Asan’ny Apostoly 5:1-42

5  Fa nivarotra ny fananany kosa ny lehilahy atao hoe Ananiasy, sy Safira vadiny.  Nisy notazoniny mangingina ho azy anefa ny vidiny, ary nahalala izany koa ny vavy. Ampahany ihany no nentiny ka napetrany teo an-tongotry ny apostoly.+  Fa hoy i Petera: “Ry Ananiasy, nahoana i Satana+ no nanome anao fahasahiana hamitaka+ ny fanahy masina,+ ka nohazoninao mangingina ny ampahany tamin’ny vidin’ilay tany?  Fony tsy namidy ny tany, tsy anao ihany ve ilay izy? Ary rehefa namidy, tsy mbola anao ihany ve, ka hanaovanao izay sitraponao? Nahoana ianao no nikasa hanao izao zavatra izao tao am-ponao? Tsy olona no nofitahinao,+ fa Andriamanitra.”+  Dia niankarapoka i Ananiasy rehefa nandre izany, ka tapitra ny ainy.+ Ary raiki-tahotra mafy+ izay rehetra nandre izany.  Fa nitsangana ny tovolahy dia nofonosiny lamba ny faty,+ ka nentiny ary naleviny.  Rehefa afaka adiny telo teo ho eo, dia niditra ny vadiny nefa tsy nahalala izay nitranga.  Dia hoy i Petera taminy: “Lazao ahy kely hoe: Izay ihany ve no vidiny nivarotanareo ilay tany?” Ary hoy izy: “Ia, izay ihany.”  Koa hoy i Petera taminy: “Nahoana ianareo mivady no niray tetika hitsapa toetra ny fanahin’i Jehovah?+ Efa eo am-baravarana izao ny tongotr’ireo nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hiala koa ry zareo.” 10  Avy hatrany dia niankarapoka teo an-tongotr’i Petera izy, ka tapitra ny ainy.+ Koa rehefa niditra ny tovolahy, dia nahita azy efa maty, ka nitondra azy niala teo sy nandevina azy teo anilan’ny vadiny. 11  Dia raiki-tahotra mafy ny fiangonana manontolo sy izay rehetra nandre izany. 12  Ary tsy nitsahatra nanao famantarana sy zava-mahagaga maro teo amin’ny vahoaka ny apostoly.+ Nivory teo amin’ny lala-mitafon’i* Solomona+ izy rehetra ary niray saina. 13  Marina fa tsy nisy olon-kafa sahy niandany tamin’izy ireo,+ kanefa nidera azy ireo ihany ny olona.+ 14  Mbola niampy hatrany ireo nino ny Tompo, ary maro be izy ireny, na lahy na vavy.+ 15  Ary nentin’ny olona teny an-dalambe mihitsy aza ny marary ka napetrany teny, teo ambony farafara kely sy fandriana. Amin’izay mantsy dia mba azon’ny alok’i Petera, fara faharatsiny, ny sasany amin’izy ireo, rehefa mandalo izy.+ 16  Ary nisy olona maro be tonga foana avy tamin’ireo tanàna manodidina an’i Jerosalema. Nitondra ny marary sy ny nampahorin’ny fanahy maloto izy ireo, ary sitrana daholo izy rehetra. 17  Velom-pialonana+ anefa ny mpisoronabe sy ny mpomba azy rehetra, izany hoe ny Sadoseo, izay sekta nisy tamin’izany. Koa nitsangana izy ireo, 18  ka nosamboriny ny apostoly ary nataony tao amin’ny fonjam-panjakana.+ 19  Nosokafan’ny anjelin’i Jehovah+ anefa ny varavaran’ny fonja+ nony alina ka navoakany ireo. Ary hoy izy tamin’ireo: 20  “Mandehana, ka mijoroa ao amin’ny tempoly, ary aza mitsahatra mitory amin’ny olona ny teny rehetra momba izany fiainana izany.”+ 21  Rehefa nandre izany ny apostoly, dia niditra vao maraina be tao amin’ny tempoly, ka nampianatra. Ary tonga ny mpisoronabe sy izay niaraka taminy, ka namory an’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy mbamin’ny anti-panahy rehetran’ny zanak’Israely,+ ary nampaka an’ireo apostoly tany am-ponja. 22  Rehefa tonga tany anefa ireo mpiambina, dia tsy nahita azy ireo tao am-ponja ka niverina mba hanao izao tatitra izao: 23  “Hitanay fa nihidy mafy tsara ny fonja, ary ireo mpiambina nijoro teo am-baravarana, kanjo rehefa nosokafana, dia tsy nahita olona tao izahay.” 