Tononkiran’i Solomona 1:1-17

1  Ny tononkira+ tsara indrindra nataon’i Solomona.+  “Hanoroka ahy amin’ny molony anie izy.+ Fa tsara noho ny divay ny fanehoam-pitiavanao.+  Manitra mamerovero ny menakao.+ Sahala amin’ny menaka araraka ny anaranao,+ koa izany no itiavan’ny ankizivavy anao.  Ento aho hanaraka anao,+ ary andao isika hihazakazaka. Fa nentin’ny mpanjaka ho ao amin’ny efitranony anatiny+ aho! Andao isika hiara-mifaly sy hiravoravo. Andao isika hiresaka momba ny fanehoam-pitiavanao, izay mahafinaritra kokoa noho ny divay.+ Rariny raha tian’ny ankizivavy ianao.+  “Ankizivavy mainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’i Jerosalema+ ô, tahaka ny tranolain’i Kedara,+ nefa koa tahaka an’ireo lamba+ nanaovana ny tranolain’i Solomona.  Aza mijery ahy fa mivalomainty aho, satria main’ny hainandro. Tezitra tamiko ireo zanakalahin’i Neny, ka nasainy niambina tanimboaloboka aho, nefa ny tanimboaloboko+ aza tsy mba nambenako.  “Mba lazao ahy, ry olon-tiako,+ izay toerana iandrasanao ondry,+ sy izay ampandrianao ny andian’ondry amin’ny mitataovovonana. Fa nahoana aho no ho toy ny vehivavy mitafy lamba fisaonana eo amin’ireo andiam-bibin’ny namanao?”  “Raha tsy fantatrao, ry ilay tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy+ ô, dia mivoaha hanaraka ny dian’ondry ka andraso eo akaikin’ny tranolain’ny mpiandry ondry ny zanak’osinao.”  “Amiko ianao, ry tovovavy malalako,+ dia kanto sahala amin’ny soavalivaviko izay mitarika ny kalesin’i Farao.+ 10  Mahafatifaty ny takolakao amin’izato volonao mirandrana. Ary manendrika ny vozonao ny vakana eny aminao.+ 11  Hanamboaranay firavaka volamena boribory+ misy haingony volafotsy ianao.” 12  “Raha mbola eo an-databany boribory ny mpanjaka, dia efa mamoaka hanitra mamerovero+ ny narda+ atỳ amiko. 13  Amiko, ny malalako dia toy ny miora+ eran’ny kitapo kely. Eo anelanelan’ny nonoko+ no hatoriany mandritra ny alina. 14  Sahala amin’ny vonin’ny moina+ eo amin’ny tanimboalobok’i En-jedy+ no fahitako ny malalako.” 15  “Tsara tarehy ianao, ry tovovavy malalako.+ Tsara tarehy ianao. Toy ny masom-boromailala ny masonao.”+ 16  “Tsara tarehy ianao,+ ry malalako, sady mahafinaritra. Ravinkazo malefaka no farafarantsika.+ 17  Sedera+ ny tsivalan-kazo amin’ny tranontsika tsara tarehy, ary hazo zenevrie no mitondra ny tafontsika.

Fanamarihana