovavy anankiray nisy fanahy ratsy, izany hoe nisy demonia mpilaza ny hoavy.+ Nampanan-karena an’ireo tompony io mpanompovavy io noho izy nahay nilaza ny hoavy.* 17  Nanaraka anay sy Paoly foana io ankizivavy io sady niantsoantso hoe: “Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra+ ireo lehilahy ireo, ary manambara aminareo izay tokony hatao mba ho voavonjy.”* 18  Izany foana no nataony nandritra ny andro maro. Leo be i Paoly tamin’ny farany, ka nitodika tany aminy sady niteny tamin’ilay fanahy hoe: “Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy.” Tonga dia nivoaka tamin’izay ora izay ilay fanahy.+ 19  Rehefa hitan’ny tompony fa vita hatreo ny fanantenany hahazo harena be,+ dia nosamborin’izy ireo i Paoly sy Silasy, ary notaritaritiny teny an-tsena ho any amin’ny manam-pahefana.+ 20  Dia nentin’izy ireo tany amin’ny tompon’andraiki-panjakana izy roa lahy, ary hoy izy ireo: “Tena manakorontana ny tanànantsika mihitsy+ ireto lehilahy ireto. Jiosy ry zareo, 21  dia mampianatra fanao tsy azontsika raisina na arahina, satria isika Romanina.” 22  Dia niara-nanohitra azy roa lahy ny vahoaka. Ary nendahan’ireo tompon’andraiki-panjakana ny akanjo nanaovan’izy roa lahy, ka nasainy nokapohina tamin’ny hazo izy ireo.+ 23  Dia nogadrainy izy roa lahy rehefa avy nokapohiny imbetsaka. Ary nomeny baiko ny mpiambina mba hiambina tsara azy ireo.+ 24  Koa satria nahazo an’izany baiko izany ilay mpiambina, dia nataony tany amin’ny fonja anatiny izy roa lahy, ary nogejainy tamin’ny gadra hazo* ny tongotr’izy ireo. 25  Nivavaka sy nihira fiderana ho an’Andriamanitra+ anefa i Paoly sy Silasy tamin’ny misasakalina tany ho any, ary nihaino azy ireo ny voafonja hafa. 26  Tampoka teo, dia nihovotrovotra be ny tany ka nihozongozona ny fototr’ilay fonja. Ary tonga dia nivoha daholo ny varavarana, ary nivaha ny fatoran’ny+ voafonja rehetra. 27  Taitra tamin’ny torimasony ilay mpiambina, ka nahita fa nisokatra ny varavaran’ny fonja. Dia nalainy ny sabany ka saika hamono tena izy, satria noheveriny fa nandositra ireo voafonja.+ 28  Niantsoantso mafy anefa i Paoly hoe: “Aza mamono tena, fa ato daholo izahay!” 29  Koa nampaka jiro ilay lehilahy dia nikoropaka niditra. Ary tora-kovitra izy sady niankohoka teo anatrehan’i Paoly sy Silasy. 30  Dia nentiny nivoaka izy roa lahy, sady nanontaniany hoe: “Inona, tompoko, no tsy maintsy ataoko mba ho voavonjy aho?” 31  Hoy izy ireo: “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.”+ 32  Dia nitory ny tenin’i Jehovah* taminy sy tamin’izay rehetra tao an-tranony izy roa lahy. 33  Iny alina iny ihany dia nentin’ilay lehilahy izy ireo, ary nosasany ny ratrany. Dia natao batisa tsy nisy hataka andro+ izy sy ny ankohonany manontolo. 34  Ary nentiny tao an-tranony izy roa lahy, ka norosoany sakafo teo ambony latabatra. Ary faly be izy sy ny ankohonany manontolo, satria lasa nino an’Andriamanitra. 35  Rehefa maraina ny andro, dia nirahin’ny tompon’andraiki-panjakana ireo mpiambina azy mba hilaza hoe: “Afaho izy roa lahy.” 36  Dia nolazain’ilay mpiambina fonja tamin’i Paoly ny tenin’izy ireo hoe: “Naniraka olona ny tompon’andraiki-panjakana mba hilaza hoe afahana, hono, ianareo roa lahy. Koa mahazo mivoaka ianareo izao, dia mandehana soa aman-tsara!” 37  Fa hoy kosa i Paoly tamin’izy ireo: “Romanina+ izahay, nefa nokapohin-dry zareo teny imason’olona na dia mbola tsy voaheloka* aza ary nogadrainy. Dia izao ve izahay tadiaviny havoaka an-tsokosoko? Tsy manaiky an’izany izahay! Aleo ry zareo mihitsy no ho avy eto hamoaka anay.” 38  Dia nilaza an’izany tamin’ny tompon’andraiki-panjakana ireo mpiambina azy. Koa natahotra izy ireo rehefa nandre hoe Romanina+ izy roa lahy. 39  Dia tonga izy ireo ka niangavingavy azy roa lahy mba handeha. Ary rehefa avy namoaka azy roa lahy avy tao am-ponja izy ireo, dia nangataka azy ireo hiala tao amin’ilay tanàna. 40  Nankany an-tranon’i Lydia anefa izy roa lahy rehefa nivoaka ny fonja. Ary rehefa nahita an’ireo rahalahy izy ireo, dia nankahery azy+ ary lasa.

Fanamarihana

Na: “nandalo tany akaikin’i.”
Na: “loko.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Na: “nahay naminany.”
Na: “ny lalan’ny famonjena.”
Na: “boloky hazo.” Jereo F.T.
Jereo F.F. A5.
Na: “tsy notsaraina.”