Asan’ny Apostoly 6:1-15

6  Ary tamin’izany andro izany, rehefa nitombo isa ny mpianatra, dia nanjary nimenomenona tamin’ny Jiosy miteny hebreo ny Jiosy miteny grika,+ satria natao tsirambina ny mpitondratena teo aminy tamin’ny fizaran-tsakafo isan’andro.+  Koa nampiantso mpianatra maro be ny roa ambin’ny folo lahy, ka nanao hoe: “Tsy mety raha hamela ny tenin’Andriamanitra izahay mba hizara sakafo eny an-databatra.+  Noho izany, ry rahalahy, dia mitadiava+ fito lahy eo aminareo, dia izay tsara laza sady feno fanahy masina sy fahendrena,+ mba hotendrenay ho amin’izany raharaha tsy maintsy hatao izany,  fa izahay kosa hifantoka amin’ny vavaka sy ny fanompoana, dia ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.”+  Sitraky ny rehetra izany, ka nofidin’izy ireo i Stefana, lehilahy feno finoana sy fanahy masina,+ sy Filipo+ sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo avy any Antiokia, ilay niova ho amin’ny fivavahana jiosy.  Dia narosony teo anatrehan’ny apostoly ireo, ka rehefa avy nivavaka ny apostoly, dia nametra-tanana+ tamin’ireo.  Dia tsy nitsahatra niroborobo ny tenin’Andriamanitra,+ ka nihamaro be ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema,+ ary mpisorona maro be+ no nanjary nanaiky+ ny finoana.  Ary feno hatsaram-panahy sy hery i Stefana, ka nanao zava-mahagaga sy famantarana+ lehibe teo amin’ny vahoaka.  Ary nisy lehilahy nitsangana hiady hevitra tamin’i Stefana. Avy tamin’ilay antsoina hoe Synagogan’ireo Nomena Fahafahana izy ireo, ary koa avy tamin’ny Kyrenianina sy ny Aleksandrianina,+ ary lehilahy avy any Kilikia+ sy Azia. 10  Tsy voatohitr’izy ireo anefa ny fahendreny+ sy ny fanahy masina izay nampiteny azy.+ 11  Ary nampirisika olona mangingina izy ireo hilaza hoe:+ “Renay nanevateva+ an’i Mosesy sy Andriamanitra izy.” 12  Dia nampirisihin’izy ireo ny vahoaka sy ny anti-panahy ary ny mpanora-dalàna, ka tonga tampoka teo amin’i Stefana ireo, ary nitondra azy an-keriny nankany amin’ny Fitsarana Avo Jiosy.+ 13  Dia nandroso vavolombelona mandainga+ ireo, nanao hoe: “Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny zava-dratsy momba ity toerana masina ity sy ny Lalàna.+ 14  Renay izy, ohatra, nilaza fa handrodana ity toerana ity, hono, ilay Jesosy avy any Nazareta iny, ka hanova ny fomba fanao nampitain’i Mosesy tamintsika.” 15  Ary nibanjina an’i Stefana daholo izay nipetraka teo amin’ilay Fitsarana Avo,+ ka nahita fa sahala amin’ny tarehin’anjely ny tarehiny.+

Fanamarihana