Asan’ny Apostoly 8:1-40

8  Ary nankasitraka ny namonoana azy i Saoly.+ Tamin’izany andro izany, dia nenjehina+ mafy ny fiangonana tany Jerosalema, ka niparitaka+ nanerana ny faritr’i Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny apostoly ihany.  Nisy lehilahy natahotra an’Andriamanitra anefa nitondra ny fatin’i Stefana ka nandevina+ azy sady nitomany mafy+ azy.  Fa i Saoly kosa nihetraketraka mafy tamin’ny fiangonana. Nitety trano izy ary notaritaritiny hivoaka ny mpino na lahy na vavy, ka nataony am-ponja.+  Fa izay niparitaka kosa dia namakivaky an’ilay faritra, ka nitory ny vaovao tsaran’ny tenin’Andriamanitra.+  Nidina tany amin’ny tanànan’i Samaria,+ ohatra, i Filipo, ka nitory an’i Kristy tany.  Nanongilan-tsofina tamin’izay nolazain’i Filipo daholo ny olona rehetra, sady nihaino sy nijery ny famantarana nataony.  Maro tamin’ireo mantsy no nisy fanahy maloto,+ izay niantsoantso mafy ka nivoaka. Betsaka koa ny nalemy+ sy ny kilemaina no sitrana.  Koa faly be ny olona tao amin’io tanàna io.+  Ary nisy lehilahy atao hoe Simona tao Samaria. Efa mpampiasa herin’ny maizina+ izy, ka nampitolagaga ny vahoaka tao, sady nanao ny tenany ho zavatra.+ 10  Nihaino tsara izay nolazainy ny rehetra, na ny kely indrindra na ny lehibe indrindra, ka nanao hoe: “Io lehilahy io no Herin’Andriamanitra, dia hery azo antsoina hoe Lehibe.” 11  Efa ela ireo no gaga tamin’ny fahaizany nampiasa herin’ny maizina, ka izany no nihainoan’izy ireo izay nolazainy. 12  Rehefa ninoan’izy ireo anefa i Filipo izay nitory ny vaovao tsara momba ny fanjakan’Andriamanitra+ sy momba ny anaran’i Jesosy Kristy, dia natao batisa izy ireo, na lehilahy na vehivavy.+ 13  I Simona koa aza nino ka natao batisa, ary niaraka tamin’i Filipo+ foana izy taorian’izay. Dia gaga izy nahita ny famantarana sy ny fahagagana lehibe nitranga. 14  Ren’ny apostoly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria,+ ka nirahiny hankany i Petera sy Jaona. 15  Dia nidina tany izy roa lahy ka nivavaka mba handraisan’ireo ny fanahy masina,+ 16  satria mbola tsy nisy nilatsahan’ny fanahy ireo, fa natao batisa fotsiny tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo.+ 17  Koa nametra-tanana tamin’ireo+ izy roa lahy, ka nandray ny fanahy masina ireo. 18  Rehefa hitan’i Simona fa ny fametrahan-tanan’ny apostoly no nanomezana ny fanahy masina, dia notolorany vola izy roa lahy,+ 19  ka hoy izy: “Mba omeo izany fahefana izany koa aho. Amin’izay, dia handray fanahy masina koa izay hametrahako tanana.” 20  Fa hoy i Petera: “Aoka ho fongana miaraka aminao ny farantsa volafotsinao. Heverinao angaha fa azo vidim-bola ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra?+ 21  Tsy manana anjara amin’izao fanompoana izao mihitsy ianao, satria tsy mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao.+ 22  Koa mialà amin’izao faharatsianao izao, ka mitalahoa amin’i Jehovah+ sao mba hamela heloka anao izy tamin’izany teti-dratsin’ny fonao izany. 23  Hitako mantsy fa toy ny ranonafero misy poizina+ ianao ary voafatotry ny tsy fahamarinana.”+ 24  Dia hoy ny navalin’i Simona: “Ianareo no aoka hitalaho amin’i Jehovah ho ahy,+ mba tsy hisy hanjo ahy izany voalazanareo izany.” 25  Ary namita tsara ny fitoriany i Petera sy Jaona, sady nilaza ny tenin’i Jehovah. Avy eo, dia niverina tany Jerosalema izy roa lahy ka nandeha nitory ny vaovao tsara tany amin’ny tanàna kely maro izay an’ny Samaritanina.+ 26  Fa nisy anjelin’i Jehovah+ niteny tamin’i Filipo hoe: “Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema ho any Gaza.” Lalana any an-tany efitra izany. 27  Dia nitsangana izy ka lasa, ary nahita tandapa+ etiopianina,+ izay olona ambony teo ambany fahefan’i Kandasy mpanjakavavin’ny Etiopianina. Niadidy ny harenany rehetra io tandapa io, ary nankany Jerosalema mba hivavaka.+ 28  Teny an-dalana hody, dia nipetraka tao amin’ny kalesiny izy sady namaky mafy ny bokin’i Isaia mpaminany.+ 29  Koa hoy ny fanahy masina+ tamin’i Filipo: “Mandehana, enjeho iny kalesy iny!” 30  Dia nihazakazaka teo anilan’ilay kalesy i Filipo ka nandre azy namaky mafy ny bokin’i Isaia mpaminany, ary hoy izy: “Tena azonao ve izay vakinao?” 31  Dia hoy izy: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?” Ary niangavy an’i Filipo izy mba hiakatra sy hipetraka teo akaikiny. 32  Ary izao ilay andalan-tenin’ny Soratra Masina izay novakiny: “Toy ny ondry nentina hovonoina izy, ary toy ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy ka tsy miloa-bava.+ 33  Tsy nomena rariny izy+ nandritra ny fotoana nampietrena azy. Ary iza no hilaza ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany? Fa ny ainy aza nesorina tsy ho amin’ny tany.”+ 34  Dia hoy ilay tandapa tamin’i Filipo: “Mba lazao amiko re: Iza no lazain’ilay mpaminany amin’izany? Ny tenany ihany ve sa olon-kafa?” 35  Ary nanomboka niteny i Filipo,+ ka tamin’iny andalan-tenin’ny Soratra Masina+ iny no nanombohany nitory taminy ny vaovao tsara momba an’i Jesosy. 36  Ary raha teny an-dalana izy ireo, dia tonga teo amin’izay nisy rano, ka hoy ilay tandapa: “Io misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”+ 37 * —— 38  Dia nasainy najanona ilay kalesy, ary nidina tao anaty rano i Filipo sy ilay tandapa, ka nataon’i Filipo batisa izy. 39  Ary nony niakatra avy tao anaty rano izy roa lahy, dia nentin’ny fanahin’i Jehovah avy hatrany i Filipo,+ ka tsy hitan’ilay tandapa intsony. Dia nanohy ny diany ilay tandapa sady ravoravo. 40  Fa i Filipo kosa hita tany Asdoda, ary namakivaky an’ilay faritany izy, ka tsy nitsahatra nitory+ ny vaovao tsara tany amin’ny tanàna rehetra, mandra-pahatongany tany Kaisaria.+

Fanamarihana

Jereo Mt 17:21 f.a.p.