Tononkiran’i Solomona 3:1-11

3  “Nitady an’ilay olon-tiako+ aho nandritra ny alina, tamin’izaho tao am-pandriana. Nitady azy aho fa tsy nahita.  Aleo aho hiarina, dia handehandeha eran’ny tanàna.+ Aleo hotadiaviko eny an-dalambe sy eny an-tany malalaka+ ilay olon-tiako. Nitady azy aho fa tsy nahita.  Hitan’ireo mpitily,+ izay nandehandeha nanara-maso ny tanàna, aho, ka hoy aho taminy: ‘Sao dia mba hitanareo ilay olon-tiako?’  Raha vao niala kelikely teo amin’izy ireo anefa aho, dia hitako ilay olon-tiako. Koa notazoniko izy ka tsy namelako raha tsy tonga tany an-tranon’i Neny sy tao amin’ny efitranon’ilay niteraka ahy.  Ampianianiko+ amin’ny gazelavavy na amin’ny serfavavy any an-tsaha ianareo, ry zanakavavin’i Jerosalema ô:+ Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.”+  “Inona irỳ zavatra miakatra avy any an-tany efitra irỳ?+ Tahaka ny setroka no fahitana azy, sady misy miora sy ditin-kazo manitra ary karazana vovo-java-manitra rehetra fitondran’ny mpivarotra.”+  “Jereo! Ny farafarany iny, ny farafaran’i Solomona! Misy vatan-dehilahy enimpolo, avy amin’ireo lehilahy maherin’ny Israely,+ manodidina an’ilay izy.  Manana sabatra izy rehetra, sady efa voaofana hiady, ary samy mitondra ny sabany eo amin’ny andilany izy ireo noho ny zava-mampahatahotra amin’ny alina.”+  “Iny ilay farafara nataon’i Solomona Mpanjaka tamin’ny hazon’i Libanona!+ 10  Volafotsy ny andry aminy, ary volamena ny fiankinana. Natao tamin’ny volonondry nolokoana volomparasy somary mena ny fipetrahana ao aminy ary ny ao anatiny kosa noravahan’ny zanakavavin’i Jerosalema tamim-pitiavana.” 11  “Ry zanakavavin’i Ziona ô, mivoaha hijery an’i Solomona Mpanjaka manao fehiloha,+ dia ilay fehiloha norandranin-dreniny+ ho azy tamin’ny andro nampakarany vady sy tamin’ny andro nifalian’ny fony.”+

Fanamarihana