24  Nandre izany ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ireo lehiben’ny mpisorona, ka samy sahiran-kevitra ny amin’izany raharaha izany sy izay hiafarany.+ 25  Ary nisy lehilahy iray tonga nilaza tamin’izy ireo hoe: “Indreo fa ao amin’ny tempoly ireo lehilahy nataonareo am-ponja! Mijoro sy mampianatra ao ry zareo!”+ 26  Koa nandeha naka an’ireo apostoly ny lehiben’ny mpiambina sy ireo olom-peheziny. Tsy nampiasa herisetra anefa izy ireo satria natahotra+ sao hotorahan’ny olona vato. 27  Dia nentiny ireo apostoly, ka nampijoroany tao amin’ny tranon’ny Fitsarana Avo Jiosy. Koa namotopototra azy ireo ny mpisoronabe, 28  ary nilaza hoe: “Efa noraranay mafy+ ianareo tsy hampianatra intsony amin’izany anarana izany, nefa jereo fa nofenoinareo ny fampianaranareo+ i Jerosalema, ary tapa-kevitra ianareo ny hanao anay ho tompon’andraikitra amin’ny ran’izany+ lehilahy izany.” 29  Fa hoy ny navalin’i Petera sy ny apostoly hafa: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.+ 30  Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty,+ dia i Jesosy izay novonoinareo sy nahantonareo teo amin’ny tsato-kazo.+ 31  Nasandratr’Andriamanitra ho eo ankavanany+ anefa izy, ka tonga Mpitarika Lehibe Indrindra+ sy Mpamonjy,+ mba hahafahan’ny Israely hibebaka+ sy hahazo famelan-keloka.+ 32  Vavolombelon’izany izahay,+ ary toy izany koa ny fanahy masina,+ izay omen’Andriamanitra an’izay mankatò azy amin’ny maha mpitondra azy.” 33  Tezitra mafy izy ireo rehefa nandre izany, ka tiany hovonoina ny apostoly.+ 34  Nitsangana teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy anefa ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela,+ izay mpampiana-dalàna nohajain’ny rehetra, ary nasainy navoaka vetivety ireo apostoly.+ 35  Dia hoy izy tamin’ireo: “Ry Israelita,+ tandremo tsara izay kasainareo hatao amin’ireo lehilahy ireo. 36  Taloha, ohatra, dia nitsangana i Teodasy izay nanao ny tenany ho zavatra.+ Koa efajato lahy teo ho eo no nirotsaka ho mpomba azy.+ Novonoina anefa izy, ary niparitaka izay rehetra nanaiky azy ka vita hatreo ny aminy. 37  Ary taorian’i Teodasy, dia nitsangana i Jodasy avy any Galilia, tamin’ny andron’ny fisoratana anarana,+ ary nitaona olona hanaraka azy. Maty anefa izy, ka niparitaka izay rehetra nanaiky azy. 38  Koa manoloana an’izao zava-mitranga izao, dia izao no lazaiko aminareo: Aza mitsabaka amin’izay ataon’ireo lehilahy ireo, fa avelao izy—raha avy amin’olombelona mantsy izao fikasana na asa izao, dia ho rava,+ 39  fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao,+ dia tsy ho vitanareo ny handrava azy+—sao dia ho lasa mpiady amin’Andriamanitra ianareo.”+ 40  Dia nanaiky ny tenin’i Gamaliela ireo ka nampiantso ny apostoly, ary nikapoka+ sy nandrara azy tsy hiteny tamin’ny anaran’i Jesosy intsony,+ dia namela azy handeha. 41  Koa niala teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo, sady faly+ satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho izany anarany+ izany. 42  Tsy nitsahatra nampianatra+ sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy,+ izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly na isan-trano.+

Fanamarihana

Jereo Jn 10:23 f.a.p.