Tononkiran’i Solomona 2:1-17

2  “Izaho dia safrona+ ihany, safrona maniry eny amin’ny lemaka amoron-tsiraka,+ ary lisy eny amin’ny lemaka iva.”+  “Sahala amin’ny lisy eny amin’ny tsilo ny malalako, eo anivon’ny zazavavy.”+  “Sahala amin’ny paoma+ maniry eo anivon’ny hazo any an’ala ny malalako, eo anivon’ny zazalahy.+ Tiako erỳ ny eo ambany alokalony, ka eo aho no mipetrapetraka, ary mamy ao am-bavako ny voany.  Nentiny ho ao amin’ny trano feno divay+ aho, ary toy ny saina+ mikopakopaka eo amboniko ny fitiavany.+  Omeo voaloboka maina+ aho, rey olona, mba ho velombelona, ary paoma mba hatanjaka, fa azon’ny tazom-pitia.+  Iondanako ny tanany ankavia, ary mamihina ahy ny tanany ankavanana.+  Ampianianiko+ amin’ny gazelavavy+ na amin’ny serfavavy+ any an-tsaha ianareo, ry zanakavavin’i Jerosalema ô: Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.+  “Injay ny feon’ny malalako!+ Izay fa avy izy,+ mananika tendrombohitra, mitsambikimbikina eny an-kavoana.  Tahaka ny gazela+ na ny zanaka serfa ny malalako. Io izy fa mijoro ao ambadiky ny rindrinay, mitazana avy eo am-baravarankely, mijery avy eo amin’ny makarakara.+ 10  Dia hoy ilay mamin’ny foko: ‘Mitsangàna, ry tovovavy malalako, ry ilay tsara tarehiko,+ ka andao handeha.+ 11  Jereo fa efa lasa ny fotoanan’ny orana,+ ary efa nifarana ny oram-be mivatravatra, eny, efa lasa izany. 12  Efa mamelana ny voninkazo eto amin’ny tanintsika,+ efa tonga ny fotoana fandrantsanana voaloboka,+ ary efa re eto amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina.+ 13  Efa mihamasaka koa ny aviavy+ vokatra voalohany+ ka miova loko. Mamony ny voaloboka, sady manitra mamerovero. Mitsangàna, ry tovovavy malalako,+ ry ilay tsara tarehiko, ka andao handeha. 14  Ry voromailalako+ miafina ao an-tsefatsefa-bato, ao amin’ny takona eny akaikin’ny lalankely amoron-tevana, asehoy ahy ny bikanao.+ Aoka aho mba handre ny feonao, fa mahafinaritra ny feonao ary tsara ny bikanao.’”+ 15  “Sambory rey olona ny amboadia,+ dia ireo amboadia kely mpanimba tanimboaloboka, fa efa mamony ny voalobokay.”+ 16  “Ahy ny malalako, ary azy aho.+ Miandry ondry+ eny amin’ny toerana anirian’ny lisy+ izy. 17  Dieny mbola tsy mandrivodrivotra ny andro, ary dieny mbola tsy lasa ny aloka, dia miverena ry malalako. Aoka ianao ho tahaka ny gazela+ na ny zanaka serfa eny amin’ireo tendrombohitry ny fisarahana.

Fanamarihana